Toko faha 47

1 Midìna ka mipetraha eo amin'ny vovoka, ry zanaka vavy virjinin'i Babylona; mipetraha eo amin'ny tany tsy misy fiandrianana, ry zanaka vavin'ny Kaldeana. Tsy ho antsoina hoe kanto sy marefo intsony ianareo. 2 Raiso ny fikosoham-bary ka mitotoa vary; esory ny voalinareo, esory ny akanjo lavanareo, aboridano ny tongotrareo, ka miampità ny renirano. 3 Hiseho ny fitanjahanareo, eny, ny henatrareo dia ho hita: hamaly faty Aho ary tsy hamindra fo amin'olona. 4 Ny Mpanavotra antsika, Yaveh tompon'ny maro no anarany, ilay Iray Masin'ny Israely. 5 Mitoera amin'ny mangina ary mandehana any amin'ny maizina, ry zanaka vavin'ny Kaldeana; fa ianareo dia tsy ho antsoina hoe andriam-bavin'ny fanjakana intsony. 6 Tezitra tamin'ny vahoakako Aho; nandoto ny lovako Aho ary nanome ireo ho eo an-tananareo, kanefa tsy naneho fiantrana tamin'izy ireo ianareo; nametraka zioga mavesatra tamin'ny antitra ianareo. 7 Hoy ianareo hoe: "Hanapaka mandrakizay tahaka ny fiandrianan'ny andriambavy aho." Tsy nandray ireo zavatra ireo tamin'ny fo ianareo, na nihevitra izay ho fivadihany. 8 Koa henoy izao ankehitriny, ianareo izay tia fahafinaretana sy mipetraka am-pilaminana; ianareo izay manao anakam-po hoe: "Misy aho, ary tsy misy tahaka ahy; tsy ho mananon-tena mihitsy aho, na hiaina ny fahaverezan-janaka mihitsy." 9 Fa ireto zavatra roa ireto dia ho avy tampoka aminareo ao anatin'ny iray andro: ho avy aminareo amin'ny fahafenoan-kery ny fahaverezan-janaka sy ny tsy fananam-bady intsony, na dia eo aza ny famosavianareo sy ireo fandraikiraikenareo ary ireo odinareo. 10 Nahatoky ny faharatsianareo ianareo; hoy ianareo hoe: "Tsy misy mahita ahy"; ny fahendrenareo sy ny fahaizanareo no mitarika anareo any amin'ny lalan-diso, fa hoy ianareo manao anakam-po hoe: "Misy aho ary tsy misy na iza na iza mitovy amiko." 11 Handresy anareo ny loza; tsy hahavita handroaka izany ianareo sy ny fandraikiraikenareo. Ho ao aminareo ny fahapotehana; tsy hahavita hamafa izany ianareo. Hamely tampoka anareo ny loza, mialohan'ny hahafantaranareo izany. 12 Mahareta amin'ny fanaovanareo fanozonana sy ny famosavianareo izay nataonareo tsianjery tamim-pahatokiana hatramin'ny fahazazanareo; mety hahomby ianareo, mety hatahotra loza ianareo. 13 Reraka ianareo nohon'ny fakan-kevitra; aoka hijoro ireo olona ireo ka hiaro anareo_ireo izay miandrandra ny lanitra sy mijery ny kintana, ireo izay manambara volana vaovao_aoka izy ireo hamonjy anareo amin'izay hiseho aminareo. 14 Indro, ho lasa mololo izy ireo. Handoro azy ireo ny afo. Tsy hahavonjy ny ainy eo an-tanan'ny lelan'afo izy ireo. Tsy hisy vain'afo hanafana azy ireo ary tsy hipetraka akaikin'ny afo izy ireo! 15 Izao no efa nahatonga azy ireo ho aminareo, ireo izay efa niara-niasa taminareo, ary niara-nividy sy niara-nivarotra taminareo fony tanora ianareo, ary izy rehetra dia mbola manao ny adalany ihany; ary rehefa miantso vonjy ianareo, dia tsy hisy na iza na iza afaka hamonjy anareo."