Toko faha 40

1 "Hampaherezo, hampaherezo ny vahoakako," hoy ny Andriamanitrareo. 2 "Miresaha mora amin'i Jerosalema; ary hambarao aminy fa efa nitsahatra ny adiny, fa voavela ny helony, fa efa nandray avo roa heny teny an-tanan'i Yaveh izy tamin'ny fahotany rehetra." 3 Nisy feo niantso mafy hoe: "Omano ny lalan'i Yaveh any an'efitra; manaova lalam-be mahitsy any amin'ny tany foana ho an'ny Andriamanintsika." [Fanamarihana: Misy amin'ireo dikan-teny moderina taloha manao hoe "Misy feo niteny mafy any an'efitra ..."] 4 Ny lohasaha rehetra dia hasandratra, ary ny tendrombohitra sy havoana rehetra dia hankarina; ary ny tany mideza ho lembalemba, ary ireo tany saro-dalana ho tonga lemaka; 5 ary ny voninahitr'i Yaveh dia ho ampahafantarina, ary ny vahoaka rehetra hiaraka hahita izany; fa ny vavan'i Yaveh no niteny izany. 6 Nisy feo nanao hoe: "Antsoy." Nisy iray namaly hoe: "Inona no antso tokony ataoko?" "Ny nofo rehetra dia ahitra, ary ny fifaneken'izy ireo dia toy ny voninkazo eny an-tsaha. 7 Maina ny ahitra ary malazo ny voninkazo rehefa mitsoka eo amin'izany ny fofon'ain'Andriamanitra; azo antoka fa ahitra ny olombelona. 8 Maina ny ahitra, malazo ny voninkazo, fa ny tenin'ny Andriamanintsika dia haharitra mandrakizay." 9 Miakara eny amin'ny tendrombohitra avo, ry Ziona, mpitondra vaovao mahafaly. [Fanamarihana: raha toa ka "Miakara eny amin'ny tendrombohitra avo, ry Ziona, mpitondra vaovao mahafaly" dia ireo dika-teny sasany manao hoe "Ianao izay mitondra vaovao mahafaly any Ziona, miakara eny amin'ny tendrombohitra avo] Manandrata feo mafy, ry Jerosalema. Ianao izay mitondra ireo vaovao mahafaly, asandrato ny feonao, aza matahotra. [Raha toa ka "Manandrata feo mafy, ry Jerosalema. Ianao izay mitondra ireo vaovao mahafaly" dia ny dika-teny sasany manao hoe "Torio amin'i Jerosalema ny vaovao mahafaly."] Lazao amin'ireo tanĂ nan'i Joda hoe: "Io no Andriamanintrareo!" 10 Indro, ny Tompo Yaveh tonga toy ny lehilahy mpiady nivoaka mpandresy, ary ny sandriny mahery no hanapaka ho azy. Indro, ny valisoany miaraka aminy, ary ireo izay navotany dia mandeha eo anoloany. 11 Hamahana ny ondry aman'osiny toy ny mpiandry ondry Izy, hanangona ireo ondry eo an-tsandriny Izy, ka hilanja ireo ao am-pony, ary hitarika amin-katsaram-panahy ireo ondry vavy mampinono ireo zanany. 12 Iza no nandrefy ny rano teo am-pelantanany, nandrefy ny lanitra tamin'ny zehin'ny tanany, nihazona ny vovon-tany tanaty harona, nandanja ny tendrombohitra tamin'ireo fandanjana, na ireo havoana tamin'ny mozana? 13 Iza no efa nahatakatra ny eritreritr'i Yaveh, na nanoro lalana Azy toy ny mpanolotsainy? 14 Avy amin'iza no efa nandraisany toro-lalana? Iza no nampianatra Azy ny fomba fanaovana zavatra amin'ny tokony ho izy, ary nampianatra Azy fahalalana, na nampiseho Azy ny fomba fahatakarana? 15 Indro, ireo firenena dia toy ny rano indray mitete anaty siny, ary noraisina toy ny vovoka eo ambonin'ny fandanjana; indro, lanjainy toy teboka bitika ireo nosy. 16 Libanona dia tsy ampy ho dorana, na ireo bibidiany tsy ampy atao fanatitra dorana. 17 Ny firenena rehetra dia tsy feno eo anatrehany; ireo dia noraisiny toy ny tsy misy. 18 Amin'iza izany no hampitahainareo amin'Andriamanitra? 19 Sampy! namolavola izany ny mpanao asa-tanana: ny mpanefy volamena dia nanao takela-bolamena sy nanefy rojo volafotsy ho an'izany. 20 Mba hanaovana fanatitra dia misy iray mifidy hazo tsy mety lo; mitady mpanao asa-tanana mahay izy mba hanao sampy izay tsy mety mirodana. 21 Tsy fantatrareo ve? Tsy mbola henonareo ve? Tsy efa nolazaina taminareo tany am-piandohana ve izany? Tsy efa takatrareo ve izany tamin'ny fanorenana ny tany? 22 Izy ilay tokana mipetraka ambonin'ny habakabaky ny tany; ary ny mponina dia toy ny valala eo anatrehany. Nandrovitra ny lanitra toy ny lamba Izy ary nanaparitaka ireo toy ny lay hipetrahana. 23 Nampihena ireo mpanapaka toy ny tsy misy Izy ary nanao ireo mpanapaky ny tany ho tsy misy dikany. 24 Vao novolena izy ireo, vao nafafy, ny sampan'ireo dia vao namaka tamin'ny tany, rehefa nitsoka teo amin'izy ireo Izy ka nalazo ireo, ary nentin'ny rivotra toy mololo izy ireo. 25 Amin'iza izany no hampitahainao Amiko, iza no mitovy Amiko?" hoy Ilay Masina. 26 Jereo ny lanitra! Iza no namorona ireo kintana rehetra ireo? Mamoaka azy ireo amin'ny filaharany Izy ary miantso azy rehetra amin'ny anarany. Tamin'ny halehiben'ny heriny sy tamin'ny tanjaky ny fahefany, dia tsy nisy iray tsy nipoitra. 27 Nahoana ianao, ry Jakoba, no niteny sy nanambara tamin'Israely hoe: "Ny lalako dia miafina amin'i Yaveh, ary ny Andriamanitro dia tsy voakasiky ny fahamarinako?" 28 Tsy fantatrareo ve? Tsy renareo ve? Ilay Andriamanitra maharitra mandrakizay, Yaveh, ilay namorona ireo vazan-tany, dia tsy vizana na reraka; tsy misy fetrany ny fahalalany. 29 Manome hery ny reraka Izy; ary manome hery vao ho an'izay marary. 30 Na ny tanora aza dia ho lasa vizana sy reraka, ary ireo zatovo dia ho tafintohina ka hianjera: 31 Fa ireo izay miandry an'i Yaveh dia hanavao ny herin'izy ireo; hanidina amin'ny elatra toy ny voromahery izy ireo; hiazakazaka izy ireo ka tsy ho reraka; handeha izy ireo ary tsy ho torana.