Toko faha 39

1 Tamin'izany andro izany Merodaka-baladana zanaka lahin'i Baladana, mpanjakan'i Babylona, dia nandefa taratasy sy fanomezana ho an'i Hezekia; satria reny fa narary i Hezekia ary sitrana. 2 Faly tamin'ireo zavatra ireo i Hezekia; nasehony an'ireo mpitondra hafatra ny trano fitahirizany zavatra sarobidy—ny volafotsy, ny volamena, ireo zava-manitra ary menaka tsara, ny trano fitahirizany an'ireo fitaovam-piadiany, sy izay rehetra hita tao amin'ireo trano fitahirizany. Tsy nisy zavatra tao an-tranony, na tao amin'ny fanjakany rehetra, ka tsy nasehon'i Hezekia azy ireo. 3 Avy eo Isaia mpaminany tonga tany amin'i Hezekia mpanjaka ary nanontany azy hoe: "Inona no lazain'ireo olona ireo aminao? Avy aiza izy ireo?" Hoy Hezekia hoe: "Tonga eto amiko avy any amin'ny firenena lavitr'i Babylona izy ireo." 4 Dia nanontany Isaia hoe: "Inona no hitan'izy ireo tao an-tranonao?" Namaly Hezekia hoe: "Hitan'izy ireo avokoa ny zavatra rehetra tao an-tranoko. Tsy nisy zavatra tamin'ireo zavatro sarobidy ka tsy nasehoko azy ireo." 5 Dia hoy Isaia tamin'i Hezekia hoe: "Henoy ny tenin'i Yaveh tompon'ny maro: 6 'Indro, tonga ny andro izay hitondrana ny zavatra rehetra ao amin'ny lapanao, ireo zavatra izay notahirizin'ireo razambenao mandrak'ankehitriny ho any Babylona. Tsy hisy ho tavela, hoy Yaveh. 7 Ireo zanaka lahy naterakao, izay efa notaizainao—ho alainy izy ireo, ary ho lasa tandapa ao amin'ilay lapan'ny mpanjakan'i Babylona izy ireo.'" 8 Avy eo Hezekia niteny tamin'Isaia hoe: "Tsara ny tenin'i Yaveh izay efa noresahinao." Fa nihevitra izy hoe: "Hisy fiadanana sy fahamarinan-toerana amin'ny androko."