Toko faha 30

1 "Loza ho an'ireo ankizy mpikomy," izany no fanambaran'i Yaveh. "Manao fikasana izy ireo, fa tsy avy amiko; manao fihavanana amin'ny firenena hafa izy ireo, saingy tsy notoroan'ny Fanahiko lalana, koa dia manampy fahotana omban'ny fahotana izy ireo. 2 Mivonona ny hidina ho any Egypta izy ireo, saingy tsy nangataka ny toro-lalako. Mitady fiarovana avy amin'i Farao izy ireo ary mialoka ao amin'ny alok'i Egypta. 3 Noho izany dia ho fahamenaranareo ny fiarovan'i Farao, ary ny fialofana eo amin'ny alok'i Egypta, ho fahafaham-barakanareo, 4 na dia any Zoana aza ny andrian'izy ireo, ary tonga tany Hanesa ireo mpitondra hafany. 5 Ho menatra avokoa izy rehetra nohon'ny amin'ny vahoaka iray izay tsy afa-manampy azy ireo, izay sady tsy fanampiana no tsy famonjena, fa fahamenarana, ary fahafaham-baraka mihitsy aza." 6 Fanambarana momba ireo bibidian'i Negeva: Avy amin'ny tanin'ny fahoriana sy loza, liom-bavy sy lion-dahy, ny menarana sy ny bibilava mirehitra manidina, no hitondran'izy ireo ny hareny eo an-damosin'ny boriky, ary ny rakiny eo amin'ny vohon'ny rameva, ho any amina vahoaka izay tsy afa-manampy azy ireo. 7 Fa tsy misy dikany ny fanampian'i Egypta; noho izany dia nantsoiko hoe Rahaba izy, izay mipetraka tsy mihontsina. 8 Mandehana izao, soraty eo amin'ny fanatrehan'izy ireo amin'ny vato fisaka izany, ary raketo ao amina horonan-taratasy, mba ho voatahiry ho amin'ny andro ho avy ho fijoroana vavolombelona. 9 Fa vahoaka mpikomy ireo, ankizy mpandainga, ankizy izay tsy mba handre ny fampianaran'i Yaveh. 10 Hoy izy ireo amin'ny mpahita hoe: "Aza mahita;" ary amin'ireo mpaminany hoe: "Aza maminany ny marina aminay; milazà teny mandoka aminay, maminania nofinofy. 11 Mihodìna hiala amin'ny lalana, mivilia amin'ny lalana; ataovy mitsahatra miteny eo anatrehan'ny tavanay ilay Iray Masin'Israely." 12 Noho izany dia hoy ny Iray Masin'Israely hoe: "Satria mandà izao teny izao ianareo ary matoky ny fampahoriana sy fitaka ka miantehitra amin'izany, 13 koa izany fahotana izany dia ho tahaka ny singa vaky izay vonona ny hianjera aminao, tahaka ny triatra eo amin'ny rindrina avo izay ho tampoka ny fianjerany, ao anatin'ny fotoana fohy." 14 Ho vakiany tahaka ny fahavakisan'ny lovian'ny mpanefy tanimanga izany; tsy hiaro izany Izy, ka tsy hisy potiny ho hita eo amin'ireo vakiny izay azo hanalana ny afo avy ao am-patana, na handoarana ny rano avy ao amin'ny siniben-drano. 15 Fa izao no lazain'ny Tompo Yaveh, ilay Iray Masin'Israely: "Ho avotra amin'ny fiverenana sy fijanonana ianareo; amin'ny fahanginana sy fatokiana no ho herinareo. Saingy tsy nanam-piniavana ianareo. 16 Hoy ianareo hoe: 'Tsia, fa handositra amin'ny soavaly izahay,' koa dia handositra ianareo; ary, 'Hitaingina soavaly faingam-pandeha izahay,' koa dia ho faingam-pandeha ireo izay manenjika anareo. 17 Arivo no handositra noho ny fampitahoran'ny iray; amin'ny fampitahoran'ny dimy no handosiranareo ambara-pahatongan'ny sisa tavela aminareo ho tahaka ny tahon-jozoro eny an-tampon-tendrombohitra, na tahaka ny zozoro eny amin'ny havoana." 18 Fa mbola miandry ny hamindra fo aminareo Yaveh, noho izany dia vonona ny haneho fiantrana aminareo Izy. Fa Yaveh dia Andriamanitry ny rariny; sambatra ireo izay miandry Azy. 19 Fa hisy vahoaka honina any Ziona, any Jerosalema, ary tsy hitomany intsony ianareo. Hamindra fo amin'ny feon'ny fitarainanareo tokoa Izy. Rehefa reny izany, dia hamaly anareo Izy. 20 Na dia manome anareo ny mofon'ny ady sarotra sy ny ranon'ny fampahoriana aza Yaveh, na dia izany aza, dia tsy hiafina intsony ny mpampianatrareo, fa hahita ny mpampianatrareo amin'ny masonareo mihitsy ianareo. 21 Ny sofinareo handre teny avy aorianareo hanao hoe: "Ity no lalana, amin'ity mandeha," na mivily ho amin'ny ankavanana na mivily ho amin'ny ankavia ianareo. 22 Ho zimbazimbainareo ireo sary voasokitrareo izay norakofana volafotsy sy ireo sary an'idina volamena. Harianareo tahaka ny vorodamban'ny fadimbolana izany. Hiteny amin'ireny ianareo hoe: "Mialà eto." 23 Hanome orana ho an'ny volinareo Izy rehefa mamafy eny amin'ny tany ianareo, ary mofo mitobatobaka avy amin'ny tany, ary ny vokatra dia hitobatobaka. Amin'izany andro izany dia hiraoka eny amin'ny amin'ny ahitra midadasika ireo biby fiompinareo. 24 Ireo omby sy ireo boriky, izay miasa tany, dia hihinana ny voaisy sira izay nokororohina tamin'ny angady sy angady fitrebika. 25 Eny amin'ny tendrombohitra avo rehetra sy ny havoana ambony rehetra, dia hisy lohasahan-driaka hikoriana ary rano mandeha, amin'ny andron'ny famonoana lehibe izay hianjeran'ny tilikambo. 26 Ho tahaka ny fahazavan'ny masoandro ny fahazavan'ny volana, ary ny fahazavan'ny masoandro dia hamiratra impito-heny, tahaka ny tara-masoandron'ny andro fito. Hamehy ny fanorotoroana ny olony Yaveh ary hanasitrana ny ferin'ny nandratrany azy ireo. 27 Indro, ny anaran'i Yaveh dia tonga avy any amin'ny toerana lavitra, mirehitra amin'ny fahatezerany sy setroka matevina. Feno fahavinirana ny molony, ary ny lelany dia tahaka ny afo mandevona. 28 Ny fofonainy dia tahaka ny fikijan'ny riaka izay mahatratra hatrany amin'ny tenda kely, mba hanivana ny firenena amin'ny sivan'ny fandringanana. Ny fofonainy dia hisatra amin'ny valanoranon'ny olona mba hahatonga azy ireo hirenireny. 29 Hanana hira toy ny amin'ny alina hitandremana ny firavoravoana masina ianareo, ary firavoravoam-po, tahaka ny amin'ny fandehanan'ny olona miaraka amin'ny sodina ho eny an-tendrombohitr'i Yaveh, ho eo amin'ny Vatolampin'Israely. 30 Hataon'i Yaveh re ny fampirapiratan'ny feony ary hasehony ny fiofaofan'ny sandriny amin'ny fahatezerana mirehitra sy lelafo, amin'ny tafio-drivotra, oram-baratra, ary havandra. 31 Fa amin'ny feon'i Yaveh, dia hianjera i Asyria; hamely azy ireo amin'ny tehina Izy. 32 Ny kapoka rehetra amin'ilay tsora-kazo voatendry izay hapetrak'i Yaveh amin'izy ireo dia hiarahan'ny feon'aponga tapaka sy valiha eo am-pitolomany sy hiadiany amin'izy ireo. 33 Fa misy toerana fandorana voaomana hatry ny ela. Eny tokoa, voaomana ho an'ny mpanjaka izany, ary nataon'Andriamanitra lalina sady malalaka. Efa vonona amin'ny afo sy kitay be dia be ny antontany. Ny fofonain'i Yaveh, tahaka ny fandriaky ny solifara, dia handrehitra izany.