Toko faha 29

1 Lozan'i Ariela, Ariela, ilay tanàna nitobian'i Davida! Ampio taona ny taona; aoka hitsingeringerina ny andro firavoravoana. 2 Fa hanao fahirano an'i Ariela Aho, ka hisaona sy hitomany izy; ary ho tahaka an'i Ariela izy Amiko. 3 Hitoby manodidina anao Aho sy hametraka fahirano hanemitra anao, ary hanangana manda hanohitra anao Aho. 4 Haetry ianao ka hiteny eny amin'ny tany; ho ambany avy eny amin'ny vovoka ny teninao. Ho tahaka ny angatra mivoaka ao amin'ny tany ny feonao, ary ny teninao dia halefaka tokoa avy ao amin'ny vovoka. 5 Ireo andian-jiolahy mpanafika anao dia ho tahaka ny vovoka madinika, ary maro amin'ireo izay masiaka no ho tahaka ny akofa izay levona. Hiseho tampoka izany, ao anatin'ny fotoana fohy. 6 Ho avy ao aminao miaraka amin'ny kotrok'orana, horohoron-tany, tabatabata be, miaraka amin'ny rivo-mahery sy tafio-drivotra, ary lelan'afo mandevona i Yaveh. 7 Ho tahaka ny nofy, fahitana amin'ny alina izany: Ny andian-jiolahin'ny firenena rehetra hiady hanohitra an'i Ariela sy ny fiarovana mafiny. Hanafika azy izy ireo ary ny fanamafisany hanery azy. 8 Ho tahaka ny lehilahy noana izay manonofy mihinana, kanefa rehefa mifoha izy dia foana ny kibony. Ho tahaka ny olona mangetaheta izay manonofy misotro, kanefa rehefa mifoha izy dia reraka, sady tsy afaka hetaheta. Eny, ho toy izany ny firenena lehibe maro izay miady hanohitra ny Tendrombohitra Ziona. 9 Ataovy talanjona ny tenanareo ka aoka ho talanjona; tampeno ny masonareo ka aoka ho jamba! Aoka ho mamo, kanefa tsy amin'ny divay; aoka hivembena, kanefa tsy amin'ny toaka. 10 Fa i Yaveh efa nandraraka ny fanahin'ny torimaso lalina tao aminareo. Efa nanirina ny masonareo Izy, ry mpaminany, ary efa nanarona ny lohanareo, ry mpahita. 11 Ireo fanambarana rehetra taminareo dia efa tahaka ny soratra ao amin'ny boky izay voatombo-kase, izay mety homen'ny olona ilay iray izay nampianarina, ka hatao hoe: "Vakio ity." Izy koa dia manao hoe: "Tsy azoko atao, satria voatombo-kase ity." 12 Raha omena ny iray izay tsy mahay mamaky ilay boky, ka hatao hoe: "Vakio ity," dia izy hanao hoe: "Tsy mahay mamaky aho." 13 Ny Tompo nanao hoe: "Manatona Ahy amin'ny vavany ireo vahoaka ireo ary mankalaza ahy amin'ny molotr'izy ireo, kanefa lavitra Ahy ny fon'izy ireo. Ny fankalazan'izy ireo Ahy dia didin'ireo olona izay nampianarina ihany. 14 Noho izany, indro, hivoaka hanao zava-mahagaga eo amin'ireo vahoaka ireo Aho, fahagagana arahina fahagagana. Ho foana ny fahendren'ny olon-kendrin'izy ireo, ary hanjavona ny fahazavan-tsain'ny olo-malin'izy ireo." 15 Lozan'ireo izay manafina lalina ny fikasany amin'i Yaveh, sy ireo izay miasa ao anaty haizina. Hoy izy ireo hoe: "Iza moa no mahita anay, ary iza no mahalala anay?" 16 Mampitsimbadi-javatra ianareo! Tokony heverina ho tanimanga ve ny mpanao tavy, mba hahafahan'ireo zavatra izay namboarina miteny mahakasika azy izay nanamboatra izany hoe: "Tsy nanao ahy izy," na ny zavatra novolavolaina hiteny momba ny namolavola azy hoe: "Tsy mahay izy"? 17 Vetivety monja, dia ho tonga saha i Libanona ary ny saha ho ala. 18 Amin'izany andro izany dia handre ny tenin'ny boky ny marenina, ary ny mason'ny jamba dia hahita ao amin'ny haizim-pito. 19 Ny ory dia hiravo ao amin'i Yaveh indray, ary ny mahantra eo amin'ireo olona dia hiravo ao amin'ilay Iray Masin'ny Israely. 20 Fa ireo masiaka dia hitsahatra, ary ny mpaniratsira dia hanjavona. Ireo rehetra izay tia manao ratsy dia hofoanana, 21 amin'ny sabatra no hanalana ny olona amin'ny mpanao ratsy. Mametraka fandrika ho azy izay mikatsaka ny rariny eo am-bavahady sy mametraka ny marina eo amin'ny lainga foana izy ireo. 22 Noho izany dia izao no lazain'i Yaveh mahakasika ny ankohonan'i Jakoba_Yaveh, izay nanavotra an'i Abrahama: "Tsy ho menatra intsony i Jakoba, na hivaloarika ny tavany. 23 Kanefa rehefa mahita ny zanany izy, izay asan'ny tanako, dia hanamasina ny anarako izy ireo. Hanamasina ny anaran'ilay Iray Masin'i Jakoba izy ireo ary hijoro amin-tahotra an'Andriamanitr'i Israely. 24 Ireo izay mivily fanahy dia mbola hahazo fahazavan-tsaina, ary ireo mpitaraina dia hahazo fahalalana."