Toko 1

1 Ny fahitàn'i Isaia zanak'i Amosa, izay hitany nahakasika an'i Joda sy Jerosalema, tamin'ny andron'i Ozia, Jotama, Ahaza, ary i Hezekia, mpanjakan'i Joda. 2 Mihainoa, ry lanitra, ary manongilàna sofina, ry tany; fa efa niteny Yaveh hoe: "Efa namahana sy nitaiza ny ankizy Aho, nefa nikomy Tamiko izy ireo. 3 Ny omby mahalala ny tompony, ary ny boriky mahafantatra ny tavy famahanan'ny tompony azy, kanefa tsy fantatry ny Israely, tsy takatry ny Israely. 4 Loza! Ry firenena, mpanota, vahoaka mavesa-keloka, taranaka mpanao ratsy, zanaka lahy mpanao meloka! Efa nahafoy an'i Yaveh izy ireo, efa nanao tsinontsinona an'ilay Iray Masin'Israely izy ireo, efa nampihemotra ny tenan'izy ireo taminy izy ireo. 5 Nahoana ianareo no mbola voakapoka? Nahoana ianareo no mikomy hatrany hatrany? Marary ny loha manontolo, torovana tanteraka ny fo. 6 Tsy misy faritra tsy maratra hatramin'ny faladia ka hatrany amin'ny loha; fery , sy mangana ary ratra vao ihany; mbola tsy voakatona, voadio, na nofehezina, na notsaboina tamin'ny diloilo akory ireny. 7 Rava ny firenenareo; may ireo tanànanareo; ireo sahanareo_ eo amin'ny fanatrehanareo, no hamotehan'ny olona hafa firenena ireo_ foana sy rava, naringanan'ireo olona hafa firenena. 8 Ny zanaka vavin'i Ziona dia navela tahaka ny trano bongo eny an-tanim-boaloboka, tahaka ny fandriana eny amin'ny sahana kaokaombira, toy ny tanàna natao fahirano. 9 Raha tsy namela sisa kely tamintsika i Yaveh Tompon'ny maro, efa tahaka an'i sodoma isika tahaka izay, efa nitovy tamin'i Gomora isika tahaka izay. 10 Mandrenesa ny tenin'i Yaveh, ianareo ry mpanapak'i Sodoma; mihainoa ny lalàn'Andriamanitsika, ianareo ry vahoakan'i Gomora hoe: 11 "Inona izay fahamaroan'ny soronareo ho Ahy?" hoy Yaveh. "Efa tofoky ny ondrilahy atao fanatitra dorana Aho, sy ny jaboran'ny biby mifahy; ka tsy sitrako ny ran'ny ombilahy, zanak'ondry, na osy. 12 Rehefa tonga hiseho eto anatrehako ianareo, iza no nangataka izany taminareo, mba hanitsaka ny kianjako? 13 Aza mitondra fanati-poana intsony; fahavetavetana ny ditin-kazo manitra amiko, ny volana vaovao sy ny Sabata fiangonana_ tsy afaka ny hilefitra amin'ireny fiangonan-dratsy ireny Aho. 14 Halako ireo volana vaovaonareo sy ireo firavoravoana voatondronareo, enta-mavesatra ho Ahy ireny; ketraka amin'ny fiharetana ireny Aho. 15 Koa dia rehefa mamelatra ny tananareo amin'ny vavaka ianareo, dia manafina ny masoko tsy ho aminareo Aho; na dia manolotra vavaka maro aza ianareo, dia tsy hihaino Aho; feno rà ny tananareo. 16 Sasao, diovy ny tenanareo; esory tsy ho eo imasoko ny faharatsin'ireo asanareo; mitshara amin'ny faharatsiana; 17 mianara manao ny tsara; mitadiava ny rariny, ahitsio ny fampahoriana, [Fanamarihana: Raha toa ka "ahitsio ny fampahoriana" ireo dikan-teny sasany manao hoe "ampio ny nampahoriana".] manomeza rariny ho an'ireo kamboty, arovy ny mananon-tena. 18 "Avia ary, andeha isika hiara-hifampidinika," hoy Yaveh; "Na dia tahaka ny jaky ary ny fahotànareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala ireny, na dia mena tahaka ny sily aza ireny, dia ho tahaka ny volon'ondry fotsy. 19 Raha manaiky sy mankatò ianareo, dia hihinana ny soa avy amin'ny tany, 20 fa raha mandà sy mikomy ianareo, dia ho levonin'ny sabatra," fa ny vavan'i Yaveh no miteny izany. 21 Indrisy, tonga janga ilay tanàna mahatoky! Izy izay feno rariny_ izy izay feno fahamarinana, fa ankehitriny kosa izy feno mpamono olona. 22 Niova ho tain-drendrika ny volafotsinareo, miharo rano ny divainareo. 23 Ireo andrianareo dia mpikomy ary sakaizan'ny mpandroba; tia kolikoly avokoa ny rehetra ary fatra-pitady tombony. Tsy miaro ny kamboty izy ireo, na ny fitarainana ara-dalàn'ny mananon-tena izay tonga eo anatrehan'izy ireo. 24 Noho izany dia izao no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro, ilay Maherin'Israely hoe: "Loza ho azy ireo! Hanao valifaty ho an'ireo mpifanandrina amiko Aho, ary hamalifaty ireo fahavaloko Aho; 25 hamerina ny tanako aminareo Aho, hanadio ny tain-drendrikareo tahaka ny amin'ny karbonetra Aho, ary hanala ny tain-drendrika rehetra aminareo. 26 Hamerina amin'ny laoniny ireo mpitsaranareo toy ny tamin'ny voalohany Aho, ary ireo mpanolo-tsainareo toy ny tamin'ny vao niandoha; aorian'izany ianareo dia ho antsoina hoe tanànan'ny fahamarinana, tanàna mahatoky. 27 Ho voavonjy amin'ny rariny i Ziona, ary ireo mpibebany amin'ny fahamarinana. 28 Hiaraka ho torotoro ny mpikomy sy ny mpanota, ary ireo izay nahafoy an'i Yaveh dia ho vita ny aminy. 29 "Fa ho afa-baraka ianareo amin'ireo hazo terebintana masina izay nirianareo fatratra, ary ho menatra ianareo amin'ireo saha izay efa nofidianareo. 30 Fa ho tahaka ny hazo terebinta iray izay mihintsan-dravina ianareo, ary toy ny saha izay tsy misy rano. 31 Ny lehilahy mahery dia ho tahaka ny vohavoha, ary ny asany tahaka ny pitik'afo; hiara-may izy roa ireo, ary tsy misy hamono ny afon'izy ireo.