Toko faha 2

1 Ireo zavatra hitan'i Isaia zanak'i Amoza tao anaty, mahakasika an'i Joda sy Jerosalema. 2 Amin'ny andro farany no hanorenana tendrombohitrin'ny tranon'i Yaveh ho tendrombohitra avo indrindra, ary hitsangana eo ambonin'ny havona, ary ireo firenena rehetra hikoriana amin'izany. 3 Olona maro no ho tonga sy hilaza hoe: ''Avia, andrha isika hiakatra eny an-tendrombohitr'i Yaveh, any an-tranon'i Andriamanitr'i Jakoba, mba hahafahany mampianatra ny sasany amin'ireo lalany amintsika, ary mba handehanntsika amin'ny lalany.'' Fa ny lalàna dia hivoaka avy ao Ziona, ary ny tenin'i Yaveh avy any Jerosalema. 4 Hitsara eo amin'ireo firenena Izy ary hanome fanapahan-kevitra ho an'ireo olona maro be; hanorotoro ny sabany izy ireo ho lelan'angady, ary ny lefon'izy ireo ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanandratra ny sabany hanohitra firenena, na hiofana ho amin'ny ady. 5 Ry ankohonan'i Jakoba, avia, ary aoka isika handeha amin'ny fahazavan'i Yaveh. 6 Fa efa nandao ny olonareo ianareo, ry ankohonan'i Jakoba, satria fenon'ny fomban'ny antsinanana izy ireo sy mpamaky fambara toy ireo Filistina, ary nifandray tanana tamin'ny zanaky ny vahiny izy ireo. 7 Feno volafotsy sy volamena ny tanin'izy ireo, ary tsy misy fetrany ny hareny; feno soavaly ihany koa ny tanin'izy ireo, ary tsy misy fetrany ny kalesiny. 8 Feno sampy ihany koa ny tanin'izy ireo; manompo ny asan'ny tanany ihany, zavatra izay nataon'ny ratsan-tanany ihany izy ireo . 9 Hiankohoka ny vahoaka, ary ny olona hianjera; noho izany aza manangana azy ireo. 10 Mandehana any amin'ny toerana feno vato ary miafena amin'ny tany amin'ny horohoron'i Yaveh sy amin'ny voninahitry ny fiandrianany. 11 Ny fiandrandran'ny mason'ny olona dia hahetry, ary ireo olona mireharehareha dia hahidina, ary Yaveh irery ihany no hasandratra amin'izany andro izany. 12 Fa hisy ny andron'i Yaveh tompon'ny maro hanohitra ny olona rehetra izay mirehareha sy misandratra, ary manohitra ny olona rehetra izay miavonavona—ary hahetry izy— 13 ary manohitra ireo sederan'ny Libanona rehetra izay ambony sy nasandratra, ary manohitra ireo hazo terebintan'i Basana rehetra. 14 Fa hanohitra ireo tendrombohitra avo rehetra izany andron'i Yaveh tompon'ny maro izany, sy hanohitra ireo havoana rehetra izay efa nasandratra, 16 ary manohitra ireo tilikambo avo, sy manohitra ireo manda tsy mety rava, 15 ary manohitra ireo sambon'ny Tarsisy rehetra, sy manohitra ireo sambo tsara tarehy rehetra. 17 n Ny fireharehan'ny olona dia hahetry, ary ny havonavon'ny olona dia ho hianjera; Yaveh irery ihany no hasandratra amin'izany andro izany. 18 Ho levona tanteraka ireo sampy rehetra. 19 Handeha anaty lava-bato ireo olona ary ao anaty lavakin'ny tany, noho ny horohoron'i Yaveh, sy noho ny voninahitrin'ny fiandrianany, rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy. 20 Hanipy ireo sampy volafotsy sy volamena ny olona amin'izany andro izany izay nataon'izy ireo ho tompoina—hanipy ireo any amin'ny voalavo sy ramanavy izy ireo. 21 Handeha anaty lavaka eo amin'ny vato ny vahoaka ary an-tsefatsefakin'ny harambato, noho ny horohoron'i Yaveh sy noho ny voninahitrin'ny fiandrianana, rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy. 22 Atsaharo ny fahatokiana ny olona, izay eo amin'ny vavorony ny fofon'ainy, fa inona no hanampian'izany?