1

1 Tany am-boalohany, Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. 2 Tsy nisy endriny ary foana ny tany. Nandrakotra ny rano lalina ny fahamaizinana. Ary nivezivezy teo ambonin'ny rano ny Fanahin' Andriamanitra. 3 Hoy Andriamanitra hoe: "Aoka hisy mazava," dia nisy ny mazava. 4 Hitan'Andriamanitra ny fahazavana, ary hitany fa tsara izany. Nampisaraka ny hazavana tamin'ny aizina Izy. 5 Andriamanitra niantso ny mazava hoe: "andro," ary niantso ny maizina hoe: "alina." Dia nisy hariva sy maraina izany, ny andro voalohany. 6 Hoy Andriamanitra hoe: "Aoka hisy habakabaka eo anelanelan'ny rano, ary aoka izany hanasaraka ny rano amin'ny rano." 7 Andriamanitra nanao ny habakabaka sy nanasaraka ny rano izay tao ambanin'ilay habakabaka tamin'ny rano izay teo ambonin'ilay habakabaka. Dia nisy izany. 8 Ary nantsoin'Andriamanitra hoe: "lanitra" ilay habakabaka. Dia nisy hariva sy maraina izany, ny andro faharoa. 9 Hoy Andriamanitra hoe: "Aoka ny rano ambanin'ny lanitra hiangona amin'ny toerana iray, ary aoka hiseho ny tany maina." Dia natao izany. 10 Nantsoin'Andriamanitra hoe: "tany" ny tany maina, ary ny rano miangona nataony hoe: "ranomasina." Hitany fa tsara izany. 11 Hoy Andriamanitra hoe: "Aoka ny tany hitsimoka zava-maitso: zava-maniry mamoa voa ary hazo hamokatra vokatra izay misy ny voa ao aminy, araka ny karazany avy." Dia nisy izany. 12 Namokatra zava-maitso ny tany, ny zava-maniry mamoa voa araka ny karazany avy, ary ny hazo mamokatra voankazo izay ao aminy ny voany, araka ny karazany avy. Dia hitan'Andriamanitra fa tsara izany. 13 Dia nisy hariva sy maraina izany, ny andro fahatelo. 14 Hoy Andriamanitra hoe: "Aoka hisy ny mazava eo amin'ny lanitra mba hanasaraka ny andro amin'ny alina ary aoka ireo ho toy ny famantarana, ho an'ny vanim-potoana, sy ho an'ireo andro ary ireo taona. 15 Aoka ireo ho mazava eo amin'ny lanitra mba hanome hazavana eny amin'ny tany." Dia nisy izany. 16 Andriamanitra nanao ireo hazavana roa lehibe, ilay hazavana lehibe kokoa mba hanamarika ny andro, ary ny hazavana kelikely kokoa mba hanamarika ny alina. Nanao ny kintana ihany koa Izy. 17 Nandefa izany teny amin'ny lanitra Andriamanitra mba hanome hazavana ny tany, 18 mba hanapaka ny andro sy ny alina, ary mba hanasaraka ny hazavana amin'ny aizina. Hitan'Andriamanitra fa tsara izany. 19 Dia nisy hariva sy maraina izany, ny andro faha-efatra. 20 Hoy Andriamanitra hoe: "Aoka ho feno zava-manan'aina maro an'isa ny rano, ary aoka ny vorona hanidina ambonin'ny tany eny amin'ny habakabaky ny lanitra." 21 Andriamanitra namorona ireo bibin-dranomasina vaventy, ary koa ireo karazan-java-manan'aina rehetra, ireo zava-manan'aina mihetsika sy izay mameno ny rano eny rehetra eny, ary ireo karazana voro-manan'elatra rehetra. Hitan'Andriamanitra fa tsara izany. 22 Nitso-drano azy ireo Andriamanitra, nanao hoe: "Miteraha maro ary mihamaroa, ka mamenoa ny rano ao amin'ny ranomasina. Aoka hihamaro eny ambonin'ny tany ireo vorona." 23 Dia nisy hariva sy maraina izany, ny andro fahadimy. 24 Hoy Andriamanitra hoe: "Aoka ny tany hamokatra zava-manan'aina, araka ny karazany avy, ireo biby fiompy, zava-mandady, sy bibi-dian'ny tany, araka ny karazany avy." Dia nisy izany. 25 Nataon'Andriamanitra araka ny karazany avy ireo bibi-dian'ny tany, ireo biby fiompy araka ny karazany avy, ary ireo zavatra rehetra izay mikisaka amin'ny tany araka ny karazany avy. Hitany fa tsara izany. 26 Hoy Andriamanitra hoe: "Andeha isika hamorona olona amin'ny endritsika, tahaka antsika. Aoka izy ireo hanjaka eo amin'ireo hazan-dranomasina, eo amin'ireo voron'ny lanitra, eo amin'ireo biby fiompy, manerana ny tany rehetra, ary eo amin'ireo zavatra mikisaka rehetra izay mandady eny ambonin'ny tany." 1 27 Andriamanitra namorona ny olona araka ny endriny. Tamin'ny endriny manokana no namoronany azy. Lahy sy vavy no namoronany azy ireo. 28 Nitso-drano azy ireo Andriamanitra ka nilaza tamin'izy ireo hoe: "Miteraha maro, ary mihamaroa. Mamenoa ny tany, ary hanjakao izany. Manàna fanjakana eo amin'ireo hazan-dranomasina, eo amin'ireo voron'ny habakabaka, ary eo amin'ireo zava-manan'aina rehetra izay mihetsika eny ambonin'ny tany." 29 Hoy Andriamanitra hoe: "Indro, efa nomeko anareo ny zava-maitso rehetra mamoa voa izay eto ambonin'ny tany rehetra, ary ny hazo rehetra izay mamokatra voa ao aminy. Ho fihinanareo ireny. 30 Ho an'ny bibi-dian'ny tany, ho an'ireo voron'ny habakabaka, sy ho an'ireo zavatra rehetra izay mikisaka amin'ny tany, ary ho an'ireo zava-manan'aina izay manana fofon'aina eto an-tany no nanomezako ny zava-maitso rehetra ho fihinana." Dia nisy izany. 31 Hitan'Andriamanitra ireo zava-drehetra izay nataony. Indro, tena tsara izany. Dia nisy hariva sy maraina izany, ny andro faha-enina.


1Fanamarihana: ireo dikan-teny sasany taloha manao hoe: "Eo amin'ireo biby fiompy, eo amin'ireo bibin'ny tany rehetra, ary eo amin'ireo zavatra mikisaka rehetra izay mandady eny ambonin'ny tany."