Toko faha 10
1
2
3
Oa rahalahy, ny tian'ny fô nahy sy ny angahoky amin-jagnahary hoan-jareo, dia fagnavotagna zareo. Fa mitsangagna tomoa mikasika zareo zaho, fa mafana fô ho an'ny zagnahary zareo, naifa tsy araka ny fahaizany. Fa tsy mahay ny fahamarignan-jagnahary regny, aveo mikasa hagnambaila fahamarignan-jareo manôkagna. Tsy magneky ny fahamarinan-jagnahary zareo regny.
4
Fa Kristy no fahantantirahan'ny lalàgna ho fahamarignagna ho an'ny lehy mankantô jiaby.
5
Fa Mosesy nanôratra mikasikan'ny fahamarignagna lehy avy amin'ny lalàgna hoe: "Ny ôlogno lehyb magnano ny fahamarignan'ny lalàgna dia hiaigny amin-jany fahamarignagna zany."
6
Fa ny fahamarignagna lehy avy amin'ny finoagna dia mivôlagna: "Aza mivôlgns zao am-pô hoe: 'Zôvy no hiakatra agny andagnitry?' (Zany dia, mampirôrogno Kristy);
7
avakeo aza mivôlagna hoe: 'Zôvy no hirôrogno agny amin'ny laligny?''' (Zany dia, mampiakatra an'i Kristy amin'ny maty).
8
Fa ino no volagniny zany? "Eo marikitry anao ny teny, akao am-bavanao avakeo akao am-pônao."zany no tenin'ny finoagna, lehy volagninay.
9
Fa raha amin'ny vavanao no agnikiahanao an'ny Jesôsy ho Tômpo, avakeo magneky akao amin'ny fônao fa natsangan-jagnahary tamin'ny maty Izy, dia havôtagna anao.
10
Fa amin'ny fô no agnikiahan'ôlogno ny fahamarignagna, avakeo amin'ny vava no agnikiahagna ny fagnavôtagna.
11
Fa tô raha volagniny soratra masigny: "Tsy ho maignatra lehy mankatô Azy jiaby."
12
Fa tsisy fahasamihafagna akeo amin'ny Jiosy sindraiky Grika. Fa Tômpo araiky fogna no Tompon'ny jiaby, ary hariagnam-pasoavagna ho an'ny lehy magnantso Azy izy.
13
Fa lehy jiaby magnantso ny agnaran'ny Tômpo no havôtagna.
14
Akôry ary no ahafahan-jareo magnantso Azy lehy tsy nikehiny? Akôry no ahafahan-jareo magneky Azy lehy tsy regnin-jareo? Akôry no ahafahan-jareo mitandregny raha tsisy mpagnambara, raha tsisy mpagniraka?
15
Araka lehy voasôratra hoe: "Zahavo ny hatsaran'ny tongotro reo mivôlagna reo raha tsaran'ny vaovao maharavoravo!"
16
Kanaifa tsy izy jiaby no nitandregny ny vaovao maharavoravo. Fa nivôlagna Isaia hoe: "Tômpo, zôvy no nankatô ny hafatray?"
17
Noho zany ny finoagna dia avy amin'ny fitandrignaisagna, ary ny fitandrignaisagna avy amin'ny tenin'i Kristy.
18
Fa nivôlagna zaho hoe: "Kay tsisy nitandregny moa zareo?" Ia, taigna marigny. "Ny feon-jareo dia afa niboaka magnairan-tany, avakeo ny tenin-jareo bariky amin'ny farany tany tô.”
19
Ankoatrany zay, nivôlagna zaho hoe: "Kay tsy nahaymoa Israely?" Tamin'ny voanaloahany Mosesy nagnambara hoe: "Hatako sarôtony amin'ny lehy tsy firenena akory areo." Amin'ny firenena lehy tsisy fahaizagna, hatako homby amin'ny fahavigniragna areo.
20
Ary akeo bahery mahasaiky tatô Isaia izy koa fa nivôlagna hoe: "Hitany reo lehy tsy nizaha zaho zaha."
21
Fa nivôlagna izy tamin'Israely hoe: "Tontolon'ny no namavarako tagnako tamin'ôlogno tsy mankatô ndraiky maditry."