Toko 1

1 Paoly, voagadra an'i Jesôsy Kristy, ndraiky rahalahy Timoty ho an'i Filemona, namagna tianay aveo mpiara-miasa aminay, 2 avakeo ho an'i Apia anabavinay, ndraiky Arkipa miaramila namanay, ary ho an'i fiangonagna zay mivôry ao antragnonao. 3 Ho aminareo tatô fahasoavagna ndraiky fiadanagna avy amin-Jagnahary Babantsika ndraiky Jesôsy Kristy Tômpo. 4 Misaotra Zagnahary lalandava zaho. 5 Mivaolagna anao zaho amin'ny fivavahako. Afa naharegny ny amin'ny fitiavagna ndraiky finoagna zay anagnanao ao amin'i Jesôsy Tômpo, avakeo ho an'ireo mpino jiaby zaho. 6 Mivavaka zaho mbô hahatonga fiombonagna amin'ny finoagna hahômby amin'ny fahalalagna ny raha tsara jiaby zay eo amintsika ao amin'i Kristy. 7 Fao nanagna haravoagna ndraiky fiononagna gaida zaho nohon'ny fitiavanao, satria ny fôn'ireo mpino dia nivelombelômigny tamin'ny alalanao, ry rahalahy. 8 Noho zany, na dia managna fahasakiagna jiaby ao amin'i Kristy aby zaho handidy anao mbô hagnano zay tôkony hitsabonao, 9 naifa nohony fitiavagna, dia magnantso anao faogna zaho— zaho, Paoly, lalahy antitry, ary avaizo gadra ho an'i Jesôsy Kristy. 10 Mangataka anao zaho ny amin'ny zanako Onesimosy, zay natairako tamin'ny fatorako. 11 Fao izy dia tsy nahatsara anao teo alaohaka, fa avaizo dia mahatsara anao ndraiky zaho. 12 Nalaifako nipôdy ho agny aminao izy, izy lehy taigna tiako mandilatra. 13 Magniry ny hitagna azy miaraka aminaha zaho, mbô hahafahany manompo zaho ho anao, raha mbôla voafatotra nohon'ny vaovao maharavo zaho. 14 Naifa tsy te hagnano na ino na ino raha tsisy ny fagnikaihanao zaho. Tsy tiako ho an-katiriagna ny asa tsara tsabonao fao atsitra-pô. 15 Angamba noho zany no nisarahany taminao nanditra ny fotoagna fohy, mbô hanagnanao azy bariky dintany. 16 Tsy ho andevo eky izy, fao tsara mihotra noho ny andevo, dia rahalahy tiagna. Izy no tiagna tiagna aminaha, avakeo mandilatra lavitry ho anao, ao amin'ny nôfotro na ao amin'ny Tompo. 17 Koa raha managna zaho ho mpira-miasa anao, dia raiso hotry zaho izy. 18 Raha magnano ny tsy mety izy na mitraosa na ino na ino aminao, dia atôvo ho zaho izany. Zaho, Paoly, manaoratra zao amin'ny tagnako: 19 Zaho no hagnaifa aminao. Tsy mivaolagna aminao hoe mitraosa ny haigninao aminaha anao. 20 Ia, ry rahalahy, atôvy mahazo tômbony ao amin'ny Tômpo zaho; amiazo fitsaharagna ny fô-naha ao amin'i Kristy. 21 Ny toky mahakasiky ny fankatoavanao, no soroatako ho anao. Hainao fao hagnano mihoatra noho zay hangatahiko anao. 22 Mandritra zany fotoagna zany faogna, amboaro ho anaha ny tragno fandraisam-bahiny, fa magnantaigna zaho fao amin'ny alalan'ny vavakao dia hampôdy aminao ndraiky zaho. 23 Epafra, namako mpiara-migadra ao amin'i Jesôsy kristy, magnano veloma anao. 24 Karaha zany koa Marka, Aristarko, Demasy, avakeo Lioka, mpiara-miasa aminaha. 25 Ho amin'ny fagnahinareo tatô ny fahatsaran'i Jesôsy Kristy Tômpontsika. Amena.