Toko Faha 9

1 Fao Saoly, dia mbôla nivaolagna fandrahaonagna faogna egny fao na zisiky amin'ny famonoagna manohitry reo mpiantra ny Tompo aby, nandaiha tagny amin'ny mpisôrogno be 2 ary nagnontany zareo taratasy hoan'ny reo Synagoga tao Damaskosy, kay raha mahita na zôvy na zôvy amin'ny lalagna nazy izy, na lalahy na vaiavy, dia ndesigny hitadiagna akagny Jerosalema zareo. 5 Saoly namaly nagnanjao: "Zôvy anao, Tompo?" Hoizy Tompo: "Zaho no Jesôsy zay injehinao, 6 fao mitsangàna, midira ao amin'ny tanàgna, aveo ho volagniky aminao zay tsy maintsy hitsabonao." 7 Ny lalahy zay niara-dià tamin'i Saoly dia nitsangagna tsy nahavaolagna, naharegny feo fao tsy nahita na zôvy na zôvy. 8 Nitsangagna avy tamin'ny tany Saoly, aveo koafa nanaokatra masony izy, dia tsy afaka nahita na ino na ino izy, kay nindesin-jareo tamin'ny tagnany izy aveo nindesigny tagny Damaskosy. 9 Tsy nahita izy nandritry ny telo andro, ary tsy nihinagna izy sady tsy nigiaka. 17 Kay lôsogno Ananiasy, ary niditry tao amin'ny tragno. Namaitraka ny tagnany teo aminazy, dia nivaolagna izy: "Rahalahy Saoly, ny Tompo Jesôsy, zay niboaka taminao tegny an-dalagna koafa nandaiha tatoy anao, no nandaifa zaho tatoy mbô mety hahitavanao ary ho feno ny Fagnahy Masigny.'' 18 Samby teo dia raha tôrotro ny sisin-dako no nihaindaka samby teo amin'ny mason'i Saoly, aveo nahita izy; nitsangagna izy ary nitsabogny Batisa; 19 ary nihinagna izy kay nahazo angôvo. Nibidôko niaraka tamin'ny reo mpianatra tao Damaskosy nandritry ny andro maro izy. 20 Samby teo dia nagnambara Jesôsy tao amin'ny Synagoga izy, nivaolagna fao Izy no Zanaka Zagnahary. 21 Zay jiaby naharegny azy dia gaga ary nivaolagna nagnanjao: "Tsy io ôlogno io moa namono reo tagny Jerosalema zay nagnantso tamin'io agnaragna io? Tonga teto izy mbô halaka zareo ho tadiagna hoagny amin'ny mpisôrogno be." 22 Fao nanjary nahay nahery i Saoly, aveo nampijaly jiosy zay nipaitraka tao Damaskosy kay nagnaprofo fao Jesôsy no Kristy. 23 Tafaran'ny andro maromaro, niara-nitsabo tetiky mbô hamono azy reo Jiosy. 24 Fao nanjary hain'i Saoly ny tetiky zareo. Ary niambigny tamiagna andro aman'aligny mbô hamono azy zareo. 25 Fao nangala azy tamin'ny aligny reo mpianany aveo nagnambaila azy hijôtso tamin'ny rimba, nampijôtso azy tao agnaty harogno. 26 Koafa homby teo Jerosalema izy dia nagnandragna ny hagnatogno reo mpianatra i Saoly, naifa natahotro azy jiaby reo, tsy nino fao mpianatra izy. 27 Fao nalaka azy Barnabasy aveo ninday azy teo amin'ny reo apostoly, aveo nivaolagna tamin'ny reo izy hoe akôry no nahitavan'i Saoly ny Tompo tegny an-dàlagna ndraiky nivolagnan'ny Tompo taminazy, aveo akôry no nitorian'i Saoly am-pahasakiagna tamin'ny agnaran'i Jesôsy tao Damaskosy. 28 Nitratro taminjareo izy koafa niditry aveo niboaka Jerosalema. Nivaolagna am-pahasakiagna tamin'ny agnaran'i Jesôsy Tompo izy 29 ary niady hevitry niaraka tamin'ny reo Jiosy Grika; naifa mbôla niaizaka ny hamono azy faogna zareo. 30 Koafa hain'ny reo rahalahy zany, dia nindesinjareo nijôtso tagny Kaisaria izy aveo nalaifany hoagny Tarsosy izy. 33 Nahita ôlogno antsôvigny hoe Aenasy tao izy, zay afa teo am-pandriagnany nandritry ny valo tagno, satria nalemy izy. 34 Petera nivaolagna taminazy nagnanjao: "Aenasy, mapahivagna anao Jesôsy Kristy. Mitsangàna aveo amboaro ny fandriagnanao,'' ary niaraka tamin'ny zay dia nitsangagna izy. 35 Fao zay jiaby nibidôko tao Lyda ndraiky Sarona dia nahita ny lalahy kay nitodiky tamin'ny Tompo zareo. 36 Aveo nisy mpianatra araiky atnsôvigny tabita tao Jopa, zay adika: "Dorkasy." Nagnano asa tsara maro vaiavy io ary nagnano fagnampiagna feno asa fiantragna zay nitsabony hoan'ny mijaly. 37 Tamin'ny reo andro reo narary izy aveo maty; koafa nagnasa azy zareo, dia napaitraka zareo tao amin'ny efitragno agnambo izy. 38 Satria afa narikitry Lydia i Jopa, avakeo naharegny reo mpianatra fa tao Petera, dia nandaifa ôlogno aroa tagny aminjareo, niangavigny azy: "Tongava moa akagny aminay tsisy hatak'andro." 39 Nitsangagna Petera ary nandaiha niaraka taminjareo. Koafa tonga izy, dia ninday azy tao amin'ny efitry agnambo zareo, aveo ny mpitondra taigna jiaby nitsangagna tankilany nitomoagny, nagnaboaka azy ankanjo ndraiky ny lamba zay nitsabon'ny reo Dorkasy tamin'izy niaraka taminjareo. 40 Nalaifan'i Petera tagny ambailan'ny efitry izy jiaby, nandongoalitry, ary nivavaka; avakeo nitodiky tamin'ny lehy razagna, nivaolagna izy nagnanjao: "Tabita, mitsangàna." 41 Dia nanaokatra masony izy aviteo, ary nahita Petera izy dia niarigny. Avakeo nanôlo-tagnagna azy Petera ary nampitsangagna azy; ary koafa nagnantso reo mpino ndraiky reo mpitondra taigna izy, dia naboakany taminjareo ny fahavilaomany. 42 Nanjary hay nagnairagna Jopa jiaby zany raha zany, aveo ôlogno maro no nino ny Tompo. 43 Tamin'ny zany Petera dia nidôko andro maromaro niaraka tamin'ny lehy lalahy araiky antsôvigny hoe Simona tao Jopa, zay mpandoko hôditry.