Toko Faha 7

9 Satria reo Patriarika dia nalaigny Josefa, kay navidin-jareo tagny Egypta izy; Fao Zagnahary niaraka taminazy 10 aveo namonjy azy tamin'ny reo ôlony jiaby. I Josefa namaizany fankasitrahagna ndraiky fahindriagna teo agnatraihan'i Farao, mpanjakany Egypta, zay nampidôko azy ho governora manapaka Egypta ndraiky agnambony reo fanagnany jiaby. 11 Ary havy ny silagno nagnairagna Egypta ndraiky Kanana, aveo fijaliagna gaida, ary reo razantsika dia tsy nahita hanigny. 12 Fao koafa nahiregny Jakoba fao nisy vary tao Egypta, nandaifa reo razantsika tamin'ny dian-jareo voalaohany izy. 13 Tamin'ny dian-jareo faharoa Josefa nagnambara haigniny tamin'ny reo rahalahiny, ary ny fianakaviagnan'i Josefa dia nanjary hain'i Farao. 17 Koafa narikitry ny fotoagnan'ny lehy fampanantenagna, lehy fampanantenagna zay nitsabon-Jagnahary tamin'i Abrahama, dia nahay maro ndraiky nisôsoko ny ôlogno tao Egypta, 18 mandra-pitsanganan'ny mpanjaka hafa tao Egypta, mpanjaka zay tsy nahay ny mahakasiky Josefa. 19 Io mpanjaka io faogna no namitaka ny vahoakantsika ndraiky nampijaly reo razantsika, zareo dia nanery razantsika tsy hagneky reo zanany ambava loza mbô tsy ho levogno. 26 Ny andro magnaraka dia tonga tao amin'ny reo Isaelita sasany izy koa zareo niady; nagnandragna nampitony ny tsiaraikiaraiky avy izy, nivaolagna nagnanjao: "Oa lalahy, areo dia mpirahalahy, magnino areo miady?" 27 Fao ny araiky zay nagnano tsy nanjary tamin'ny namany nanosiky azy, aveo nivaolagna nagnanjao: "Zôvy no nanendry anao ho mpanapaka ndraiky hitsara zahay? 28 Tianao moa ny hamono zaho, karaha ny namonoanao reo Egyptianina lomoaligny?" 29 Niala Mosesy koafa naharegny zany; nanjary vahiny izy tao amin'ny tanin'ny Miadiana, zay nitirahany ny zanany aroa lahy. 30 Koafa nandilatra aifapôlo tagno, nisy anjely araiky niboaka taminazy tagny antanimaty tegny amin'ny tanety Sinay, teo amin'ny lailamôtron'ny lehy voaroy nirehitra. 31 Koafa hitan'i Mosesy lehy môtro, sondriagna izy tamin'ny lehy fahitagna; ary koafa nagnatogno izy kay nizaha lehy izy, tô avy akagny nisy feon'ny Tompo nivaolagna nagnanjao: 32 "Zaho no Zagnaharin'ny reo razagnao, Zagnaharin'i Abrahama, ndraiky Isaka, aveo Jakoba.'' Nangitakitaka Mosesy aveo tsy nahasaky nizaha. 33 Ny Tompo nivaolagna taminazy: "Alào ny kapa egny amin'ny hongotroa, fao io toairagna zay hitsangnana io tany masigny. 34 Afa hitako tatôbe ny fijalian'ny vahoaka zay akao Egypta, regniky ny fitaraignan-jareo, aveo afa nijôtso nagnavotro zareo Zaho; koa zeo alaifako akagny Egypta anao." 35 Io lehy Mosesy zay tsy nikehinjareo, koafa nivaolagna zare nagnanjao: "Zôvy no nagniraka anao ho mpanapaka ndraiky ho mpitsara?" Izy lehy taokagna zay nalaifan-Jagnahary sady ho mpanapaka aveo mpagnavotro. Zagnahary nagnandaifa azy tamin'ny alalan'i lehy anjely zay niboaka tamin'i Mosesy tegny amin'ny voaroy. 36 Nitariky zareo hiala tao Egypta i Mosesy, koafa avy nagnano fahagagagna ndraiky famantaragna tao Egypta ndraiky tegny amin'ny ranomasigny maina, ary tagny antanimaty nandritry ny aifa-pôlo tagno. 37 Io faogna lehy Mosesy zay nivaolagna tamin'ny vahoakan'Israely nagnanjao: "Zagnahary hanangagna mpagnazary ho nihinareo akeo amin'ny rahalahinareo, mpagnazary tôrotro zaho."' 38 Izy lehy lalahy zay tam-piangonagna tao agnefitry niaraka tamin'ny lehy anjely zay nivaolagna taminazy tagny amin'ny tanetin'i Sinay. Izy lehy lalahy niaraka tamin'ny reo razantsika; izy lehy lalahy zay nalaka ny vaolagna velogno rasaigny hoantsika. 39 Izy lehy lalahy zay tsy nankatoavin'ny reo razantsika; natosiky n-jareo lavitry zareo izy, aveo akagny ampônjareo dia nimpôdy tagny Egypta zareo. 40 Tamin' io fotoagna io nivaolagna tamin'ny Arona zareo nagnanjao: "Tsaboano Zagnahary zahay hitariky zahay, karaha Mosesy, zay nitariky atsika hiboaka akagny Egypta, tsy haintsika zay nahavoa azy.'' 41 Ary nagnano aomby hely zareo tamin'ny zany andro zany aveo ninday fagnatitry teo amin'ny lehy sampy, ary niravo tamin'ny asan-tagnany zareo. 42 Nitodiky Zagnahary avakeo nagnambaila zareo mbô ho fideragna reo lakintagna egny an-dangitry, araka ny voasaoratra tao amin'ny bokin'ny mpagnazary: "Areo moa nanôlotro zaho biby maty ndraiky fagnatitry nandritran'ny aifapôlo tagno tao antany maty, tragnon'Israely? 43 Nikehinareo ny tabernakelin'i Moloka ndraiky ny lakitan-Janahary Refana, ndraiky reo sary zay natanareo hideragna azy, aveo zaho nitondra areo akagny hafan'ny Babylona." 47 Fao Solomona no nagnamboatra tragno ho nihin-Jagnahary. 48 Na zany aby, ny taigna Agnambo dia tsy nibidôko tao amin'ny tragno vita tamin'ny tagnagna, araka ny nikoragnin'ny mpagnazary: 49 "Ny langitry no dabilio fiandriagnako, avakeo ny tany no fidaohan-kongotro. Tragno karaha ino no afaka hamboarinao ho nihinaha? Hoizy ny Tompo, na toairagna karaha ino no hitsaharako? 50 Tsy tagna naha moa nitsabo reo raha jiaby reo? 54 Ary koafa naharegny reo raha reo ny mpiômbogno akao amin'ny filan-kevitry, tôhigny ny fôn-jareo, aveo nihidy vazagna zareo tamin'ny Stefana. 55 Fao izy, zay feno Fagnahy Masigny, nizaha tsara ny langitry ary nahita ny vogninahitry Zagnahary, ary nahita Jesôsy nitsangagna teo an-kaherin-Jagnahary. 56 Stefana nivaolagna nagnajao: "Zahavo, hitako misaokatra reo langitry, aveo ny Zanak'ôlogno mitsangagna eo ankaherin-Jagnahary." 57 Teo amin'ny zany dia nibadan-jareo mpiômbogno ao amin'ny filan-kevitry ny sôfigny n-jareo, avakeo nangaiky nakatra tamin'ny feo agnambo, nilomoay zareo nagnegny aminazy. 58 Nitaritin-jareo ambailan'ny Tanàgna izy ary nanomboko nanopy vato azy zareo, ary reo antomoa dia nagnambaila ny lambany teo amin'ny hongony lehy zaza lalahy antsôvigny Saoly.