Toko Faha 3

1 Aveo Petera ndraiky Jaona nakatra tegny amin'ny tempoly tamin'ny fotoagnan'ny fivavahagna, ny fotoagna fahasivy. 2 Avakeo nisy lalahy araiky nalemy rango am-pitirahagna nindesigny isan'andro tegny amin'ny tamiagna Tsaran'endriky ny tempoly, mbô hangataka fagnomaizagna ara-baola akagny amin'ny reo ôlogno zay magnegny amin'ny tempoly. 3 Koafa nahita Petera ndraiky Jaona zay handaiha hitsôfotro ny tempoly, dia nangataka fagnomaizagna ara-baola taminjareo izy. 11 Ary noho izy nitagna Petera ndraiky Jaona, ny ôlogno jiaby dia nihôrogno nandaiha taminjareo tegny amin'ny fialaofagna zay nantsôvigny hoe fialaofan'i Solomona, ary taigna sondriagna. 12 Koafa nahita zany Petera dia namaly ny ôlogno nagnanjao: "Areo vahoakan'Israely, magnino no sondriagna areo? magnino ny masonareo mandiniky zahay, karaha angôvonay na fahamasignagnay manaokagna moa nampaningagna azy? 15 Nivononareo ny Mpagnorigny ny fiainagna, zay natsangan-Jagnahary tamin'ny maty_ary antomoan'ny zany zahay. 16 Zeo, noho ny finoagna amin'ny agnarany_lehy lalahy zay hitanareo sady hainareo_igny agnarany igny faogna no nahatonga azy hahery. Ny finoagna avy amin'i Jesôsy no nagnamia zao fahasitragnagna feno zao hoazy aketo agnatraihanareo jiaby. 19 Mibaibaha, noho zany, aveo mimpodiana, mbô ho voavono ny fahotanareo, mbô ho tonga ny fotoagna mahavelombelogno akeo agnatraihan'ny Tompo; 20 aveo mbô handaifa lehy Kristy zay voatendry hoanao izy, dia Jesôsy.