Toko Faha 28

1 Koafa tonga soaman-tsara zahay, hainay fao lehy tany dia nantsôvigny hoe Malta. 2 Reo tairatany dia tsy nagnamia hatsaram-pagnahy tsotra taminay faogna, fa nandrehitry môtro zareo aveo nampandroso zahay jiaby, nohon'ny oragna mafy ndraiky nintsy. 5 Fao ave nagnôzonkôzogno lehy biby ho agnaty môtro izy naifa tsy naratra aby. 6 Nandigny azy mbô ho hazon'ny tazo na ho foaty tampoko zareo. Fao koafa avy nizaha azy maharitry zareo ary nahita fao tsisy raha tsy mahazatra nahazo azy, dia niaova hevitry zareo ary nivaolagna fao izy dia zagnahary. 7 Ary tamin'ny toairagna marikitry teo nisy reo tany zay nihi'ny lehy lehiben'ny nôsy, lalahy izay antsôvigny hoe Popilio. Nandray zahay izy avakeo nagnamia hanigny zahay tamin'ny hatsaram-pagnahy nandritran'ny telo andro. 8 Ny Iadan'i Paoly dia nararin'ny tazo ndraiky fivalagnan-di. Koafa nandaiha tagny Paoly, dia nivavaka izy, namaitraka tagnany taminazy, aveo nampahivagna azy. 9 Tafaran'ny nisiany zany, dia nagnatogno azy jiaby ny ambin'ny vahoaka jiaby zay narary teo amin'ny lehy nôsy avakeo nahivagna. 10 Ny vahoaka faogna koa dia nagnamia vogninahitry zahay tamin'ny vogninahitry maro. Ary koafa niomagna andaiha sambo zahay, dia nagnamia zahay zay nilainay zareo. 16 Koafa niditry tao Roma zahay, dia nahazo alalagna hiara-hiaigny amin'ireo miaramila niambigny azy Paoly. 17 Aveo koafa afaka telo andro tafaran'ny zay nampagnantso niaraka reo lalahy zay mpitariky teo amin'ny reo Jiosy ireo i Paoly. Koafa niaraka tonga zareo, nivaolagna tamin-jareo izy nagnanjao: "Oa rahalahy, na dia tsy nitsabo raha ratsy tamin'ny ôlogno na ny fombany reo razantsika aza zaho, dia natôlotro ho voagadra tagny Jerosalema teo antagnan'ny Romana. 18 Koafa avy nagnadihady zaho zareo, dia nagniry ny hamôtsotro zaho, satria tsisy antony tôkony hagnamelaohagna zaho ho faty. 19 Fao koafa nanohitry ny fagniriagnan-jareo ny Jiosy, dia voatery zaho nagnantso Kaisara, na dia tsy karaha ny nitondra fiampangagna hanohtry ny fireneko aby. 20 Nohon'ny antsoanaha, nangataka ny hahita areo ndraiky hikoragna aminareo zaho. Zany nohon'ny fahatokisan'ny Israely mahakasiky ny hanadiagna zaho amin'ny tô tady tô." 21 Aveo nivaolagna tamin-jareo nagnanjao: "Tsy mbôla nahazo reo taratasy mahakasiky anao avy akagny Jodia zahay, na rahalahy tonga ndraiky nitatitry na nivaolagna raha ratsy mahakasiky anao. 22 Fao tianay ho regny aminao ny eritreritriao mahakasiky zany Sekta zany, satria hainay fao afa ratsy laza egny jiaby egny zany. 25 Koafa tsy nifagnaraka zareo, nanjary tafaran'ny nagnambaran'i Paoly tô vaolagna tô: "Ny fagnahy Masigny nivaolagna tsara reo razagna areo tamin'ny alalan'Isaia mpagnazary. 26 Hozizy magnanjao: 'Mandihiana akagny amin-jareo vahoaka reo avakeo volagno magnanjao: "Amin'ny fitandrignaisagna no handrignaisanareo, fao tsy hahatakatra; aveo amin'ny fahitagna no hahitavanareo, fao tsy hahita. 27 Fao nahay hadonto ny fôn-jareo, avakeo sarotro amin'ny sôfigny zareo ny hahiregny, aveo nagnapihy masony zareo. Fao raha tsy zany mety afaka hahita amin'ny masony zareo, aveo hahiregny amin'ny sôfiny ndraiky hahatakatra amin'ny fôny ka himpôdy indremandaiha, dia hankahivagna zareo Zaho."' 28 Noho zany, tôkony ho hainareo fao zany fagnavaotan-Jagnahary zany nalaifa tamin-jareo Jentilisa, aveo hitandregny zareo." 29 (Fagnamarihagna: Asa 28:29- Ny karamontsantaratasy sasany dia managna ny andininy Hoe: "Koafa nivaolagna reo raha reo izy, dia nanjary ny Jiosy. Nisy fisahotahagna gaida tamin-jareo.")