Toko Faha 15

1 Ny ôlogno sasany dia nijôtso avy tagny Jodia zisiky Antiokia aveo nampianatra reo rahalahy, kay nivaolagna nagnanjao: "Raha tsy vita famoragna araka ny fomba fatan'i Mosesy areo, dia tsy ho voavonjy areo." 2 Zany dia nitondra Paoly ndraiky Barnabasy tao agnaty tsy fifankahazoagna ndraiky ady hevitry tamin-jareo. Noho zany Paoly ndraiky Barnabasy dia voatendry niaraka tamin'ny sasany hafa taminjareo hakatra akagny Jerosalema mbô hitratro amin'ny reo apostoly ndraiky reo sojabe mahakasiky zany fagnontaniagna zany. 3 Noho zany zareo, nalaifan'ny fiangonagna, dia namakivaky Foinika ndraiky Samaria ary nagnambara ny fiovam-pônjareo Jentilisa. Zareo ninday hafaliagna gaida tamin'ny reo rahalahy jiaby. 4 Koafa homby tao Jerosalema zareo, dia niraisin'ny fiangonagna ndraiky reo apostoly aveo reo sojabe, kay nitatitry reo raha jiaby zay nitsabon-Jagnahary taminjareo. 5 Naifa ny ôlogno sasany zay nino, zay tao amin'ny tariky reo Fariseo, dia nitsangagna aveo nivaolagna nagnanjao: "Ilaigny ny magnano famoragna zareo ndraiky mibeko zareo hitandrigny ny lalàn'i Mosesy." 6 Noho zany reo apostoly ndraiky reo sojabe dia niaraka nivôry mbô handiniky zany raha misy zany. 10 Ary noho zany nagnino areo mitsapa Zagnahary, hoe tôkony hambilanareo zioga eo amin'ny vôzogno reo mpianatra naifa na ny razantsika na atsika aby tsy mahavita milanja? 11 Naifa mino atsika fao ho voavonjy amin'ny alalan'ny fahasoavan'i Tompo Jesôsy, mitôvy zareo faogna koa." 12 Ny ôlogno jiaby dia nitagna fahanginagna nandritran'ny nitandrignaisanjareo Barnabasy ndraiky Paoly mitatitry reo famantaragna ndraiky reo fahagagagna niasan-Jagnahary zay niasa tamin'ny reo Jentlisa tamin'ny alalan-jareo. 13 Koafa avy nijanogno nikoragna zareo, dia namaly Jakoba nivaolagna nagnanjao: "Oa rahalahy, tanidrignaiso zaho. 14 I Simeona dia afa nagnambara ny fomba nampianarin-Jagnahary tam-pahasoavagna voalaohany reo Jentilisa mbô halaka aminjareo ôlogno ho amin'ny agnarany. 15 Reo koragnan'ny reo mpagnazary dia mahakasiky zany, araka ny voasaoratra magnanjao: 16 'Afaran'ny reo raha reo dia himpôdy zaho, avakeo hanangagna indraiky ny tragno lain'i Davida zaho, 17 zay afa lavo; Hagnamboatra aveo hagnampôdy amin'ny naniny indraiky reo faharatrany zaho, mbô hitady Tompo reo ôlogno tavaila, ao agnatiny zany reo Jentilisa jiaby zay antsôvigny amin'ny agnarako.' 18 Zôvy no nivolagnan'ny Tompo, reo zay afa nagnano reo raha reo zay afa hay tamin'ny reo razambe fahiny. (Fagnamarihagna: Reo dikan-teny sasany talaoha dia mivaky karaha zao: "Zao no nivolagnin'ny Tompo, aminjareo zay hay tamin'ny andro fahigny ny asany jiaby.) 19 Noho zany, ny hevitry naha dia, tsy tôkony hagnakorontagna reo avy amin'ny Jentilisa zay nitodiky tamin-Jagnahary atsika. 20 Fao atsika hanaoratra amijareo fao tsy maintsy miala amin'ny fahalotoan'ny reo sampy zareo, amin'ny fahavaitavaitagna, aveo amin'ny hainan'reo bibi voakainda, ndraiky amin'ny lin-jareo. 21 Satria Mosesy dia afa nikoragnigny tamin'ny isan-tanàgna tamin'ny andro fahiny avakeo izy dia vakigny ao amin'ny reo Synagoga isaky ny Sabata." 22 Dia karaha tsara amin'ny reo apostoly ndraiky reo sojabe, niaraka tamin'ny fiangonagna jiaby, ny hifidy Joda zay antsôvigny hoe Barnabasy, ndraiky Silasy, zay mpitariky fiangonagna, sady hagnandaifa zareo akagny Antokia miaraka amin'i Paoly ndraiky Barnabasy. 23 Zareo dia nanaoratra toy: "Rango amin'ny reo apostoly ndraiky reo sojabe, reo rahalahinareo, zisiky amin'ny reo rahalahy avy akagny Jentily akagny Antiokia, Sira, ary Kilikia: Arabia! 24 Atsika dia afa nahiregny fao reo ôlogno sasany dia niala tamintsika, tsisy beko avy amintsika, aveo nagnelingeligny areo tamin'ny reo fampianaragna zay nampikorontagna ny fagnahinareo. 25 Zao no izy, zahay jiaby dia afa nagneky ny hifidy reo lalahy ndraiky hagnandaifa zareo akagny aminareo miaraka amin'i Barnabasy ndraiky Paoly tianay, 26 lalahy zay nagnano ny aigniny tsy ho raha ho an'ny agnaran'i Jesôsy Kristy Tompontsika. 27 Noho zany zahay dia magniraka Joda ndraiky Silasy, zay hivaolagna aminareo io raha io faogna amin'ny koragnan-jareo manaokagna. 28 Fao karaha tsara amin'ny Fagnahy Masigny ndraiky aminay, ny tsy hampitondra areo aintagna gaida noho reo raha taigna ilaigny reo: 29 mbô hialanareo amin'reo raha nitsabonareo ho fagnatitry amin'ny reo sampy, lio, reo raha voakainda, avakeo avy amin'ny fahavaitavaitagna. Raha mitandrigny ny haigninareo amin'ny zany areo, dia ho tsara aminareo zany. Veloma." 39 Avakeo nisy tsy fifankazahoagna mafy, kay nisaraka zareo, aveo Barnabasy ninday Marka niaraka taminazy aveo nandaiha Sambo nagnagny Sipra. 40 Fao Paoly nifidy Silasy ary nandaiha, tafaran'ny nagnamaizan-jareo rahalahy azy andraikitry hoan'ny fahasoavagna ny Tompo. 41 Aveo izy nandaiha namakivaky Syria ndraiky Kilikia, kay nampatanjaka reo fiangonagna.