Toko 1

1 Avy amin'ny ôlogno kay zisiky amin'ny vaiavy voafidy ndraiky reo zanany, zay tiako amin'ny fahamarinagna—ave tsy zaho faogna, fao reo jiaby zay nahay ny marigny faogna koa— 2 nohon'ny fahamarinagna zay midôko ao agnatintsika ave hiaraka amintsika bariky dintany. 3 Hoamintsika ny fahasoavagna, ny famindram-pô, ny fiadanagna avy amin-Jagnahary Iada ndraiky avy amin'i Jesôsy Kristy, Zanaky Iada, amin'ny fahamaraninagna ndraiky fitiavagna. 4 Taigna ravo zaho satria nahita sasany aminare zanakà mandaiha amin'ny fahamarinagna, karaha ny nandraisantsika zany didy zany avy tamin'ny Iada. 5 Ave mangataka amianao zaho, ravehivavy—tsy karaha ny manaoratra didy vava aminao zaho, fao zay nanagnantsika rangno tamboalaohany—dia ny tôkony hifankatiavantsika samby atsika. 6 Zao no fitiavagna, dia ny mbô handihanantsika araka reo didiny. Zao no didy, araka ny regninare rango tamboalaohany, dia ny tôkony handihananare amin'ny zany. 7 Fao fôntry reo mpamitaka afa lôso agny amin'ny zao tontolo zao, ave zare dia tsy magneky fao Jesôsy Kristy dia tonga tamin'ny nôfo. Zany no mpamitaka ndraiky antiKristy. 8 Zahavo ny haigninare, mbô tsy hahavery reo raha zay afa vitantsika jiaby, fao mbô handraisan-Jare valimpitia feno. 9 Na zôvy na zôvy mandaiha alaoha ave tsy midôko ao amin'ny fampianaran'i Kristy dia tsy managna Zagnahary. Lehy araiky zay midôko ao amin'ny fampianaragna, zany araiky zany dia managna Iada ndraiky Zanaka. 10 Raha misy ôlogno havy aminao ave tsy minday zany fampianaragna zany, dia aza mampandroso azy ho an-tragnonao avake aza magnamia finaritry azy. 11 Fao zay magnamia finaritry azy dia miômbogno amin'ny ratsy tsabony. 12 Managna raha maro ho soroatagna aminare zaho, kanaifa zaho tsy magniry hanaoratra zany amin'ny taratasy ndraiky ranomainty. Na zany ndraiky, magnantaigna ho avy agny aminare zaho ave hikoragna mifagnatriky, mbô ho tantairaka ny haravoagnanare. 13 Magnano veloma anao reo zanaky ny rahavavinao voafidy.