Toko Faha 4

1 Karaha zao no tôkony handraisan'ôlogno atsika, hotra ny mpanompon'i Kristy avakeo mpitandrigny reo misiterin-Jagnahary. 2 Amin'ny zany fifandraisagna zany, dia fepetra takigny amin'ny reo mpitandrigny ny maha-mendri-pitokiagna zareo. 3 Fao aminaha dia raha hely tegna hely ny tôkony hitsaragna areo na hitsaran'ôlombelogno jiaby zaho. Fao na zaho aby tsy mitsara haigninaha. 4 Zaho dia tsy mahay zay fiampangagna natao taminaha, fao zany dia tsy midika fao tsy manantsigny zaho. Ny Tompo no mitsara zaho. 5 Noho zany, aza manognogno fitsaragna momban'ny raha jiaby alaohan'ny fotoagna, mialohan'ny havian'ny Tompo. Izy dia nitondra reo raha mivôny hizigny ho amin'ny fahazavagna avakeo hampiboaka ny fikasan'ny fô. Aveo ny tsiaraikiaraiky aby dia halaka ny fiderany avy amin-Jagnahary. 6 Zeo, rahalahy, nampihatra reo fitsipiky reo taminaha ndraiky tamin'ny Apolosy zaho nohon'ny aminareo, mbô hafahanareo mianatra avy aminay ny dikan'ny fivolagnagna magnanjao: "Aza mandaiha mihoatra zay voasoratra." Zany dia mbô tsy hoisy araiky aminareo hiraiharaiha ny amin'ny fankasitrahagna ny araiky noho ny hafa. 7 Fao zôvy na mahita fahasamihafagna eo aminareo ndraiky reo hafa? Inona no anagnanareo kay tsy niraisinareo maimaimpoagna? Raha nalaka zany maimaimpoagna areo, nagnino areo no miraiharaiha hotra ny tsy nagnano hotra zany? 8 Afa nanagnanareo jiaby izay jiaby tadiavinareo! Afa nanjary mpanankariagna areo! Avakeo afa nanomboko nanjaka areo—aveo zany dia tsy avy taminay! Zaho dia tegna magniry ny nanjakanareo, mbô hafahanay manjaka miaraka aminareo. 9 Fao zaho dia mieritreritry fao Zagnahary dia namaitraka antsika ho apostoly mibaribary hotra ny farany amin'ny laharagna ndraiky hotra ny ôlogno voaheloko ho faty. Zahay dia lasa fampisehoagna ho nihin'ny izao tontolo izao—ho nihin'ny reo anjely, aveo ny ho nihin'ôlombelogno. 10 Zahay dia laifaka nohon'ny amin'i Kristy fao areo dia misy fagnahy akao amin'ny Kristy. Malemy zahay, fao areo mahiagna. Areo dia namiambogninahitry, fao zahay ndraiky tsy nalaim-baraka. 11 Zisiky zeo zahay dia tihinagna ndraiky mangetahet, mijaly fisikinagna, voapoko mafy, avakeo tsy manan-kialofagna. 12 Miasa mafy zahay, miasa amin'ny alalan'ny tagnagnay faogna. Koafa latsaigny zahay, dia miaritry. Koafa henjehigny zahay, dia mitsodrano. 13 Koafa vohendrikendriky zahay, dia mivaolagna amin-katsaram-pagnahy. Zahay dia niaova, aveo mbôla raisigny ho, fakon'ny zao tontolo izao ndraiky raha jiaby. 14 Zaho dia tsy nanaoratra reo raha reo mbô hahamaingatra areo, fao magnitsy areo hotra ny zanaka tiako. 15 Fao na dia managna mpiambigny ray aligny ao amin'ny Kristy aby areo, dia tsy managna iada fôntry. Fao zaho dia nanjary iadanareo ao amin'ny Kristy Jesôsy tamin'ny alalan'ny vava maharavo. 16 Noho zany dia mampirisiky areo zaho mbô ho mpangalatahaka zaho. 17 Zany no nandifasako areo ho amin'ny Timoty, zanaka tiako salakady mahatoky ao amin'ny Tompo. Izy dia hampahatsiaro areo reo làlagna naha ao amin'i Kristy, hotra ny ampianariko zareo na aiza ndraiky ao amin'ny fiangonagna jiaby. 18 Zeo dia nanjary miavogno ny sasany aminareo, magnano hotra ny hoe tsy ho avy agny aminareo zaho. 19 Fao ho avy tsy ho aila agny aminareo zaho, raha sitraky ny Tompo. Aveo tsy hahay ny koragnan-jareo zay taigna miavogno faogna zaho, fao hahita any ngôvon-jareo. 20 Satria ny fanjakan-Jagnahary dia tsy mihorigny amin'ny koragna fao amin'ny angôvo. 21 Ino no tadiavinareo? Tôkony ho avy aminareo miaraka amin'ny tsaorakakazo moa sa miaraka amin'ny fitiavagna feno halimiam-pagnahy zaho?