Toko Faha 14

1 Mitadiava fitiavagna avakeo manàgna zôtom-pô amin'ny reo fagnomaizam-pagnahy, fao indrindra ny mbô haminanianareo. 2 Fao zay mivaolagna amin'ny fivolagna tsy hay dia tsy mikoragna amin'ny ôlogno fao amin-Jagnahary. Fao tsisy mahazo azy satria mivaolagna raha mivôny ao amin'ny Fagnahy izy. 3 Fao zay maminany dia mikoragna amin'ny ôlgno mbô ho fampioraignagna zareo, ho fampirisihagna zareo, aveo fampiononagna zareo. 4 Zay mivaolagna amin'ny fivolagna tsy hay dia magnorigny haigniny, fao zay maminagny dia magnorigny ny finoagna. 5 Zeo dia magniry areo jiaby hivaolagna amin'ny fivolagnagna tsy hay zaho. Fao mbôla mihoatra noho zany aby, magniry Zaho ny haminanianareo. Zay maminagny dia taigna gaida ohoarigny zay mivaolagna amin'ny fivolagnagna tsy (raha tsy hoe misy ôlogno araiky mandika vaolagna kay mbô mety hioraignan'ny fiangonagna). 6 Fao zeo, rahalahy, raha havy eo aminareo amin'ny fivolagnagna tsy hay zaho, ino no tombontsoa amiako areo amin'ny zany? Tsy afaka zaho, raha tsy hoe mivaolagna aminareo amin'ny fagnambaragna, na fahaizagna, na faminaniagna, na fampianaragna. 7 Raha mamoaka feo reo raha magneno tsy managn'aigny—karaha sodina na lokanga—avakeo tsy magnaboaka lantom-peo samihafa reo, akôry no hahaizan'ôlogno zay melodia aboakan'ny sodina na ny lokanga? 8 Fao raha magnano feo hafahafa ny trompentra, akôry no hahaizan'ôlogno koafa fotoagna hiomanagna amin'ny ady? 9 Kay tôrotro zany faogna koa ny aminareo. Raha tsy mazava ny vaolagna aboakan'ny vavanareo, akôry no hahaizan'ôlogno zay nikoragninareo. 10 Misy fivolagnagna maro samihafa aketo amin'zao tontolo zao, aveo tsisy amin'ny regny no tsisy dikany. 11 Fao raha tsy mahay dikan'ny fivolagnagna araiky zaho, dia ho vahiny amin'ny zay mivaolagna, avakeo zay mivaolagna ho vahiny aminaha. 12 Raha zany foagna koa ny aminareo. Satria taigna magniry ny fihitsaihan'ny Fagnahy areo, dia manàgna zôtom-pô mbô hiroborobo amin'ny fagnoraignagna ny finoagna. 13 Noho zany zay mivaolagna amin'ny fivolagnagna tsy hay dia tôkony hivavaka mbô hafahany mandika vaolagna. 14 Fao raha mivavaka amin'ny fivolagnagna tsy hay Zaho, dia mivavaka ny fagnahiky, fao ny saigninaha tsy mamoa. 15 Ino no tôkony ho tsaboky? Hivavaka amin'ny fagnahiky zaho, fao hivavaka amin'ny saigny naha foagna koa. Hihira miaraka amin'ny fagnahiky zaho, avakeo hihira miaraka amin'ny saigny naha koa. 16 Raha tsy zany, raha midaira Zagnahary miaraka amin'ny Fagnahy areo, akôry no hivolagnin'ny vahiny hoe: "Amena" koafa magnamia fisaoragna anao raha aohatra kay tsy hainy zay koragninao. 17 Fao anao dia taigna magnamaiza fisaoragna tsara faogna, fao ny ôlon-kafa tsy miorigny. 18 Misaotra Zagnahary zaho fao mivaolagna amin'ny fivolagnagna tsy hay mihoatra noho areo jiaby. 19 Naifa agny am-mpiangonagna dia aleoky mivaolagna vaolagna dimy araka ny fazahoako mbô hafahako mampianatra reo hafa, toy zay vaolagna ray aligny amin'ny fivolagnagna tsy hay. 20 Oa rahalahy, aza mbô zaza amin'ny fihevitry areo. Fao ndraiky, raha amin'ny ratsy, dia manaova tôrotro zaza. 21 Fao amin'ny fihevitriareo dia aoka ho matotro areo. Ao amin'ny lalàgna dia voasaoratra: "Amin'ny alalan'ny ôlogno hafa fivolagnagna ndraiky amin'ny alalan'ny môlotro ny vahiny dia hivaolagna amin'ny reto ôlogno reto Zaho. Na dia tsy hahiregny Zaho aby zareo," hoizy Tompo. 22 Noho zany reo fivolagnagna tsy hay dia famantaragna, tsy amin'ny reo mpino, fao amin'ny reo tsy mpino. Fao ny faminaniagna ndraiky dia ho famantaragna, tsy hoan'ny reo tsy mpino, fao hoan'ny reo mpino. 23 Noho zany, raha aohatra kay, miara-mivôry ny fiangonagna jiaby aveo mivaolagna amin'ny fivolagna tsy hay jiaby, ary miditry reo vahiny ndraiky tsy mpino, tsy ho koragninjareo fao laifaka moa areo? 24 Fao raha naminagny jiaby areo jiaby kay nisy tsy mpino na vahiny niditry, dia ho resy lahatra amin'nny zay jiaby regniny izy. Ho tsaraigny amin'ny alalan'ny zay jiaby nambara izy. 25 Ho ambara ny tsiambaratelo ao am-pô. Vokatry zany, hiondriky izy ary hankalaza Zagnahary. Hambara izy fao taigna eo aminareo Zagnahary. 26 Ino zany no magnaraka, rahalahy? Koafa tafiaro areo, ny tsiaraikiaraiky dia managna salamo, fampianaragna, fagnambaragna, fivolagnagna tsy hay, na fandikan-teny. Tsaboy ny raha jiaby mbô hagnoraignanareo ny fiangonagna. 27 Raha misy mivaolagna amin'ny fivolagna tsy hay, ambilào hisy aroa na farapahamarony telo eo, aveo mandaiha tsiaraikiaraiky, avakeo dia tôkony hoisy araiky handika ny vaolagna zay nambara. 28 Fao raha tsisy mpandika-vaolagna, ambilao ny tsiaraikiaraiky aminjareo hitagna fahanginagna ao am-piangonagna. Avilào ny tsiaraikiaraiky hikoragna mitaokagna amin'ny haigniny ndraiky amin-Jagnahary. 29 Avilào hivaolagna ny mapagnazary aroa na telo, ary avila reo hafa hitandregny amin'ny fahaiza-magnavaka zay nambara. 30 Fao raha misy fahitagna amaizagna zay mibidôko eo amin'ny fanompoagna, avilao hangigny lehy araiky zay nivaolagna. 31 Fao ny tsiaraikiaraky aminareo dia afaka mifanolo maminagny mbô hafahan'ny tsiaraikiaraiky mianatra aveo mbô hahery jiaby. 32 Fao ny fagnahin'ny reo mpagnazary dia eo ambanin'ny fagnaraha-mason'ny reo mpagnazary. 33 Fao Zagnahary dia tsy Zagnahariny ny fikorontanagna hoan'ny reo fiangonan'ny reo mpino jiaby. 34 Ny vaiavy dia tôkony hitagna fahanginagna ao am-piangonagna. Satria tsy mahazo alalagna hivaolagna zareo. Fao, tôkony hagneky zareo, karaha ny ambaran'ny lalàgna. 35 Raha misy tianjareo hianaragna, avilao hagnontany ny vadiny agny an-tragno zareo. Fao mahamaingatra hoan'ny vaiavy ny mivaolagna ao am-piangonagna. 36 Avy aminareo moa no navian'ny vaolagna Zagnahary? Areo zeraiky moa no voakasiky zany? 37 Raha misy mieritreritry ny haigniny ho mpagnazary na ara-pagnahy, dia tôkony hagneky izy fao reo raha zay soroatako aminareo dia didin'ny Tompo. 38 Fao raha misy tsy magneky zany, dia ambilao izy tsy ho kehigny. [Fagnamarihagna: Ny ankamaroan'ny dikan-teny, ao agnatiny zany ny ULB ndraiky UDB, dia mamaky magnanjao: "Fao raha misy tsy magneky zany, dia aoka tsy hokehigny izy." Ny dikan-teny sasany talaoha magnanjao: "Fao raha misy tsy mahay zany, dia aoka izy tsy hahay zany."] 39 Kay amin'ny zany, rahalahy, taigna magniria ny haminagny, aveo aza mandrara na zôvy na zôvy hivaolagna amin'ny fivolagnagna tsy hay. 40 Fao avilao ny raha jiaby tsabogny araka ny tôkony ho izy ndraiky am-pilaminagna.