Toko Faha 11

1 Mangala tahaka zaho, hotra zaho malaka tahaka Kristy. 2 Aveo midaira areo zaho satria mahatsaro zaho amin'ny raha jiaby areo. Midaira areo zaho satria mitagna mafy ny fombafomba araka zay nanolorako azy reo teo aminareo areo. 3 Ary tiako ho azonareo fao Kristy no laohan'ny lalahy jiaby, fao ny lalahy no laohan'ny vaiavy, avakeo Zagnahary no lohan'i Kristy. 4 Avakeo mangala vogninahitry ny laohany reo lalahy zay mivavaka na maminagny kay misaron-daoha. 5 Fao mangala vogninahitry ny laohany reo vaiavy zay mivavaka na maminagny tsy misatro-daoha. Fao tsy hafa aveo mitôvy amin'ny hoe vaiavy mandratra ny laohany zany. 6 Fao raha tsy misatro-daoha ny vaiavy, dia tôkony tapahigny ho fohy ny volony. Raha mahamaingatra ny vaiavy ny manapaka ny volony na ny mandratra ny laohany, dia aoka izy hanarogno ny laohany. 7 Fao tsy tôkony hisafodaoha ny lalahy, satria izy no sary ndraiky vogninahitry Zagnahary. 8 Fao ny vaiavy dia vogninahitry ny lalahy. Fao ny lalahy dia tsy natao avy tamin'ny vaiavy. Fao ndraiky, ny vaiavy no natao avy tamin'ny lalahy. 9 Fao tsisy lalahy niforônigny ho nihin'ny vaiavy. Fao ndraiky, ny vaiavy no niforônigny ho nihin'ny lalahy. 10 Zany no tôkony hanagnan'ny vaiavy ny mariky ny fahefagna eo amin'ny lohany, noho reo anjely. 11 Na zany ndraiky, ao amin'ny Tompo, tsy mahaleo-taigna amin'ny lalahy ny vaiavy, na ny lalahy mahaleo-taigna amin'ny vaiavy. 12 Fao raha avy amin'ny lalahy ny vaiavy, dia ny lalahy koa dia avy amin'ny vaiavy. Avakeo, avy amin-Jagnahary ny raha jiaby. 13 Tsara ny haigninareo: Mety amin'ny vaiavy moa ny mivavaka amin-Jagnahary tsy misafo-daoha? 14 Tsy ny natiora lasitekiny aza moa no mampianatra areo fao raha ny lalahy no lava volo, dia fahafaham-baraka aminazy zany? 15 Tsy mampianatra areo moa ny natiora fa raha ny vaiavy no lava volo, dia vogninahitry aminazy zany? Fao namiagna azy ny volony mbô hanarognany azy. 16 Fao raha misy ti-hiady hevitry amin'ny zany, dia tsy managna fampiharagna hafa zahay, na reo fiangonan-Jagnahary. 17 Fao agnatin'ny reo torolàlagna magnaraka, dia tsy midaira areo zaho. Fao koafa miaraka tonga areo, dia tsy ho amin'ny tsara zany fao ho amin'ny taigna ratsy. 18 Fao tamin'ny voalohany ndraiky, dia regniky fao koafa miaraka mivôry ao amin'ny fiangonagna areo, dia misy fizarazaragna akeo aminareo, aveo mino zany amin'ny ampahany zaho. 19 Fao tsy maintsy misy fitsitokatokanagna akeo aminareo, mbô hankasitrahigny eo aminareo reo zay nikehigny. 20 Fao koafa mivôry areo, dia tsy ny Fanasan'ny Tompo no hoaninareo. 21 Koafa mihinagna, dia samy mihinagna ny hanigny manaokagna ny tsiaraikiaraiky alaohan'ny hinanan'ny reo hafa. Tihinagna ny araiky, aveo ny hafa nanjary mamo. 22 Tsy managna tragno ihinanagna ndraiky higiahagna moa areo? Ho tsinotsinoavinareo moa ny fiangonan-Jagnahary kay hahitrinareo zay tsy managna na ino na ino? Ino no tôkony hivolagniky aminareo? Tôkony hidaira areo moa zaho? Tsy hidaira areo amin'ny zany zaho. 23 Fao niraisiky avy amin'ny Tompo faogna koa zay ampitaiko areo, fao Jesôsy Tompo, tamin'ny aligny zay namadihagna Azy, dia nalaka môfo. 24 Koafa avy nigiaka Izy, dia nanapaka zany aveo nivaolagna nagnanjao: "Tô ny haigninaha, zay ho nihinareo. Atôvy zao ho fahatsiarovagna Zaho." 25 Mitôvy amin'ny zay koa dia niraisigny ny kapoaka koafa avy nihinagna haligny, aveo nivaolagna Izy nagnanjao: "Tô kapoaka tô no fagnikiagna vava ao amin'ny lionaha. Atôvy zao na afriagna na afriagna areo no migiaka, ho fahatsiarovagna Zaho." 26 Amin'ny fotoagna jiaby zay hinananareo tô môfo tô ndraiky higiahanareo amin'ny tô kapoaka tô, dia magnambara ny fahafataisan'ny Tompo papiky haviany areo. 27 Na zôvy na zôvy, noho zany, mihinagna ny môfo na migiaka amin'ny kapoakan'ny Tompo amin'ny haigny ndraiky lion'ny Tompo. 28 Aoka handiniky ny haigninareo alaohaka ny ôlogno, avakeo amin'ny zany dia aoka hihinagna ny môfo avakeo higiaka amin'ny kapoaka izy. 29 Fao izy zay mihinagna ndraiky migiaka kay tsy mahay ny haigny, dia mihinagna ndraiky migiaka fitsaragna ho amin'ny haigniny. 30 Zany no mahatonga ny maro aminareo ho osa ndraiky marary, avakeo ny sasany aminareo hofoaty. 31 Fao raha mandini-taigna atsika, dia tsy ho tsaraigny. 32 Fao koafa voatsaran'ny Tompo atsika, dia mpagnara-dalagna, mbô tsy ho voaheloko miaraka amin'ny zao tontolo zao. 33 Noho zany, ry rahalahiko, koafa mivôry mbô hihinagna areo, dia mifandignaisa. 34 Raha misy ôlogno araiky, tihinagna, aoka izy hihinagna agny antragno, amin'ny zay koafa mivôry areo dia tsy ho amin'ny fitsaragna zany. Avakeo mahakasiky reo raha hafa zay nisoroatanareo, dia hagnamia torolalagna zaho koafa tonga.