Toko faha 9

1 Vo tamin'gny adro fahaefasy ambin'gny folon'iho vola iho avo dra nivory vo nifaly hany gny vahoakib'Israely, vo nisiky akazo fandala ereo, vo nagnosisy botany gny lohany. 2 Nagnasaraky gny vatany tamin'ireo vahiny aby gny taranak'i Israeluy. Nisanga vo nieky gny fahotan'ereo vo gny rasy nahin'gny razambeny ereo. 3 Nisanga teo amin'gny toerany ereo, vo tamin'gny ampahaefasy gny andro dra namaky gny tao amin'gny bokin'gny lalan'i Yaveh Zagnahariny ereo. Fa tamin'gny ampahaefasy gny andro hafa dra nieky gny helokin'gny sady niondriky teo alohan'Yaveh Zagnahary ereo. 4 Ereo Levita, Jesoa, Bany, Kaldmiela, Sebania, Bony, Serebia, Bany, vo Kenany, dra nizoro teo amin'gny tohasy dra nitoka tamin'gny feo agnabo an'i Yaveh Zagnaharin'ereo. 5 Vo reo Levita , Jesoa, vo Kaldmiela, Bany, Hasbania, Serebia, Hodia, Sebania, vo Petahia, nanao ho: " Misangana vo misiriria an'i Yaveh Zagnaharindrareo mandrakizay doria. "Hisaosy gny agnaran'iha be voninahisy ereo, dra asandrasy ambon'gny fisora vo fisiriria aby any zay. 6 Hanao gny Yaveh. Hanao raiky avo. Hanao gny nanao gny lagnisy, gny lagnisy agnbo vatany, mbamin'gny miaramilany aby, vo gny tany vo ze iaby aminazy eo, vo gny ranomasy vo ze iaby aminazy ao. Nagnomia aina andreo aby Hanao, vo gny miaramin'gny lagnisy manopo Anao. 7 Hanao gny Yaveh, gny Zagnahary zay nifily an'i Abrama, sady ninday anazy niboaky an'i Oran'gny Kaldeana, vo nagnomia anazy gny agnara Abrahama. 8 Hanao dra nahita fa nahatoky teo agnatrehanao gny fony, vo Hanao nanao fagneke taminazy ba hagnomia gny tanin'ereo Kananita, ereo Hetita, ereo Perizita, ereo Jebosita, vo ereo GIrgasita ho an'gny taranany. Nita gny fapagnatenanao Hanao akory Hanao dra mary. 9 Nahita gny fahorian'gny razanay tagny Egypta Hanao, dra nahare gny fitaregnan'ereo teo amin'gny Ranomasina Mena . 10 Nagnomia reo famatara vo fahagaga manohisy an'i Farao, vo gny panopony any, vo gny olon'aby tao amin'gny taniny Hanao, akory Hanao dra nahafatasy fa ereo Egyptiana dra nanao fihesiky agn'avo tamin'ereo. Kanefa nanao agnara ho Anao Hanao zay misanga mandrak'izao. 11 Dra nagnasaraky gny ranomasy teo anolon'ereo Hanao, ba hahafahan'ereo mandeha agnivon'gny ranomasy amin'gny tany maiky; dra nanipy ereo zay nagnitriky andreo ho amin'gny laliky agny, manahakygny vato atoraky agnaty rano laliky Hanao. 12 Tamy andrin-drahona nandesanao andreo tamin'gny andro, vo andrin'afo koa mandrisy gny hariva ba hisiko lala handehanan'ereo. 13 Nizoso tao an-tezovohisy Sinay Hanao dra niresaky tamin'ereo aby ato amin'gny lagnisy sady nagnomia fisipiky mahisy vo lala mary, beko vo lily soa. 14 Napahafatarinao andreo gny andro Sabata masinao, sady nagnomia andreo lily, vo fisipiky, vo lalana tamin'gny alalan'i Mosesy Hanao. 15 Nagnomia mofo boak'agny andagnisy andreo nohon'gny haresiany, vo rano boak'amin'gny vatolapy nohon'gny hetehetany, vo hanao nizaka andreo ba hilisy hangalaky gny tany nifatanao homia andreo. 16 Fa sy nagnaza Anao ereo vo gny razanay, sady maheriloha. vo sy hiteno gny lilinao ereo. 17 Nanda sy hiteno ereo, vo sy nisay mahakasiky reo fahagaga za fa nahinao tamin'ereo, fa nazary maheriloha, vo tamin'gny fikomian'ereo dra nanondro pitariky hihery amin'gny fagnandevoza ereo. Fa Hanao dra Zagnahary zay feno famela heloky, be fahasoava vo fagnoraha, sy mora ory, vo feno fitiava sy miova. Sy nagnenga andreo Hanao. 18 Ndre dra fa nanagny agnombilahy zanany aza ereo dra nanao an'izahopky ho: ' Tihoky gny Zagnaharindrareo ze ninday andrareo niawkasy niala tagny Egypta, sady fa nanao fagnirasira lahibe, Hanao. tamin'gny fangoraha-ponao 19 dra sy nagnenga andreo tagny an'efisy. Gny andrin-draho mitariky andreo amin'gny lala dra bo nanenga andreo nandrisy gny andro, ndre gny andrin'afon'gny hariva ba hagnazava gny lala handehan'ereo. 20 Namian'Iha andreo gny Fagnahinao soa ba hapianasy andreo, sady sy niaro gny mananao sy ho eo amin'gny vavan'ereo Hanao, vo gny rano namian'Iha andreo nohon'gny hetahetany. 21 Nandrisy gny efapolo tao gny namasianao andreo tagny an'efisy, vo sy ory ndre ino ndre ino ereo. Gny akazon'ereo dra sy sy voriky vo gny faladian'ereo dra sy nivoto. 22 Nagnomia fazaka vo vahoaky ho andreo hanao, tamin'gny fanendre andreo isaky gny vaza-tany. Vo nangalaky gny tanin'i Siona pazakan'i Hesbona vo gny tanin'i Oga pazakan'i Basana ho fanagna ereo. 23 Nahinao maro isa manahaky gny kitan'gny lagnisy gny zanak'ereo, vo nanadesin'iha tagny amin'gny tany ze nizakanzao gny razambeny ba handehana vo alay ho fanagna ereo. 24 Dra nilisy gny vahoaky sady nagnala gny tany ho fanagna vo hanao nandresy reo ponin'gny tany' dra reo kananita teo agnatrehen'ereo. Namian'Iha reo ba ho eo an-tagnan'ereo, mindray amin'gny pazakan'ereo vo gny vahoakin'gny tany, ba hahafahan'i Israely manao ze mahasoa anazy amin'ereo eo. 25 Nambabo reo tana mifefy vo gny tany mamokasy ereo, vo nambabo reo tragno feno raha soa, famorian-drano fa voahaly, reo tanim-boaloboky vo tamin'oliva, vo hazo fihinam-boa maro. Dra nihina sady afa-po vo niha-natavy vo nanao ze nahafaly anazy ereo nohon'gny hasoanao lahibe. 26 Dra nazary sy pakato ereo vo nikomy hanohisy Anao. Narian'ereo tagny andamosiny gny lalanao. Namono reo paminaninao ze napitandry anazy ba hihery aminao ereo, sady nanao fagnirasira lahibe ereo. 27 Ko natolosin'iha tegny apelatagnan'gny fahavalony, ze napizaly anazy ereo. Tamin'gny fotoa nizaliany, dra nitaray taminao ereo, vo hanao nahare andreo boak'agny an-dagnisy, vo nohon'gny famindraponao lahibe dra nandefa pamozy ba hagnavosy an'ereo eo atagnan'ireo fahavalony Hanao. 28 Fa no fa avy nisahasy ereo, dra nanao rasy teo agnatrehanao ndraiky, dra nagnenga andreo teo atagnan'gny fahavalony Hanao, noho zay dra nifehy andreo gny fahavalony. Kanefa no fa nihery sady nitaray taminao ereo, dra nahare boak'agny an-dagnisy Hanao, 29 sady matetiky Hanao gny mamozy andreo nohon'gny famindraponao. Napitandry andreo gny amin'gny ba hiheregnan'ereo amin'gny lalanao Hanao. Kanefa niavoganvo vo sy niteno gny lilinao ereo. nagnota nanohisy gny fisipikao ze nagnomia ay ho an'ze nakato anazy ereo. Nagnamafy gny hatony sady napihemosy gny sorony vo nanda sy hiteno ereo. 30 Fa maro tao gny nandeferanao vo napitandremanao andreo tamin'gny alalan'ireo paminaninao. kanefa sy niteno ereo. Ko dra natolosinao ho eo atagnan'ireo ponina magnodidy ereo. 31 Kanefa nohon'gny halahiben'gny famindraponao dra sy nandringa anazy tateraky hanao, na nahafo andreo, akory Hano dra Zagnahary be fahasoava sady be indrafo. 32 Vo noho zay, ry Zagnaharinay---Hanao lahibe, mahery, vo mahatahosy ze nitandry gny fagnekenao vo gny fitiavanao sy miovaova---aoky hasaiky Aminao zeho raha-sarosy aby za nihasy taminay, tamin'ereo pazakanay, tamin'ereo andrian-dahinay,vo tamin'ereo pisoronay, vo tamin'ereo paminaninay, vo tamin'ereo razambenay, vo tamin'gny vahoakinao aby hatramin'gny andron'gny pazakan'i Asyriaka mandrak'androany zao. 33 hanao dra mary tamin'ze iaby nahazo anay, akory Hanao dra nanday apahatokia, kanefa zahay gny nanao fihesiky naneho faharasia. 34 Ereo pazakanay, erro andrian-dahianay, ereo pisoronay, vo ereo razambenay dra sy nitandry reo lily vo reo lalanao, ndre nitandry reo lily vo reo lalam-panekegna za napitandremanao andreo. 35 Ndre dra tamin'gny fazakan'eeo manoka aza, naho nakafy gny soa lahibe nataonao taminazy ereo, tamin'gny tany malalaky vo mamokatry zay nahinao teo agnatrehan'ereo, dra sy ba nanopo Anao ereo na niala tamin'fny fomba rasiny. 36 Amizao zahay dra andevo amin'gny tany namianao gny razambenay ba hakafy gny vokasy vo gny fagnomeza soan'izay,sady ingo' andevo ao amin'izay zahay! 37 Gny pagnarivo nahazo tombony tamin'gny taninay dra magnagny amin'gny pazaka ze natobinao ba hazaka eo aminay nohon'gny fahotanay. ereo dra manapaky eo amin'gny tegnanay vo gny biby tezanay araky ze tiany. Agnaty fahoria lahibe zahay. 38 Noho zay aby zay, dra manao fagneke asorasy amy siaky zahay. Ao amin'gny atota-taratasy voatombokase gny agnaran'ereo andrian-dahinay, ereo Levita, vo ereo pisoro."