Toko faha 8

1 Nivory manahaky gny olo raiky tegny akalamaza teo anoloan'gny Vavahadin-Drano gny vahoaky. Ereo dra nangataky an'i Ezrapisoro ba hinday gny bokin'gny lalan'i Moses, zay nandidian'i Yaveh an'Israely. 2 Tamin'gny andro voloahany vola fahafito, dra nonday gny lala teo anoloan'gny fengona i Ezra pisoro, ndre leleahy ndre apela, vo reo aby ze afaky niteno vo nahatakasy. 3 Niatriky gny roanga malalaky anoloan'gny Vavahadi-drano izy, vo namaky anizay vo maraindraim-be hatramin'gny dizera, nanoloa gny lelahy vo gny apela, vo ze afaky mahatakasy, vo dra niteno soa gny bokin'gny lalana gny olon'aby. 4 Boakeo Ezra panora-dalana nizoro teo ambon'gny lapihazo ze namboarin'gny olo ho anizay. Nizoro teo akavanany i Matitia, Sema, Anaia, Oria, Hilkia, vov Mahasela; vo iPedaia, Misaela, Malkia, Hasoma,Hasbadana, Zakaria, vo Mesolama dra nizoro teo amin'gny ilany akavia. 5 nisokafin'i Ezra amason'olon'aby gny boky, akory nizoro agnabo noho reo olo izy, no fa nisokafiny zay dra nisanga aby gny olo. 6 Ezra dra nagnome fisora an'i Yaveh, gny Zagnahary lahibe, vo reo olon'aby nanandrasy gny tagnany vo namaly ho: "Amena! Amena!" Boakeo ereo nagnondriky gny lohan'ereo sady nisiriry an'iYaveh tamin'gny fametraha gny tarehin'ereo tamin'gny tany. 7 Jesoa , Bani, Serebia, Jamina, Akoba, Sabetahy,Hodia, Mahaseia,Kelita, Azaria,Jozabada, Hanana, Pelaia---reo Levita---dra nagnapy reo olo ba hahatakasy gny lanlana avo koa, naho mbo nitoby tegny amin'gny toerany reo olo. 8 Nivakin'ereo tao amin'gny boky, gny Lalan'Agnahary, nagnazava anizay tamin'gny fandika vo fagnomeza gny dikan'izay so hahatakaran'ireo olo gny vakin-teny. 9 Nehemia governora, vo i Ezra pisoro vo panora-dalana, vo reo Levita gny nandika tamin'gny olo vo nizaka tamin'gny olon'abt ho; "Masy taho andro tahoky amin'i Yaveh Zagnaharindrareo. Ka mandala na mitomagny." Akory nitomagny aby gny olon'aby no fa nahare reo zakan'gny lalana. 10 Boakeo Nehemia nizaka tamin'ereo ho: "Mandehana amin'gny lalandrareo, mihinana matavy vo minoma raha finomy mamy, vo alefaso amin'ze sy nahaoma ndre ino ndre ino gny sasany amin'zay, Fa tiky andro tiky dra masy amin'gny Tomposika. Ka malahelo, fa gny fifalian'i Yaveh gny herin'iha. 11 Ko dra napegnenin'ireo Levita reo olo, nanao ho: "Misigna! Akory masy tiky andro tiky. Ka malahelo." 12 Vo nandeha tamin'gny lalany gny olon'aby ba hihina vo hino ba hizara hany vo hakalaza apifalia lahibe akory takan'ereo gny zaka ze napahafatary an'ereo. 13 Tamin'gny andro faharo reo pitariky gny fianakavian'ireo razambe boak'amin'gny olon'aby, reo pisoro vo reo Levita, dra avy mindray teo amin'i Ezra pisoro so hamesivesy laliky gny zakan'ireo lalana. 14 Hitan'ereo voasary tao amin'gny lalana gny fomba nandidian'i Yaveh tamin'gny alalan'i Mosesy fa gny vahoakin'Israely dra tokonyhitoby agnaty lay mandrisy gny firavoravoa amin'gny vola fahafito. 15 ereo dra tokony hanao fagnambara egny amin'gny tanan'aby, vo aoa Jerosalema, Manao an'izahoky ho; Mandehana egny amin'gny tany havoa, vo mindesa sapan'oliva vo hazon'olivadia, vo sapan-drotra, sapan-drofia vo sapakazo be, ba hamboara lay, araky gny voasorasy. 16 Ko niboaky gny olo vo ninday reo sapakazo nihery vo nanao lay ho an'ereo, isaky gny tafon'ereo aby' tegny atokotan'ereo, tegny amin'gny kiazan'gny tragnon'Agnahary, tegny amin'gny kiaza malalaky anoloan'gny vavahadin-drano, vo tegny amin'gny kiaza malalaky agnilan'gny vavahadin'i Efraima. 17 Gny fengonan'ireo aby ze nihery boak'amin'gny fahababoa dra namboasy lay vo nitoby tao agnatin'ireo. Fa nanomboky tamin'gny andron'i Josoa zanadahin'i Nona hatramin'iho andro iho, dra sy nakalaza an'izay firavoravoa an'izay gny vahoakin'Israely, ko dra lahibe vatany gny hafalian'ereo. 18 Isan'andro isan'andro avo koa, nanomboky tamin'gny andro volohany dra hatramin'gny farany, dra namaly gny bokin'gny lalan'Agnahary i Ezra Nitandry gny firavoravoa nandrisy gny fito andro ereo vo gny andro fahavalo gny fivoria magnetriketriky, ba ho fakatoava gny lalana.