Toko faha 2

1 Tamin'gny volan'i Nisana, tamin'gny faharopolo tao nanzakan'i Artaksersesy pazaka, dra nisafily divay izy, dra nangalaky gny divay dra nagnome anizeho ho an'gny pazaka. Dra sy bo nalahelo teo amin'gny fagnatrehany mihisy zaho. 2 Fa ho gny pazaka taminahy ho: "Nagnino gny tarehiniha gny malahelo be? Fe sy hita mararyy se hanao. Mety alahelo ao Am-po zeho." Dra nizary natahosy fatrasy zaho. 3 Ho zaho tamin'gny pazaka ho: "Ho velo mandrakizay ra gny pazaka! Nagnino gny tarehiko gny sy tokony halahelo? Gny tana, gny toeran'gny fasan-drazako, dra rava, vo reo vatrangarany dra potiky gny afo." 4 Dra ho gny pazaka taminahy ho: "Ino gny tianiha hahiko?" Dra nivavaky tamin'gny Zagnahary gny lagnisy zaho. 5 Namaly gny pazaka zaho ho: "No soa amin'gny pazaka zeho, vo no nanao gny soa teo amasoniha gny panoponiha, dra afaky hirahiniha ho agny Joda zaho, agny amin'gny tanan'ireo fasan-drazako, so hahafahako mapihery mananga anizeho." 6 Dra namaly anahy gny pazaka (dra nitoboky teo agnilany koa gny pazaka vavy) ho: "Hafiria gny andehananiha dra ombia hanao gny hihery?" Sitraky gny pazaka gny nandefa anahy nofa nagnome reo datin'andro taminazy zaho. 7 Boakeo dra ho zaho tamin'gny pazaka ho: " No sitraky gny pazaka, dra aoky hisy taratasy home anahy ho an'ireo governora agny amin'gny Faritany Andafin'gny Ony mbo hagnomezan'ereo anahy alala handeha amin'gny fari-tanin'ereo amin'gny lalako magnagny Joda. 8 Aoky avo koa hisy taratasy ho an'i Asafa piamby gny alan'gny pazaka, mbo hagnomezany anahy hazo hanaova andry ho an'ireo vavahadin'gny ferova fatrasy agnilan'gny tepoly, vo ho an'gny fefin'gny tana, vo ho an'gny tragno ze honegnako." Akory tato aminahy gny tana soan'i Yaveh, dra nahin'gny pazaka reo fangatahako. 9 Dra avy tagny amin'ireo governora agny amin'gny Faritany Andafin'gny Ony zaho dra nagnome reo taratasin'gny pazaka andreo. Vo gny pazaka nandefa manam-boninahisy gny tafiky vo pitikisy sovaly nindray taminahy. 10 No fa ren'i Sanbala Horonita vo Tobia Amonita panopo zay, dra ory fatrasy izy akory nisy olo avy zay nitalia hagnapy gny vahoakin'Israely. 11 Noho zay dra avy tagny Jerosalema zaho dra tagny nadrisy gny telo andro. 12 NIfoha zaho gny hariva, zaho vo lelahy masaiky nindray taminahy. Sy nizako tamin'ia n'ia ze napetrakin'Agnahary tao am-poko mbo ho ahy ho an'i Jerosalema. Sy nisy biby nindray taminahy, ankoasy gny raiky ze nitikirako. 13 Nandeha niboaky tamin'gny Vavahadin'gny Lohasaha zaho gny hariva, tandrifin'gny Loharanon'gny Amboahaolo vo gny Vavahadin-Jezika, dra nagnara-maso an'ireo fefin'i jerosalema, ze fa rava, vo reo varavaran-kazo dra ravan'gny afo. 14 Boakeo dra nagnagny amin'gny Vavahadin-Doharano vo gny Farihin'gny Pazaka zaho. Tery loasy ho an'gny biby zay nitikirako gny handeha amin'gny toera. 15 Noho zay dra niakasy gny lohasahan-driaky zaho gny hariva dra nagnara-maso gny fefy, dra nihery vo nilisy teo amin'gny Vavahadin'gny Lohasahan-driaky, vo nihery. 16 Sy fatan'ireo panapaky ze nandehanako na zye nahiko, dra sy mbo nizaka reo Jiosy zaho, ndre reo pisoro, ndre reo manan-kaza, ndre reo panapaky, ndre reo sisa ze nanao asa. 17 Ho zaho tamin'ereo ho: "Hitandrareo gny loza ze mahazo asika, gny hitoeran'i Jerosalema ao agnaty faharava vo gny vavahadiny ze ravan'gny afo. Ndao, ndao sika hapihery hananga gny fefin'i Jerosalema, so sy ho ao agnatin'gny fahafaham-baraka sasy sika." 18 Nizakako andreo fa teo aminahy gny tagna soan'Agnahary vo gny mahakasiky gny zakan'gny pazaka ze nizaka taminahy. Ho ereo ho: " Aoky sika hisondrosy dra hagnory." dra nihatazahin'ereo ho an'gny asa soa gny tagnan'ereo. 19 Fa nofa ren'i Sambala Horonita, vo Tobia Amonita panopo, vo Gesema Arabo gny mahakasiky anizeho, dra nagneso sady nangala baraka anay ereo, dra ho ereo ho: 'Ino ahindrareo tihoky?" Mikomy hanohisy gny pazaka se handrareo?" 20 Dra namaly andreo zaho ho: "Hagnome fahombiaza anay gny Zagnahary gny lagnisy, Panopony zahay dra hisanga vo hagnory zahay. Fe handrareo sy mana anzara, na rariny, vo fifandresa amin'gny tatara ao Jerosalema."