Toko faha 13

1 Tamin'izeho andro zeho dra nivakian'ereo teo an-sofin'gny vahoaky gny Bokin'i Mosesy. Hita vooasorasy tao amin'izeho fa sy misy Amonita na Moabita tokony hilisy ao amin'gny fiangonan'Agnahary, mandrakizay. 2 Zeho dra akory sy avy teo amin'gny zanak'Israely nindray tamin'gny mofo vo rano ereo, fa nagnakaram an'i Balama so hagnozo gny Israely ereo. Ndre dra zeho aza, navaliky gny Zagnaharisika ho fitahia gny ozo. 3 No vo nahare gny lalagna ereo, dra nisarahin'ereo tamin'Israely gny olo hafa firene aby. 4 Vo tafaran'izeho iho Eliasiba pisoro iho dra voatendry ho amin'ireo tragno fitahirizan'gny tragnon'Agnaharisika. Izy dra nana fifandresa tamin'i Tobia. 5 Nikarakara efitragno fitahiriza lahibe ho an'i Tobia i Eliasiba, zay nitahirizan'ereo gny fagnatisy hohany, gny ditin-kazo magnisy, reo kozakoza,vo reo apahafolom-bokasy, divay vaovao, vo gny dililo, ze voatoka ho an'ireo LEvita, reo pihira, reo piamby vavahady, vo reo anzara ho an'ireo pisoro tagny aloha. 6 Fe tamin'izeho fotoa aby zeho dra sy tao Jerosalema zaho. Fa nandeha tagny amin'gny pazaka zaho tamin'gny faharo amby telopolo tao nanzakan'i Artaksersesy pazakan'i Babyloa. Fotoa masaiky tafaran'izeho dra nangataky alala hanenga gny pazaka zaho, 7 dra nihery tagny Jerosalema. Fatako mansy gny rasy ze fa nahin'i Eliasiba tamin'gny nagnomezany an'i Tobia efitragno fitahiriza lahibe tao ank-kianzan'gny tragnon'Agnahary. 8 Ory fatrasy zaho dra naboakiko teo ivelan'gny efitragno fitahiriza aby reo etan'gny fianakavian'i Tobia aby. 9 Nandily gny hagnadiovan'ereo reo efitragno fitahiriza zaho, dra naheriko tao amin'iregny reo etan'gny tragnon'Agnahary, reo fagnatisy hohany, vo gny ditin-kazo magnisy. 10 Fatako fa bo sy nome andreo gny anzaran'ireo Levita, fa nilefa ereo, samby nagnagny amin'gny taniny abu, reo LEvita vo reo pihira ze nanao gny asa. 11 Dra nifagnatriky tamin'ireo manam-boninahisy zaho dra nanao ho: "Nagnino gny nisinosinoavy gny tragnon'Agnahary?" Navoriko niaraky dra napetrko tamin'gny toerany reo. 12 Bokeo dra nanday gny apahafolom-bokasy, gny divay vaovao, vo gny dililo ho agny efitragno fitahiriza gny Joda aby. 13 Nanendry an'i Selemia pisoro vo Zadoka panoran-dalagna, vo tamin'ireo Levita, Pedaia, ho pitam-bolan'gny tragno fitahirizan'Agnahary zaho. Teo agnilan'ereo i Hanana zanadahin'i Zakora zanadahin'i Matania, fa ereo gny voazaka ho magneva-pitokisa. Gny adidin'ereo dra mizara reo vasy ho an'ireo piara-miasa amin'ereo. 14 Sarovy zaho, ry Zagnahariko, mahakasiky anizeho, sady ka fafa reo asa soa ze fa nahiko ho an'gny tragnon'Agnaharinay vo reo fanopoa anizeho. 15 Vo tamin'izeho andro zeho dra nahita reo vahoaky tao Joda nagnosihosy famiazam-boaloboky tamin'gny Sabata sady nanday salohim-bary dra napanday aniregny tamin'gny borikiny, vo koa divay, voaloboky, aviavy,vo reo karazan-draha mavesatry aby, ze nandesin'ereo tao Jerosalema tamin'gny andro Sabata zaho. Nanohisu fatrasy gny nivarotan'ereo hany tamin'izeho andro zeho zaho. 16 Reo lelahy latagny Tyro nitoboky tao Jerosalema dra nanday hazandrano vo etam-barosy sambihafa, dra nivarotin'ereo tamin'gny andro Sabata tamin'gny vahoakin'i Joda vo tao amin'gny tana regny! 17 Dra nifagnatriky tamin'ireo pitarik'i Joda zaho ho: "Ino zeho raha rasy ahindrareo, mandoto gny andro Sabata zeho? 18 Sa ra nanao zeho ra reo razandrareo? Sa sy Zagnahary ra gny nanday zeho rasy aby zeho taminsika vo tamin'itiky tana tiky? Androany handrareo dra manday hahoria bebe kokoa amin'Israely tamin'gny fandotoa gny Sabata." 19 No vantany vo mezy teo amin'gny vavahadin'i Jerosalema talohan'gny Sabata, dra nandily gny hikatognan'ireo vatrangara vogny sy tokony hisokafan'iregny sasy hatramin'gny afaran'gny Sabata zaho. Nametraky gny sasany tamin'ireo panopoko teo amin'ireo eta ho afaky andesy milisy amin'gny andro Sabata. 20 Nitoby tagny ivelan'i Jerosalema ndraiky mandeha na indro reo pandranto vo pivarosy karazan'eta aby. 21 Fe zahi napitandry andreo ho; "Nagnino handrareo gny mitoby ivelan'gny fefy? No bo mapihery anizeho handrareo, dra hikasi-tagna andrareo zaho!" Nanomboky tamin'izeho fotoa zeho dra sy avy tamin'gny andro Sabata sasy ereo. 22 Bokeo nandily reo Levita zaho so hagnadio gny vatan'ereo, dra ho avy hiamby reo vavahady, so hagnamasy gny andro Sabata. Sarovy avo koa zaho gny amin'izeho, ry Zagnahriko, dra mamindra fo aminahy nohon'gny sy fivaliam-paneke anagnaniha aminahy. 23 Tamin'izeho andro zeho dra nahita reo Jiosy ze nanambaly reo apelan'i Asdoda, Amona, vo Moaba avo koa zaho. 24 Nizaka tamin'gny fizakan'i Asdoda gny ansasaky gny taranak'ereo. Sy nisy tamin'ereo nahay nizaka gny fizakan'i Joda, fa gny fizakan'gny raiky amin'ireo olo hafa raiky avo. 25 Nifagnatriky tamin'ereo zaho, dra nagnoso andreo, dra nizera gny sasany tamin'ereo sady nandrirosy gny volon'ereo. Napifata andreo tamin'Agnahary zaho, nanao ho: "Handrareo dra sy tokony hagnome gny zanaky apelandrareo ho an'ireo zanadahin'ereo regny, na hangalaky gny zanaky apelan'ereo regny ho an'gny zanadahindrareo, na ho andrareo. 26 Sa sy nanota tamin'ireo apela reo se i Solomona pazakan'Israely? Sy nisy pazaka manahaky anazy tamin'ireo firene maro, dra tian'gny Zagnahariny izy, dra Zagnahary nanao anazy ho pazaka nanera gny Israely aby. Ndre dra zeho aza, napanotan'ireo valiny hafa firene izy. 27 Sa ra tokony hiteno aniha zahay dra hhanao zeho rasy lahibe zeho, dra mivalky amin'gny Zagnaharisika amin'gny fangala apela hafa firene ho valy?" 28 Raiky amin'ireo zanadahin'i Joiada zanadahin'i Eliasiba pisorabe dra vinato lahin'i Sambala Horonita. Noho zeho dra napilefasiko tamin'gny fagnatrehako izy. 29 Sarovy izy regny, ry Zagnahariko, akory fa nandoto gny fisorogna, vo gny faneken'gny fisorogna vo reo Levita. 30 Sahala anizeho gny nandiovako anazy regny tamin'gny raha aby hafa firene, dra nametraky reo adidin'ireo pisoro vo reo Levita, gny kiarikiaraiky ho samby amin'gny asany aby. 31 Namasy tamin'gny fotoa voatondro gny fagnatisy kitay vo reo voloham-bokasy zaho. sarovy amin'gny soa zaho, ry Zagnahariko.