Toko faha 12

1 Tahoky aby reo pisoro vo reo Levita ze niakasy nindray tamin'i Zerobabela zanadahin'i Sealtiela vo nindray tami'i Jesoa: Seraia, Jeremia, Ezra, 2 Amaria, Maloka, Hatosy, 3 Sekania, Rehoma, vo Meremota. 4 Nisy an'i Ido, Ginetoy, Abia, 5 Miamina, Madia, Bilga, 6 Semaia, Joiariba, Jedaia, 7 Salo, Amoka, Hikia, Jedaia. Reo gny pitariky reo pisoro vo reo piara-miasa amin'ereo tamin'gny andron'i Jesoa. 8 Reo Levita dra Jesoa, Binoy, Kadmiela, serebia, Joda, vo Matania, ze nisaha gny hira fagnomezam-pisora, mindray amin'ireo piara-miasa aminazy. 9 Bakbokia vo Ono, reo piara-miasa aminazy, dra nizoro nagnandrify andreo nandrisy gny asa fanopoa. 10 Jesoa gny ran'i Joiakima, Joiakima niteraky an'i Eliasiba, Eliasiba niteraky an'i Joaida, 11 Joiada niteraky an'i Jonatana, Jonatana niteraky an'i Jadoa. 12 Tamin'gny andron'i Joiakima dra tahoky aby gny pisoro, lohan'ireo fianakavia: Meraia lohan'i Seraia, Hanania lohan'i Jeremia, 13 Mesolama lohan'i Ezra, Johanana lohan'i Amaria, 14 Jonatana lohan'i Meliko, vo Josefa lohan'i Sebania. 15 Adna gny lohan'i Harima, Helkay gny lohan'i Meraiota, 16 Zakaria gny lohan'i Ido, Mesolama hmu lohan'i Ginetona, vo 17 Zikry gny lohan'i Abia... an'i Miniamina. Piltahy gny lohan'i Moadia. 18 Samoa gny lohan'i Bilga, Jonatana gny lohan'i Semaia, 19 Matenay gny lohan'i Joariba, Ozy gny lohan'i Jedaia, 20 Kalay gny lohan'i Salay, Ebera gny lohan'i Amoka, 21 Hasabia gny lohan'i Hilkia, vo Netanela gny lohan'i Jedaia. 22 Tamin'gny andron'i Eliasiba, reo Levita Eliasiba, Jodaia, Johanana, vo Jadoa gny nirakety an-sorasy ho loham-pianakavia, dra reo pisoro gny nirakety an-sorasy nandrisy gny fanzakan'i Dariosy gny Persiana. 23 Reo taranak'i Levy, reo lohan'gny fianakaviany dra voarakisy an-sorasy tao amin'gny bokin'gny tatara hatramin'gny andron'i Johanana zanadahin'i Eliasiba. 24 Reo lohon'ireo Levita dra Hasabia, Serebia, Jesoa zanadahin'i Kadmiela, nindray tamin'gny piara-miasa amin'ereo, ze nizoro nagnatriky andreo so hagnome fidera sady hagnome fisora, mifamaly gny isam-paritry, ho fagnekegna gny lilin'i Davida, gny lalahin'Agnahary. 25 Matania, Bakbokia, Obadia, Mesolama, Talmona, vo Akoba,gny piamby vavahady niamby teo amin'gny tragno fitahiriza teo am-bavahady. 26 Nanopo tamin'gny andron'i Joiakima zanadahin'i Jesoa zanak'i Jozadaka, vo tamin'gny andron'i Nehemia gny governora vo tamin'i Ezra pisoro vo panora-dalagna ereo. 27 Tamin'gny fanokana gny fefin'i Jerosalema, dra nitalia reo Levita tamin'ize iaby nitobohan'ereo gny vahoaky, handay andreo agny Jerosalema so hakalaza gny fanokana am-pifalia, amin'gny fanoloram-pisora dra hihira amin'gny kipanso, valiha, vo amin'gny lokanga. 28 Reo piara-mihira dra nindra nivory isan-tokony nagnodidy an'i Jerosalema vo boaky amin'ireo tana agny Netofatita. 29 Boaky agny Beti-gilgala avo koa ereo vo boaky agny amin'ireo sahan'i Geba vo Azmaveta, fa reo pihira dra fa nagnamboasy zana-bohisy nagnodidy an'i Jerosalema ho andreo. 30 Bokeo reo pisoro vo reo Levita dra nagnadio gny vatan'ereo, vo bokeo nagnadio gny vahoaky, reo vavahady, vo gny fefy. 31 Dra napekariko tegny an-tapon'gny fefy reo lohan'i Joda, dra nanendry antoko-pihira lahibe ro ze nagnome fisora zaho. Gny raiky dra nandeha tagny akavagnan'gny fefy nagneo amin'gny Vavahadin-Zeziky. 32 Hosaia vo gny ansasaky gny pitarik'i Joda nagnaraky andreo, 33 dra nagnaraky andreo i Azaria, Ezra, Mesolama, 34 Joda, Benjamina, Semaia, Jeremia, 35 vo gny sasany tamin'ireo zanadahin'gny pisoro nindray tamin'gny asaiva, vo Zakaria zanadahin'i Jonatana zanadahin'i Semaia zanak'i Matania zanak'i Mikaia zanak'i Zakora zanak'i Asafa. 36 Nisy an'ireo havan'i Zakaria avo koa, dra Semaia, Azarela, Milalay, Gilalay, May, Netanela, Joda, Hanany, nindray tamin'ireo raha magnenon'i Davida gny lelahin'Agnahary. Ezra panora-dalagna dra teo agnoloan'ereo. 37 Teo agnilan'gny Vavahadin-Doharano gny niakasy tohasy tao amin'gny tanan'i Davida, tamin'gny zana-tohasy magnagny amin'gny fefy ambonin'gny lapan'i Davida, tagny amin'gny Vavahadin-Drano eo asinagna ereo. 38 Nandeha tamin'gny lalan-kafa gny atoko pihiran'ireo ze nagnome fisora. Nagnaraky andreo teo amin'gny fefy nindray tamin'gny ansasaku gny vahoaky zaho, dra teo amin'gny Tilikambon'gny Fatana, teo amin'gny Fefy Lahibe, vo ambonin'gny Vavahadin'i Efraima, 39 vo teo amin'gny Vavahadiy Taloha, vo teo amin'gny Vavahadin'gny Hazan-drano vo gny Tilikambon'i Hananela vo gny Tilikambon-Zato, teo amin'gny Vavahadin'gny Agnondry, dra nizano teo am-Bavahadin'gny Piamby ereo. 40 Dra nangalaky gny toeran'ereo tao an-tragnon'Agnahary reo antokom-pihira ron'ireo nagnome fisora, sady nangalaky gny toerako nindray tamin'gny ansasaky gny manam-pahefa nindray taminahy avo koa zaho. 41 Bokeo dra nangalaky gny toerany reo pisoro: Eliakima, Mahaseia, Miniamina, Mikaia, Elionay, Zakaria, vo Hanania, mbamin'ireo asava, 42 vo Mahaseia, Semaia, Eleazara, Ozy, Johanana, Malkia, Elama, vo Ezera avo koa, vo reo pihira nanao ze hahareza andreo dra Jizrahia gny pitariky andreo. 43 Nanolosy soro lahibe ereo tamin'izeho andro zeho, dra niravo, akory Zagnahary napiravo andreo tamim-pifalia lahibe. Reo apela vo ankizy avo koa dra nifaly, Dra re boaky lavisy gny fifalian'i Jerosalema. 44 min'izeho andro zeho dra nisy reo lelahy notendre hisaha gny tragno fitahirizan-drakisy, reo voloham-bokasy, vo reo apahafolon-kare, so hamory gny anzara takin'gny lalagna ho an'ireo pisoro vo ho an'ireo Levita ao amin'ireo. Gny kiakiraiky dra nitendre so hiasa reo saha marin'gny renovohisy. Akory nifaly tamin'ireo pisoro vo reo Levita ze nizoro teo agnoloan'ereo i Joda. 45 Nagnatateraky gny asa ho an'gny Zagnaharin'ereo, vo gny asa fagnadiova ereo, nanao manahaky anizeho koa reo pihira vo reo piamby vavahady, tamim-pitandrema gny lilin'i Davida vo Solomona zanadahiny. 46 Fa taloha ela be, tamin'gny andron'i Davida vo Asafa, dra nisy pitariky reo pihira, sadynisy hira fidera vo fagnomezam-pisora ho an'Agnahary. 47 Tamin'gny andron'i Zerobabela vo tamin'gny andron'i Nehmia, dra nagnome gny anzara isan'andro ho an'ireo pihira vo piamby vavahady reo Israely aby. Natokan'ereo gny anzara ze ho an'ireo Levita, vo reo Levita nanoka anzara ho an'ireo taranak'i Arona.