Toko faha 11

1 Nitoby tagny Jerosalema reo pitariky gny vahoaky, vo gny vahoaky ambiny dra nanao filoka ba handesa gny raiky amy reo folo hitoby agny Jerosalema, gny tana masy, vo reo sivy hafa hitoby tagny amy reo tana hafa. 2 Boak'eo gny vahoaky nison-drano reo aby ze nanolo-tegna asitrapo gny hony agny Jerosalema. 3 Reo dra manam-boninahisy gny far=itany ze nitoby tagny Jerosalema. kanefa, dra nitoby tagny amin'gny tanan'gny Joda, agnisan'izay gny ilany amy reo Israelita, reo pisoro, reo Levita, reo panopon'gny tepoly, vo reo taranaky gny panopon'i Solomona. 4 Tagny Jerosalema gny nitoeran'gny sasany tamin'ireo taranak'i Joda vo reo taranak'i Benjamina. Reo vahoaky boak'amin'gny taranak'i Joda dra ahita an'i Ataia zanadahin'i Ozia zanadahin'i Zakaria zanadahin'i Amaria zanadahin'i Sefatia zanadahin'i Mahalila, gny taranak'i Fareza. 5 Tao i Maseia zanadahin'o Baroka zanadahin'i Kola Ahaza zanadahin'i Hazaia zanadahin'i Adaia zanadahin'i Joiariba zanadahin'i Zakaria, zanadahin'gny Silonita. 6 Ereo zanadahin'i Farez iaby ze nitoesy tagny Jerosalema dra 468. Ereo dra lelahy miavaky. 7 Tahoky aby reo taranak'ibenjamina: Salo zanadahin'i Mesolama zanadahin'i Joeda zanadahin'i Pedaia zanadahin'i Kolaia zanadahin' maseia zanadahim'i Itiela zanadahin'i Jesaia, 8 vo reo magnaraky anazy, dra Gabay vo Salay, lalahy 928, 9 Joela zanadahin'i Zisria gny piandrekis'ereo, vo Joda zanadahin'i Hasenoa dra faharo amin'gny fibekoa eo amin'gny tana. 10 Boak'amin'ereo pisoro: Jedaia zanadahin'gny Joariba, Jakina, 11 Seraia zanadahin'i Hilkia, zanadahin'i Mesolama zanadahin'i Zadoka zanadahin'i Meraiota zanadahin'i Ahitoba, gny lehiben'gny mana-pahefan'gny tragnon'Agnahary, 12 vo reo rahalahin'ereo ze nanao gny asa ao amin'gny tragno, lelahu 822, mindray Adaia zanadahin'i Jeroema zanadahin'i Pelaia zanadahin'i Amzi zanadahin'i Zakaria zanadahin'i Malkia. 13 Reo rahalahiny dra reo lohan'reo foko, lelahy 242; Amasay zanadahin'i Azarela zanadahin'i Ahazay zanadahin'i mesilemota zanadahin'i Imera, 14 vo reo rahalahiny, lelahy mahery fo amin'gny aly 128; reo pendrekiny dra i Zabdiela zanadahin'i Hagedolima. 15 Boak'amin'ereo Levita dra; i Semaia zanadahin'i Azrikama zanadahim'i Hasabia zanadahin'i Bony, 16 vo Sabetay vo Jozabada, zay boak'amin'gny pitarik'ereo Levita, zay misah gny asa ivelan'gny tragnon'Agnahary. 17 Vo Matania zanahdahin'i Zabdy, gny taranak'i Asafa, gny lahibe zay nanomboky gny fanolora fisora tamin'gny vavaky, vo Bakbokia, faharo amy reo rahalahiny, vo Abda zanadahin'i Samos zanadahin'i Galala zanadahim'i Jedotona. 18 Gny Levita aby tao amin'gny tana masy dra niisa 284. 19 Reo piamby vavahady dra: i Akoba, Talmona, vo reo namany, zay nagnara-maso reo vavahady, leleahy 172. 20 Gny Israely ambiny ze tao amy reo tanan'i Joda aby. Gny kirairaiky nitoby tao amin'gny lovan-taniny aby. 21 Reo piasan'gny tepoly nitoby tagny Ofela, vo Ziha vo Gispa nisaha andreo. 22 Gny lahiben'gny mana-boninahisy teo amy reo Levita tagny Jerosalema dra i Ozy zanadahim'i Bany zanadahin'i hasabiaha zanadahin'i Mika, tamin'gny taranak'i Asafa, pihira tamin'gny asa tao amin'gny tragnon'Agnahary. 23 Teo amban'gny baiko boak'amin'gny pazaka ereo, sady baiko fatrasy gny nomia reo pihira araky gny nitake isan'andro. 24 Boak'eo Petaia zanadahin'i Mesezabela, taranak'i Zera zanadahin'i Joda, dra teo agnilan'gny pazaka tamin'gny raha aby mahakasiky gny vahoaky. 25 no reo tana vo reo sahan'reo, gny sasany tamin'gny vahoakin'i Joda dra nitoesy tagny Kiriata-Arba vo reo tanany, vo tagny Dibona vo reo tanany, vo tagny Jekabzela vo reo tanany, 26 vo tagny Jesoa, Molada, Beti-Paleta, 27 Hasazasoala, vo Biry-seba vo reo tanany. 28 Gny ilany tamin'gny vahoakin'i Joda dra nitoesy tagny Ziklagy, Mekona vo reo tanany. 29 Enrimona, Zora, Jarmota, 30 Zanoa, Adolama, vo gny tanan'reo, vo tagny Lakisa sahanyvo Azeka vo reo tanany. Ka dra nitoby avy tagny Beri-sheba dra hatragny amin'gnylohasahan'i Hinoma ereo. 31 Nifitaky teo alohan'i Geba zayavo koa reo vahoakin'i Benjamina, tagny Mikmasy vo Aia, tagny Betele vo reo tanany, 32 tagny Anatota, noba, Anania, 33 Hazora, Rama, Gitaima, 34 Hadida, Jeboima, Nebala, 35 Loda, vo Ono, vo gny lohasahan'ereo panao asa tagna. 36 Gny ilany amin'ireo Levita ze nifitaky tagny Joda dra notendre tamin'gny vahoakin'i Benjamina.