Toko faha 10

1 Ao amin'ireo atota-taratasy voatombo-kase i Nehemia, govvernora, zanadahin'i Hakalia Zedekia, 2 Seraia, Azaria, Jeremia, 3 Pasora, Amaria, Malkia, 4 Hatosy, Sebania, Maloka, 5 Harima, Meremota,Obadia, 6 Daniela, Ginetona. Baroka, 7 Mesolama, Abia, Miamina, 8 Mazia, Bilgay, vo Semaia. Reo gny pisoro. 9 Reo Levita dra: Jesoa zanadahin'i Azania, Binoy boak'amin'gny fianakavian'i Henadada, Kadmiela, 10 vo reo Levita namany dra i Sebania, Hodia, Kelita, Pelaia, Hanana, 11 Mika, Rehoba, Hasabia, 12 Zakora, Serebia, Sebania, 13 Hodia, Bany vo Benino, 14 Reo pitariky gny olo dra: Parosy, Pahata-moaba, Elama, Zato, Bany, 15 Bony, Azgada, Bebay, 16 Adonia, Bigvay, Adina, 17 Atera, Hezekia, Azora, 18 Hodia, Hasoma, Bezay, 19 Harifa, Anatota, Nebay, 20 Magpiasy, Mesolama, Hezira, 21 Mesezabela, Zadoka, Jadoa, 22 Pelatia, Hanana, Anaia, 23 Hosea, Hanania, Hasoba, 24 Halohesy, Pila, Sobeka, 25 Rehoma, Hasabna, Mahaseia, 26 Ahia, Hanana, Anana, 27 Maloka, Harima, vo Bana. 28 Fa gny olo sisa, ze pisoro, Levita, piamby vavahady, piansa, panopon'gny tepoly, vo gny iaby ze nagnasaraky gn'ainy tamin'ireo olo teo amin'gny tany magnodidy vo nanoka-bata ho an'izay lalan'Agnahary, agnisan'izay reo valiny, reo zanadahiny vo reo zanakapeleny, reo manapahalalan'aby vo gny fahazava say, 29 nindray niharo tamy reo rahalahiny, reo olon'agnabo ereo, vo namatosy gny vatany tamin'gny ozo vo gny fifata gny handeha amin'gny lalan'Agnahary, zay namen'i Mosesy panopon'Agnahary, vo ba handiniky vo hakato gny lilin'iYaveh Tomposika vo gny fisipikiny vo reo lalany aby. 30 Nifata zahay fa sy hagnomia gny zanakinay apela ho an'gny ponin'gny tany na hangalaky gny zanak'ereo apela ho an'gny zanakinay lelahy. 31 Nifata avo koa zahay fa naho manday etam-barosy na mety ho vary havily reo ponin'gny tany amin'gny andro Sabata, dra sy hivily amin'ereo amin'gny andro Sabata na amin'ze andro masy zahay. Isaky gny fito tao hapangalanay ay gny taninay,sady ho foagnanay reo trosa aby ze nifagnarahanay tamin'ireo Jiosy hafa. 32 Ekenay gny fandidia gny hagnomeza gny apahatelo-sekely isa-tao ho an'gny fanopoa gny tragnon'gny Zagnahary, 33 ho famasia ho an'gny fmofon'gny fagnatreha, vo ho an'gny fagnatisy hohany sy tapaky, gny fagnatisy oroa amin'gny andro Sabata, reo fetin'gny voloham-bola vo reo andro firavoravoa voatondro, vo ho an'ireo fagnatisy nohon'gny fahota ho fagnavota ho an'gny Israely, mbamin'ze iaby asa ho an'gny tragnon'gny Zagnaharinay. 34 Nana filoka ho an'gny fagnatisy hita reo pisoro, reo Levita, vo gny vahoaky. Reo filoka gny hifily gny amin'ze fianakavianay hinday gny hitay ho ao atragnon'Agnaharinay amin'gny fotoa voatondro isatao, ba horoa eo amin'gny alitaran'i Yaveh Zagnaharinay, araky ze voasorasy ao amin'gny lalana. 35 Nifata gny hinday reo voloha-bokasy ze magniry boak'amin'gny taninay, vo reo voloham-bokasy gny hazo aby isa-tao ao atragnon'i Yaveh zahay. 36 Araky ze voasorasy ao amin'gny lalana, nifata gny hinday gny volohan-terak'ereo zanadahinay vo reo agnomby vo gny agnondry aman'osinay ao atragnon'Agnaharary vo ho eo amin'ereo pisoro ze manopo ao zahay. 37 Handesinay gny volohan-kobanay vo gny fagnatisy hohany, vo gny tegnan'gny hazo aby,vo gny divay vaovao vo gny dikiko ze andesy eo amin'ereo pisoro, ho agny amin'gny efisy fitehirizan'gny tragnon'Agnaharinay. Handesinay eo amin'ereo Levita gny apahafolon'gny boak'amin'gny taninay akory ereo Levita dra mamory gny apahafolo-karena eo amin'ireo renivohisy aby ze hesanay. 38 Sy maisy misy pisoro, taranak'i Arona mindray amn'ereo Levita no fa mitakasy gny apahafolo-karena ho ao amin'gny tragnon'Agnaharinay ho agny amin'gny efisy fitahirizan;gny fandasahan-drakisy. 39 Gny olon'Israely vo reo taranak'i Levy gny minday reo fandresan'azaraamin'gny vary, divay vaovao, vo dililo agny amin'gny tragno fitavira ze hagnazaria gny raha masy vo reo nitobohan'ireo pisoro ze nanopo, vo reo piamby vavahady, vo reo pihira. Sy ho ahinay asiramby gny tragnon'gny Zagnaharinay.