Toko faha 26

1 Dra namaly Joba ka nanao ho: 2 " Endrey gny fagnapianao gny raiky zay sy manan-kery! Endrey gny namozenao gny sandry zay sy nana tazaky! 3 Endrey gny nanoroanao hevisy gny olo zay sy manam-pahendre vo gny nagnambaranao fahalala soa taminazy! 4 Tamin'gny fagnapian'ia gny nizakanao regny zaka regny? Fagnahin'ia gny niboaky boaky taminao? 5 Zary mangitikitiky gny maty, dra reo ze agny ambany rano vo reo aby ze mitoesy ao amin'izay. 6 Mifahasy eo agnatrehan'Agnahary gny Fiainan-sy hita; gny faharava mihisy gny sy misy famognosa aminazy. 7 Mamelasy gny lagnisy avaraxsy egny amin'gny toera babangoa Izy,sady mapihanto gny tany eo amin'gny sy misy. 8 Mapitambasy gny rano ao amin'gny rahony matevy Izy, fe sy mitriatry ao ambanun'izay gny raho. 9 Mamongo gny vola izy sady mapiely gny rahony eo amin'izay. 10 Nisikisy farisy boribory teo ambony rano ho farany eo amin'gny mazava vo gny ezy Izy. 11 Mihesikesiky gny andrin'gny lagnisy sady taisy tamin'gny fizakany fatrasy. 12 Napizano gny ranomasy tamin'gny heriny Izy; tamin'gny fahazavan-sainy gny napilavoany an-dRahaba. 13 Tamin'gny fofonainy gny napisavany gny lagnisy; gny tagnany gny nitomboky gny menara teo am-pilefasa. 14 Ingo, tapany amin'gny lalany avo zay; endrey gny haleminy gny bisiky resika boak'aminazy! Ia gny afa-mahatakasy gny kotroky gny heriny?"