Toko faha 25

1 Dra Bildada Sohita namaly dra nizaka ho: 2 " Ao aminazy gny fanapaha vo gny tahosy; mandamy agny amin'gny toerany abo agny an-dagnisy Izy. 3 Misy fetrany se gny isan'ireo tafiny? Amin'ia gny sy hamirapiratan'gny fahazavany? 4 Akory se gny hahamary gny olo eo amin'Agnahary? Akory gny hapalio ze nateraky apeka, ho azo eke eo aminazy? 5 Ingo, fa ndre dra gny vola aza sy mamirasy aminazy; sy malio eo amasony gny kita. 6 Sandraky fa gny olo, zay kankana---zay zanak'olombelo, zay kankana!"