Toko faha 22

1 Dra namaly Elifaza Temanita dra nizaka ho: 2 " Mety taliavin'Agnahary gny olo? Mety taliaviny se gny lelahy hendry? 3 Moa se fahafinareta ho an'gny Tsitoha no mary hanao? Moa se tombony ho Anazy no manao gny lalaniha ho sy misy signy hanao? 4 Moa se gny fanehoaniha fagnaza Anazy gny hamezignany aniha vo hindesany aniha amin'gny fisara? 5 Moa se sy lahibe gny faharasianiha? Sy misy fiafara se reo helokiniha? 6 Fa nangataky atoky tamin'gny findramam-bolan'gny rahalahinian tamin'gny sy misy antony hanao, sady fa nandrava akazo tamy ze nitanzaky hanao. 7 Sy nagnomia rano hi inomin'gny olo rokaky hanao; namihina mofo sy ho an'gny olo mosary hanao, 8 ndre dra olo mahery aza hanao, zay nana gny tany, ndre dra olo manam-boninahisy aza hanao, zay nonina tao amin'izay. 9 Nalefaniha maiky gny pinday vata; vo gny tagnan'ireo kamboty dra notapahy. 10 Noho zay, misy fandriky gny magnodidy aniha aby, vo gny fahatahora tapoky gny mapizaly aniha. 11 Misy gny ezy, bo sy hahitaniha; vo gny rano be manafosy aniha. 12 Moa se Zagnahary sy agny amin'gny haabon'gny lagnisy? Atio gny haabon'ireo kinta, endrey gny haabon'ereo! 13 Vo ho hanao ho: ' Ino gny fatan'Agnahary? Mety hisara amin'gny alalan'gny ezim-be se Izy? 14 Gny raho matevy gny firakofany, bo sy hahitany asika; mandeha egny amin'gny andohalombon'gny lagnisy Izy.' 15 Hitandry gny lala taloha ze nandehan'gny olo rasy fagnahy se hano--- 16 reo ze nala talohan'gny fotoany, reo ze voaraoky sahala gny renirano gny fotos'ereo, 17 reo ze nizaka tamin'Agnahary ho: 'Miala aminay'; reo ze nizaka ho: ' Ino gny azon'gny Tsitoha ahy aminay?' 18 Fe bo nameno gny tragnon'ereo tamin'gny raha soa Izy; gny dinik'ireo rasy fagnahy dra lavisy anahy. 19 Gny olo mary mahita gny anzarany dra faly; gny olo sy mana signy miomehy andreo bo hikoraky anazy. 20 Ho ereo ho: ' Azo atoky fa nitapahy reo ze nisanga nanohisy asika; nandevo gny fanagnany gny afo.' 21 Koa amizao, magneke an'Agnahary vo mihavagna aminazy; amin'izay fomba zay, gny hiavian'gny soa aminiha. 22 Mangataky aminaha zaho, mandarmbesa fapianara boak'emin'gny molosiny; tehiriza ao am-poniha gny zakany. 23 No mihery amin'gny Tsitoha hanao, dra hiory, no mametraky gny sy fahamarignaniha lavisy gny lainiha hanao. 24 Apandrio eo amin'gny bo-tany gny hareniha, gny volamenan'i Ofira eo amin'gny vaton'gny lohasahan-driaky, 25 vo gny Tsitoha gny ho hareniha, volafosy sarobisy ho aniha. 26 Fa amin'izay dra hiravoravo ami'gny Tsitoha hanao; hanondrosy gny tarehinao amin'Agnahary hanao. 27 Hivavaky aminazy hanao, dra hiteno anao Izy; hagnavaky reo voadinao aminazy hanao. 28 Handidy gny raha aby koa hano, vo dra hafatrasy ho aniha zay; hamirasy amin'gny lalaniha gny fahazava. 29 Zagnahary dra mapietry gny olo mirehareha, vo mamozy gny olo mapizoso gny masony. 30 Hagnafaky Izy ndre dra gny olo mana signy aza; zay ho voze eo amin'gny fahadiovan'gny tagnaniha."