Toko faha 21

1 Dra namaly i Joba dra nizaka ho: 2 " Tenoy soa gny zakako, dra angao ho fankahereza omendrareo anahy zay. 3 Mahareta aminahy, fa hizaka avo koa zaho; afaran'gny zakako, dra manesoa hatragny. 4 No gny aminahy, amin'gny olo raiky se gny fitarainako? Nanao akory zaho gny sy tokony sy hanam-pahareta? 5 Atio zaho dra ao ho talanzona, dra apetraho eo amin'gny vavandrareo gny tagnandrareo. 6 No fa mamesivesy reo fizaliako zaho, dra mihorohoro, sady tora-kovisy gny vatako. 7 Nagnino gny olo rasy fagnahy gny bo miay, trasy antisy, vo mitombo hery amin'gny fahefa? 8 Miory mindray aminazy eo amason'ereo gny taranany, vo reo zanany dra miory eo amason'ereo. 9 Gny tragnon'ereo dra lavisy gny tahosy; sady sy amin'ereo eo gny zeran'Agnahary. 10 Mapagnaraky gny agnombilahiny ereo; vo dra mahavagno; gny agnomby vavin'ereo dra miteraky sady sy mamosotry gny zanany sy apy vola. 11 Mampiboaky reo zanany manahaky gny agnondry vo osy ereo, dra mandihy reo zanany. 12 Miansa amin'gny apongatapaky vo lokanga ereo sady mifaly mindray amin'gny feon-sodina. 13 Miay gny androny amin'gny fa ereo, vo mizoso moramora ho agny amin'gny fiaigna-sy hita. 14 Ho ereo amin'Agnahary ho: 'Miala aminay fa sy magniry gny hahay gny lalanao zahay. 15 Ino moa gny Tsitoha, gny tokony hanopo Anazy zahay? Ino gny tombosoa azonay no mivavaky aminazy zahay?' 16 Ingo, moa se sy eo an-tagnan'ereo avo gny fagnazarian'ereo? Sy misy hirarahiako gny toro-hevisy gny olo rasy fagnahy. 17 Impiry maty gny ziron'gny olo rasy fagnahy, na avy eo aminazy gny lozan'ereo? Impiry gny mizara alahelo amin'ereo amin'gny fahoriany Zagnahary? 18 Impiry ereo gny avy manaheky gny mololo andesin'gny sioky na manahaky gny aloky tafio-drivosy? 19 Ho andrareo ho: ' Zagnahary mihaza gny helony bo havahin'ireo zanany.' Angao gny vatany avo gny hagnavaky zay, bo hahafatarany gny helony. 20 Angao gny masony hahita gny faharavany, vo angao izy hino gny fahorian'gny Tsitoha. 21 Akory ino gny hirarahiany gny mahakasiky reo taranany mandimby anazy no fa tapaky gny isan'ireo volany? 22 Moa se misy olo afaky mapianasy fahalala an'Agnahary akory ndre dra ereo ze ambony aza dra Izy gny misara? 23 Gny olo raiky dra maty ao agnatin'gny heriny feno, tony tateraky sady miada. 24 Feno ronono gny vatany, vo gny nisikin'gny tolany dra mando sady salama soa. 25 Misy olo raiky hafa maty ao agnatin'gny faitrin'gny fagnahy, olo ze sy bo niay raha soa. 26 Samby mandry agnaty vovoky ereo; vo manafosy gny vatan'ereo ro reo kankana. 27 Ingo, fatako gny vesivesindrareo, vo reo fomba zay irindrareo bo handiasoa anahy. 28 Fa ho andrareo ho: ' Eza zao gny tragnon'andriandahy? Eza gny lay zay nonenan'gny rasy fagnahy taloha?" 29 Sy bo nagnotany gny olo pandeha lavisy mihisy se andrareo? Sy fatandrareo se gny porofo azon'ereo zakay, 30 fa voaaro amin'gny andron'gny loza reo rasy fagnahy, vo havio lavisy gny andron'gny fahoria izy? 31 Ia gny hagnasiaky gny fomban'gny rasy fagnahy eo anatrehany? Ia gny hagnavaky anazy amin'gny raha vitany? 32 Fe mbo ho lanzay ho an-dolo agny izy; reo olo ddra hiamby gny lolony. 33 Ho mamy aminazy gny baingan-dohasaha; hagnaraky anazy boakao afara gny olo aby, manahaky gny nandehanan'ireo olo maro sy voaisaky teo alohany. 34 Nanao akory dra andrareo gny napiono anahy amin'gny raa sy misy dikany, akory ao amin'ireo valitenindrareo dra sy misy afa-sy vandy avo?"