Toko faha 2

1 Dra tamin'izay andro zay, avy nisehi teo agnatrehan'i Yaveh reo zanak'Agnahary. Avy nindray tamin'ereo hiseho teo agnatrehan'i Yaveh avo koa i Satana. 2 Ho Yaveh tamin'i Satana ho: " Avy boak'eza hanao?" Dra namaly an'i Yaveh i Satana dra nanao ho: " Avy nirerirery tegny an-tany, niherikery tegny." 3 Ho Yaveh tamin'i Satana ho: " Moa se fa nandiniky an'i Joba panopoko Hanao? Akory sy misy ndre raiky aza eto an-tany ka mitovy aminazy, lelahy sy misy siny sady mary, matahosy an'Agnahary sady mifaly gny rasy. Mbo mita gny fahisiany hatragny izy, ndre dra fa napivio lala Anahy hanohisy anazy aza hanao, mbo hamotiku anazy sy amin'gny antony." 4 Satana namaly an'i Yaveh ka nano ho: " Holisy takalon'gny holisy; eka vatany; gny olo dra hagnome ze iaby hanagnany ho takalon'gny ainy." 5 Fa ahinziro gny tagnaniha zao sady sapao gny tolany vo gny fony, dra atio no sy hagnozo aniha eo amin'gny atrehiniha izy." 6 Ho Yaveh tamin'i Satana ho: " Ingo, eo am-pelatagnaniha izy; gny ainy avo gny aoky harovaniha." 7 Dra lasa Satana niala teo amin'gny fagnatrehan'i Yaveh. Nazera vay rasy an'i Joba hatregny am-paladia ka hatregny an-tamppon-doha izy. 8 Nangalaky valim-bilany vita tamin'gny tanimanga i Joba hihaosaorany gny vatany, dra nitoboky teo agnivon'gny lavenoky izy. 9 Dra ho gny valiny ho: " Mbo mita gny fahisiniha avo se hanao? Ozogny Zagnahary dra matesa." 10 Fa ho izy taminazy ho: " Miresaky manahaky gny firesaky gny apela mola hanao. GNy soa avo se gny tokony ho rambesisika boakamin'Agnahary ka sy ho rambesy gny rasy?" Noho zay iaby zay, dra sy nagnota tamin'gny sognony i Joba. 11 Dra no fa nahare gny rasy iaby nahazo anazy reo naman'i Joba telo, dra samby avy boakagny amin'gny toerany aby ereo: Elifaza gny Temanita, Bildada gny Sohita, vo Zofara gny Namatita. Nanoka fotoa ereo mbo hiara oru aminzay vo hapahereza anazy. 12 No fa nitalaky boak'egny lavisy ero, dra sy nahafatasy anazy. Nanandrasy gny feony ereo dra nitomagny; samby nandrota gny akazony sady namfy botany tegny amin'gny rivosy vo teo amin'gny lohany avo gny kiraikiraiky. 13 Boakeo dra nitoboky tamin'gny tany nindray taminazy ero nandrisy gny fito andro vo fito haly. Sy nisy niresaky taminazy ereo, akory hitan'ero fa tena lahibe vatany gny alahelony.