Toko faha 19

1 Dra namaly Joba dra nanao ho: 2 " Hafiria gny hapizaliandrareo anahy vo hanorotoroandrareo anahy amin'gny zaka? 3 Tamin'izay nandasandrareo anahy ipolo zay; sy bo magnasy napahory anahy andrareo. 4 No tena mary vatany fa nania zaho, dra hizano ho anahy raiky gny fahadisoako. 5 No hanondrosy gny vatandrareo ho amboniko vatany andrareo vo hapiasa gny fahafam-barakako hanohisy anahy, 6 dra tokony ha fatandrareo fa Zagnahary fa nanao gny sy nety taminahy dra nahatrasy anahy tamin'gny haratony. 7 Ingo,mitaray zaho ho: " Herisetra!" fe sy mahazo valiny zaho. Nitoka vozeo fatrasy zaho, fe sy nahazo rariny. 8 Nasiany rindry gny lalako ba sy hahafahako mandeha, sady nametraky ezy teo amin'gny lalako Izy. 9 nalany taminahy gny voninahisiko, vo fa nanaisotry gny satro-boninahisiko tamin'gny lohako Izy. 10 Fa namotiky anahy tamin'gny zorony aby Izy, dra lasa zaho, nombotany manahaky gny hazo gny fanatenako. 11 Napirehetiny taminahy avo kaoa gny fahoriany; rambesiny manahaky gny raiky amin'ireo fahavalony zaho. 12 Mindray avy reo tafiny; managa dongon-tany hanafiha anahy ereo ka mitoby magnodidy gny laiko. 13 Nanaisotra reo rahalahiko lavisy anahy Izy; nihafahafa taminahy tateraky reo olo fatasiko. 14 Nahafo anahy reo havako; fa nagnaligno anahy reo namako mariny. 15 Reo ze nizano ba ho vahiny tao an-tranoko fahizay vo reo panopo vaviko dra mandramby anahy manahaky gny sy olom-patasy; vahiny zaho eo amazon'ereo. 16 Mitoka gny panopoko zaho, fe sy namaly anahy izy ndre dra mengavy anazy amin'gny vavako aza zaho. 17 magnafitohina gny valiko gny fofognaiko; magnelakelaky reo ze nateraky gny tronin'gny reniko mihisy aza zaho. 18 Ndre reo zaza aza manao sinosino anahy; no misanga hizaka zaho, dra mizaka manohisy anahy ereo. 19 Reo namako nahazasy avy dra nalay anahy; nivaliky taminahy reo ze tiako. 20 Mirekisy amin'gny holisiko vo gny nofoko gny tolako; gny hany ivelomako dra amin'gny holisy gny nifiko. 21 Managna famindram-po aminahy, managna famindram-po aminahy, ry namako, akory gny tagnan'Agnahary dra fa nikasiky anahy. 22 Nagnino andrareo gny magnitriky anahy manahaky gny hoe andrareo gny Zagnahary? Nagnino gny sy afa-po amin'gny fandevogna gny nofoko andrareo? 23 Eh, enga anie ka ho voasorasy gny zakako amizao! Eh, enga anie ka ho voarakisy ao agnaty boky regny! 24 Eh, enga anie ka ho voasokisy amin'gny penina vy vo firaky eo ain'gny vatolapy mandrakizay regny! 25 Fe no gny aminahy, fatako fa velo gny Pagnavosy anahy, vo 26 agny am-parany dra hisanga eo amin'gny tany Izy;afaran'izay gny holisisko, izay ho, itiho vata itio, dra toro, vo dra ao amin'gny nofoko gny hahitako an'Agnahary. 27 Hahita Anazy amin'gny masoko mihisy zahi---Zaho, fa sy olo-kafa. Fa rokaky miamby anizay gny foko ato agnatiko sto. 28 No ho andrareo ho: ' Akory gny hagnitrifasika anazy! Gny fotos'ireo fizaliany dra aminazy ao, ' 29 dra matahora gny mesa, akory gny fahoria dra hahavy famaiza amin'gny mesa, ba hahafatarandrareo fa misy gny fisara.