Toko faha 9

1 Hisava eo amin'ze tao agnatin'gny fangirifiria gny ezim-pito.Tamin'gny taloha dra nangala baraka gny tanin'i Zebolona vo gny tanin'gny Naftaly Izy, nefa ao afara ao dra hanao ze ho be voninahisy izy, gny lala magnagny amin'gny ranomasy, agny andafin'i Jordana,ze hafa firene mifitaky ao Galilia. 2 Fa nahita fahazava lahibe gny vahoaky ze nandeha tamin'gny henzy; gny ze fa niay tao amin'gny tanin'gny aloky gny fahafatesa, dra fa namirapirasy teo amin'ereo gny fahazava. 3 Fa nahalako gny firene Hanao; fa napitombo gny hafalian'ereo Hanao. Mifaly agnilan'iha manahaky gny fifalia amin'gny fotoan'gny fanapaha ereo, manahaky gny olo faly gno fa mizara gny voroba ereo. 4 Notorotoroin'iha manahaky gny tamin'gny zioga mavesany, gny mandigny teo asorony, gny sorakkazon'gny papahory anazy. 5 Fa gny kiraro aby ze magnisaky eo amin'gny fikorotagna vo gny akazo mihososy lio dra horoa,hahy soliky ho an'gny afo. 6 Fa zaza gny teraky ho asika, zaza lelahy gny nameny asika, vo ho eo asorony gny fanapaha, vo gny Agnarany ho tokavy ho panolo say Mahagaga, Zagnahary Mahery, Ray Mandrakizay, Andrianin'gny Fiadagna. 7 Gny fitomboanin'gny fazakany vo gny fiadagna dra sy hisy farany, gno manapaky amin'gny fiandrianan'i Davida Izy, vo eo amin'gny fazakany, so hanoby vo hamoha izay amin'gny rariny vo fahamarigna manomboky amin'io fotoa io vo ho mandrakizay. Gny zotopon'i Yaveh tompon'gny lako gny hiahy an'zeho. 8 Nandefa zaka hanohisy an'i Jakoba gny Tompo, vo avy teo amin'Israely zay. 9 Gny vahoaky aby dra hahafatasy ndre i Efraima vo gny ponin'i Samaria aza,ze mizaka amin'gny fiavognavogna vo fibohabohanin'gny fony ho: 10 " Fa nezera gny biriky, fe hasangasika amin'gny vato fandraky ndraiky zeho; fa voatapaky gnyamota, fa ho solosika sedera eo amin'gny toerany." 11 Noho zeho dra hisanga hanohisy anazy Yaveh dra i Rezina, gny pifagnandry aminazy, vo hapisiky gny fahavalony, 12 dra gny Syriana avy agny asignana, vo gny Filistiana avy agn andrefa. Handrapaky gny Israely amin'gny vavany misangasanga ereo. Amizehe raha aby zehe, dra nihena gny fahoriany; fa koa, bo mihizisy gny tagnany. 13 Fe gny olo sy hihery Aminazy ze namely an'ereo, na hitalia an'i Yaveh Tompon'gny lako. 14 Ko dra ho tapahin'i Yaveh gny loha vo gny rambon'i Israely, gny sapan-drofia vo gny volotara, ao agnatin'gny draiky andro. 15 Gny pitariky vo gny olo mendri-kaza gny lohany; vo gny paminany gny nanoro vandy gny rambony. 16 Ereo ze mitariky riho vahoaky riho gny mitariky an'ereo amin'gny lalan-diso, vo ereo ze mitariky an'ereo gny voately. 17 Noho zeho gny Tompo dra sy ho faly amin'gny tovolahin'ereo na hana fangoraham-po amin'gny kamboty vo reo pinday vata ereo, akory gny olon'aby dra piasaravelasihy vo piahy rasy rahateo,vo gny vava aby dra mizaka adala. Amize zaha aby zeho, dra sy mihe gny fahoriany; fa kosa, dra bo mihizisy hatragny gny tagnany. 18 Fa magnoro manahaky gny afo gny faharasia; mandevo gny hery vo gny silo zeho; magnoro gny kirihis'ala aza zeho, ze miakasy ao amin'gny savorovoro hoto. 19 Amin'gny fahorian'i Yaveh Tompon'gny lako gny ma gny tany, vo gny olo dra manahaky gny soliky ho an'gny afo. Sy misy olo miferignay gny rahalahiny. 20 Handrapaky gny hany amin'gny tagna akavana ereo nefa resy avo, hihina gny hany amin'gny tagna akavia ereo nefa sy ho afa-po. Ndre dra gny kirairaiky aza dra hihina gny nofin'gny sandriny avo. 21 Manase dra handevo an'i Efraima, vo Efraima handevo an'i Manase, dra hindray ho tia an'i Joda ereo. Amin'ze raha zeho, dra sy mihe gny fahoriany; fa kosa, dra mbo mihizisy hatragny gny tagnany.