Toko faha 8

1 Nizaka taminahy Yaveh ho: " Mangala vato pisaky lahibe vo zorato amin'zeho ho: "Mahera-Salala-Hasi-Baza" 2 Hapitoka vavolombelo matoky hagnamary ho Anany Zaho, dra Oria pisoro, vo Zakaria zanadahin'i Jeberekia." 3 Nagnagny amin'gny paminany apela zaho, vo nanagn'anaky dra hiteraky zaza lelahy izy. Vo Yaveh nizaka taminahy ho: "Ahivo ho: "Mahera-salala-hasi-baza.' gny agnarany. 4 Fa mialohan'gny hahezan'gny zaza mitoka ho: " Babako, vo neniko, dra hangalaky gny harenan'i Damaskosy vo gny babon'i Samaria gny pazakan'i Asyria." 5 Nizaka taminahy ndraiky Yaveh ho: 6 " Akory tahoky vahoaky tahoky dra nanda gny rano misononok'i Siloa, vo faly amin-dRezina eo vo amin'gny zanadahin'i Remalia, 7 nohon'zeho gny Tompo dra hinday gny ranon'gny renirano ho eo amin-drereo reo, mahery vo maro, gny pazakan'i Asyria vo gny voninahiny aby.b Ho avy amin'gny tokany aby dra hahatondraky gny morony. 8 Gny Renirano dra hifaoky manombpky amin'i Joda ao, hanondraky vo hamakivaky, mandra-hiavin'zay amin'gny tarafeon'iha eo. Reo elasy mivelasy dra hamono gny sakan'gny tany,ry Imanoela. 9 Ho torotoro handrareo ry vahoaky. Mitenoa, ry firene lavisy aby: vonony ho amin'gny aly gny tegna ndrareo vo torotoroy. 10 Manova paik'aly, fa sy ho tateraky zeho,mamoaha lily, fa sy tateraky zeho, fa miahy anay Zagnahary. 11 Yaveh nizaka taminahy, nindray tamin'gny tagnany mahery ze teo aminahy, vo nampitandry anahy sy handeha amin'gny lalan taho vahoaky taho. 12 Ka tokavy ho tetiky gny raha ze tokavin'taho vahoaky taho ho tetiky, tsy hatahosy ze hatahorany hanao,vo ka reki-tahosy. 13 Fa Yaveh tompon'gny maro gny omen'iha voninahisy ho masy. Izy gnyraiky ze tokony hatahoran'iha,vo izy raiky gny tokony hampangitakitaky an'iha. 14 Ho avy fifitaha masy izy, fa ho vato fameleza Izy, vo ho vatolapy fanafitohigna_ho an'gny akohonan'Israely, vo ho an'gny vahoakin'i Jeroselema dra ho fandriky vo lavo izy. 15 Maro gny ho tafitohy amin'zeho dra ho lavo vo ho rava, ho voafandriky dra ho vobabo. 16 Fehezo gny fizoroako vavolombelo, vo asio tombo-kase gny firaketa ofisialy, vo ameo ereo pianasiko zay. 17 Hiambyan'i Yaveh zaho,ze magnavony gny tarehiny amin'gny akohonan'i Jakoba; hiamby Anazy zaho. 18 Iho, zaho vo gny zanadahiny ze namean'i Yaveh zaho dra ho famatara vo ho raha mahalasa ao Israely laha tamin'i Yaveh Tompon'gny lako, ze mifitaky amin'gny tezovohis'i Ziona eo. 19 Hizaka ami-ndrareo iereo ho: " Agnotanio gny pahita vo gny pisikily," ereo ze misy somba mimenomeno vo mibisiky fitokava. Fa sy tokony hagnotany gny Zagnahariny moa gny olo? Tokony hagnotany gny maty ho an'gny velo moa ereo? 20 Araky gny lily vo gny fizoroa vavolombelo! Gno sy mizaka mitovy amin'zeho ereo, dra akory sy mana gny fahazavan'gny maraindray. 21 Hiriosy eo amin'gny tany amin'gny fahoria vo gny haserea lahibe ereo. Gno fa resy ereo, dra ho ory sady hagnozo gny pazakany vo gny Zagnahariny, naho manondrosy gny tarehin'ereo ambony. 22 Hagnety gny tany ereo dra hahita gny fahoria, gny henzy,vo gny fazombogna mapahory. Ho roahy magnagny amin'gny tanin'gny fahamezegna ereo.