Toko faha 7

1 Tamin'gny andron'i Ahza zanadahin'i Jotama zanadahin'i Ozia, pazakan'i Joda, dra niakasy nagnagny Jerosalema i Rezina pazakan'i Syria, Pelza zanadahin'i Remalia, pazakan'i Israely ba hananga aly amin'zay, fa sy nandresy anizay ereo. 2 Notatery tagny amin'gny fianakavian'i davida fa nindray tamin'gny Efraima gny Syriana. Nangovisy gny fony, vo gny fon'gny vahoakiny, manahaky reo hazo agn'ala agny ahozongozon'gny rivosy. 3 Dra ho Yaveh tamin'Isaia ho: " Miboaha mindray amin'i Seara-jasoba zanakin'iha lelahy ba hisena an'i Ahaza eo amin'gny faran'gny lakan-dranon'gny kamory ambony, egny amin'gny lala magnagny amin'gny Sahan'gny Panasa lamba. 4 Zakao anazy ho: ' Mitandrema, ka taitaisy, ka matahosy ndre apitaorin'ereo tapa-poroha ro midonaky reo, amin'gny hasosoran'i Rezina vo Syria, vo Pelza zanadahin'i Remalia. 5 Syria, Efraima, vo gny zanadahin'i Remalia dra nanao teti-drasy hanohera anao; ho ereo ho: 6 " Andao sika hanafiky an'i Joda sady hapihorohoro anazy,ary aoky sila hamaky anazy vo hametraky gny pazakasika, gny zanadahin'i Tabeala ao." 7 Ho gny Tompo Yaveh ho :'' Sy ho tateraky zay; sy hiseho zay, 8 akory Damaskosy gny lohan'i Syria, vo Rezina gny lohan'i Daamskosy. Agnatin'gny dimy amby eni-polo tao, dra ho torotoro gny Efraima vo sy ho vahoaky sasy. 9 Samaria gny lohan'i Efraima, vo gny zanadahin'i Remalia gny lohan'i Samaria. Gno sy mitoby fatrasy amin'gny finoa handrareo, dra azo antoky fa sy ho voaro. 10 Nizaka tamin'i Ahaza ndraiky gny Tompo ho: 11 " Mangataha famatara amin'i Yaveh Zagnaharin'iha; mangataha an'izeho amin'gny laliky ndre amin'gny hahabonin'gny agnabo." 12 Dra ho Ahaza ho: " Sy hangataky zaho, ndre hisapa an'i nYaveh." 13 Dra namaly Isaia ho: " Tenoy, ry akohonan'i Davida. Sy apy andrareo vahoaky se gny misapa gny faharetan'gny vahoaky? Sy maisy misapa gny faharetan'gny Zagnahariko koa ra handrareo? 14 No zeho dra gny Tompo mihisy gny hagnome famatara andrareo: Iho, ho bevoka gny somondrara, hiteraky zaza lelahy, vo hitoka gny agnarany ho Imanoela. 15 Hihina rononomandry vo tately izy no fa mahay manda gny rasy vo misafidy gny soa. 16 Fa mialohan'gny hahaizan'gny zaza manda gny rasy vo misafidy gny soa, dra ho lao gny tamin'gny pazaka riho ze natahoran'iha riho. 17 Yaveh dra hinday andro sy mbo nisy hatramin'gny nialan'i Efraima tamin'i Joda amin'iha, vo gny vahoakin'iha , vo amin'gny fianakavian-dran'iha ---handesy amin'iha gny pazakan'i Asyria." 18 Amin'zeho andro zeho Yaveh dra hisioky lalisy avy lavisy egny amin'gny onin'i Egypta, vo tately laha tamin'gnyb tanin'i Asyria. 19 Ho avy aby izy aby hifitaky ambany egny amin'gny llohasaha lao, egny asefasefany gny harambato, amin'gny fefy silo aby egny,vo amiamin'gny tany fihinam-bilo egny aby. 20 Amin'zeho fotoa zeho gny Tompo dra handrasy amin'gny hareza nofay tagny andafin'gny onin'i Eofrata--gny pazakan'i Asyria--gny loha vo gny volo tomboky; hangala riho volom-bava avo koa zay. 21 Amin'zeho andro zeho,dra hiteza agnomby vaviny masaiky vo kadra ro gny olo. 22 Vo nohon'gny hamaroan'gny ronono ze homen'ereo,dra hihina rononomandry izy, akory gny olon'aby tavela amin'gny tany eo dra hihina rononomandry vo tately. 23 Amin'zeho fotoa zeho,teo amin'zeho nisy voloboky aman'arivony tombagna sekely volafosy arivo, dra hisy ndre ino ndre ino gno nsy silo. 24 Handeha ho agny so hizaha amin'gny sipiky gny olo, akory gny tany aby dra silo aby. 25 Hizano lavisy gny tately ze navaliky tamin'gny fangaly ereo, nohon'gny tahosy an'riho silo; fa ho toera fihinanan'gny biby fiteza vo kadra zeho