Toko fah 13

1 Fitalilia mahakasiky an'i Babylona, zay azon'Isaia zanadahin'i Amoza: 2 Manangana fagneva agny antezovohisy mangalihaly, mikoiha fatrasy amin'ereo, ahofahofay amin'ereo gny tagna ndrareo so hilirany amin'gny vavahadin'ereo mana-kaza. 3 Fa nandidy reo masoko zaho, eka fa nitoka reo lelahy maheriko ba hagnatateraky gny fahoriako, aka ndre dra reo mibitaky am-pirengirengea aza. 4 Gny horakoraky gny maro an'isa agny an-tezovohisy, dra manahaky gny vahoaky maro be! Gny tabataban'gny fazaka manahaky reo firene maro tafaharo! Yaveh tompn'gny maro gny napahery gny tafiky amin'gny aly. 5 Avy agny amin'gny firene lavisy ereo, avy agny ami'gny faratapon'gny lagnisy. Yaveh vo reo fitova fisarany zay, ba handrava gny tany manotolo. 6 Midradradradra, fa atomosy gny andron'i Yaveh, ho avy mindray amin'gny fahapoteha avy amin'gny Tsitoha zay. 7 Noho zay dra hiraviravy gny tagnan'aby vo hivalaketraky gny fo aby. 8 Hihorohoro ero; ho azon'gny fahararia vo fagnirifiria ereo, manahaky gny apela miteraky. Samby ho lasa amin'ereo samby ereo ereo, sady hirehisy gny tarehiny. 9 Ingo, avy amin'gny fahavignira lozabe vo fahoria manafosy gny andron'i Yaveh, ba hahaavy gnyt tany ho lao vo hamotiky reo panota ao amin'zeho. 10 Reo kitan'gny lagnisy vo reo telo noho refy dra sy hagnome gny hazava. Gny masoandro dra ho mezy ami'gny fiposahany, sady sy hamirasy gny vola. 11 Hagnasazy zao totolo zao nohon'gny faharasia vo reo rasy fagnahy nohon'gny helok'ereo zaho. Hapisahasy gny fiavognavon'gny pirengirengy vo hapizesy gny fiavognavon'gny masiaky Zaho. 12 Hahiko keliky noho gny volamena voalio gny olo vo gny olombelo ho sarosy taliavy noho gny volamena sy mifangaron'i Ofira. 13 oho zay dra hahiko mihovisovisy amin'gny alalan'i Yaveh Tompon'gny lako, vo amin'gny androm-pahoriany lahibe gny lagnisy, vo hataoko miozongozo eo amin'gny toerany gny tany. 14 Manahaky gny gazela voahaza na manahaky gny agnondry sy misy piaraky, gny hiheregnan'gny olo kiraidraiky tamin'gny vahoakiny vo hilefany agny amin'gny taniny. 15 Ze hita aby dra ho faty aby , vo ze trasy aby dra ho fatin'gny mesabe. 16 Gny zaza madinik'ereo dra hotorotorogny amasony eo. Gny tragnon'ereo dra ho babaoy vo gny valiny ho voasaviky. 17 Ingo, maporisiky reo Mediana ba hanafiky an'ereo Zaho, zay sy ho voakasiky gny volafosy, na hakamamy gny volamena. 18 Gny sipikin'ereo handefo gny zatovony. Sy hana atra amin'gny zaza sady sy hamindra fo amin'gny zaza ereo. 19 Vo Babylona, gny mendri-pidera vatany amin'gny fazaka, gny famirapiratan'gny reharehan'gny Kaldeana, dra horava manahaky an'i Sodoma vo Gomora. 20 Sy honegna na hitoboha zay hatramin'gny taranaky faramandimby. Sy hisy Arabo hagnorin-day agny, na hisy piaraky agnondry hapandry gny agnondriny agny. 21 Fa reo bibidian'gny efisy gny hitoby agny. Ho feno vorondolo gny tragnon'ereo, vo ostrisa vo osilahy gny hifafihavaza ao. 22 Hiero agnaty ferovany ao gny kary, vo gny amboahaolo ao ami'ireo toera soasoa. Atomosy gny fotoany, vo sy tara gny androny.