Toko faha 12

1 Amin'zeho andro zeho dra hizaka hanao ho: "Hagnatisy fisora ho anao zaho, ry Yaveh. Fa ndre ory taminahy aza hanao, dra nivily gny fahorianao, vo nakahery anahy hanao. 2 Iho Zagnahary gny fagnimeza anahy, hatoky zaho vo sy hatahosy, fa Yaveh, egny , Yaveh gny herio vo hirako. Izy gny avy famoze anahy. 3 Amikafalia gny hanovozanao ranoavy amin'gny loharanon'gny fameza. 4 Amin'zeho andro zeho gny hizakanao ho: "Magnatera fisora ho an'i Yaveh vo mitokava gny Agnarany; zakao amin'gny olo gny asany, zakao fa nasandrasy gny Agnarany." 5 Mihira ho an'i Yaveh, fa nanao raha be voninahisy izy; aoky ho fatasy manera gny tany zay. 6 Mitokava fatrasy vo mikoiha fifalia, hanao ry ponin'i Ziona, fa lahibe eo agnivonao gny ray Masin'Israely."