Toko faha 11

1 Hisy solofony hisimoky avy amin'gny fotos'i Jese, vo hisy rasana avy amin'gny fakany hinday tegnany. 2 Hitoby aminazy ao gny Fagnahin'i Yaveh, gny fagnahin'gny fahendre vo fahazava say, gny fagnahin'gny fapianara vo hery, gny fagnahin'gny fahalala vo tahosy an'i Yaveh. 3 Gny sitrany gny ho tahosy gny tompo, sy ho saray amin'ze hitany maso izy, na hanapa-kevisy amin' ze ren'gny sofiny. 4 Fa kosa, hisara gny mizaly amin'gny fahamarigna izy sady hanapa-kevisy ar-drariny amin'gny pagbetry tegnan'gny tany. Hamely tany amin'gny sorakazon'gny vavany izy, vo hamono gny rasy fagnahy tamin'gny fofon'ain'gny molony. 5 Gny fahamarigna gny ho fehi-trokin'gny andilany, vo fahatokia gny fehi-troky mihodidy gny valahany. 6 Gny amboadia dra hindray hiay amin'gny zanak'agnondry, vo gny leoparda hindray mandry amin'gny zanak'osy, gny zanak'agnomby, gny liona tanora vo gny zanak'agnomby mifahy. 7 gny agnomby vavy vo gny bera dra hindray hiroaky,dra zanak'ereo hindray mandry. Gny liona dra hihina mololo manahaky gny agnomby. 8 Hihisa eo andavaky gny menarana gny zaza,vo gny zaza nisara-nono hanoby gny vatany eo andavaky gny bibilava. 9 Sy handrasy na handrava egny amin'gny tezovohisy masy aby ereo; akory ho feno fahalala an'i yaveh gny tany, manahaky gny rano mandrakosy gny ranomasy. 10 Amin'zeho andro zeho, dra hisanga manahaky gny fagneva ho an'gny vahoaky gny fotos'i Jese. Hitalia an'ereo firene vo ho be voninahisy gny toera fisaharany. 11 Amin'zay andro zay,dra hagnasarosy gny tagnany ndraiky gny Tompo ba hagnery reo sisa tavela amin'gny vahoakiny zay mitoby agny Asyria, Egypta, Patrosa, Kosa, Elama, Sinara, Hamata, vo reo nosin'gny ranomasy. 12 Hanoby fagneva ho an'ireo firene izy vo hagnango reo voaroakin'Israely vo reo voaelin'i Joda avy agny ami'gny vazatany efasy. 13 Hamalosy gny fialognan'i Efraima Izy, sady ho fongora gny fandrafian'in Joda. Sy hialo an'i Joda gny Efraima, vo Joda sy handrafy an'i Efraima sasy. 14 Fa hizoro hanafiky amin'gny Filistiana agny avarasy koa ereo, vo hindray hagnababo gny vahoaky agny asignana. Hanafiky an'i Moaba ereo, vo hakato an'ereo gny vahoakin'i Amona. 15 Hamotiky taterakygny sakeli-dranomasin'i egypta i yaveh. Mindray amin'gny rivosy mahama dra hagnefoefo gny tagnany eo amin'gny ony Eofrata izy vo hagnasaraky anazy ho sapa fito, dra ho afaky hisaky mindray amin'gny kapa zay. 16 Hisy lalam-be ho an'gny sisa amin'gny vahoaky ze mihery avy agny Asyria, manahaky gny nisian'zay ho an'Israely tamin'gny niakaran'ereo avy agny amin'gny tany Egypta.