Toko faha 10

1 Loza ho andreo ze manao lalana sy araky gny hisiny vo manorasy lily sy ara-drariny. 2 Sy magnome rariny gny ory izy, mandroba gny oloko mizaly amin'gny zony ereo, mandroba gny pinaday vata, vo manao gny kamboty ho hazan'ereo! 3 Ino gny hataon'iha amin'gny andro fisara gny fa ho avy boak'agny lavisy gny faharava? Amin'ia hanao gny hienga hitalia fagnapia, vo eza gny hanobianao gny varanao? 4 sy hisy ndre inop ndre ino ho tavela, vo hitapify eo amin'gny gaza hanao na ho lavo eo amin'ereo maty. Amin'riho raha any riho dra sy mihe gny haoriany; fa zeho, dra bo mohizisy avo gny tagnany. 5 Loza ho an'ereo Asyriana, gny soarakazo n'gny fahoriako, sorakazoze handesako gny fahasiahako! 6 Alefako hanohisy firene miavognavo vo hanohisy gny vahoaky ze mizaka gny haoriako manafosy anazy. Mandidy anazy hangalaky gny babo, hangalaky gny haza, vo hagnisakisaky reo manahaky gny fotaky egny andala zaho. 7 Kanefa sy zay gny kasany, na ho mihevisy manahaky anizay izy. Ao apony izay ho handrava vo handringa firene maro zay. 8 Fa ho izy ho: " Moa sy pazaka aby se gny andrian-dahiko aby? 9 Sy manahaky an'i Karkemisy se i Kalno? Sy manahaky an'i Arpada se i Hamata? Sy manahaky an'i Damaskosy se i Samaria? 10 Manahaky gny nandresen'gny tagnako riho fazaka panopo sapy, ze kahibe kokoa noho reo an'i Jerosalema vo Samaria gny sary raha sakis'ereo, 11 manahaky ze nahiko tagny Samaria vo reo sapy zava-poa, moa sy hanao manahaky izay amin'i Jerosalema vo reo sapiny avo koa moa zaho? " 12 Gny fa nahavita gny asany teo amin'gny tezovohisy Ziona vo tao Jerosalema gny Tompo, dra hagnasazy gny zakan'gny fo miavognavon'gny pazakan'i Asayria vo gny fignitia feno avognavo zaho. 13 Fa izy nizaka ho: " Tamin'gny tazako vo gny fahendreko gny niasako. Mana fahazava say zaho, vo fa nangala gny fefin'ireo vahoaky. Fa nangalariko gny harenan'ereo, vo manahaky gny agnombilahiko gny napoizoroako reo ponina. 14 Manahaky gny fisambora avy ao amin'gny akany, gny nangalan'gny tagnako reo haren'gny firene, vo manahaky gny fanangonan'gny raiky reo atoly nenga, gny hagnangonako gny tany aby. Sy nisy nagnakapoky gny elany ereo na nanokasy gny vavany na nihiakiaky." 15 Moa ve gny famaky hirehareha momba gny vatany amin'zay mampiasa anazy? Moa ve gny sofa hidoka gny vatany noho gny raiky zay manapaky amin'gny alalan'zay? Zay dra manahaky gny ho: afasorakazo raiky afaky mienga amin'ereo ze manenga an'zay na manahaky gny ho afaky manenga olo gny soarakazo. 16 Noho zay dra handefa fahiaza eo amin'ereo pialiny sangany i Yaveh Tompon'gny lako; vo eo ambanin'gny voninahiny dra hisy fireheta manahaky gny afo mirehisy. 17 Ho avy afo gny fahazavan'Israely, vo gny raiky Masiny ho lelan'afo, hagnoro vo handevo reo silony agnatin'gny raiky andro moza zay. 18 Yaveh dra hanimba gny vononahisy gny alany vo gny taniny mamokasy, dra gny fagnahin'zay vo gny vatan'zay; hanahaky gny olo marary miala ay zay. 19 Ho keliky reo sisa tavela amin'reo hazon'gny alany, ka ndre gny zaza aza afaky hagnisa reo. 20 Amin'zay andro zay, reo Israely sisa, reo fianakavian'i Jakoba ze mienga, dra sy hiatehisy amin'gny raiky ze nandresy anazy reo sasy, fa hiakyamin'i Yaveh vatany, dra gny raiky Masin'Israely. 21 Ze tavela amin'i jakoba dra nihery agny amin'gny Zagnahary mahery. 22 Fa ndre gny olon'iha aza, ry Israely, dra manahaky gny fasiky egny amoron-dranomasy, ze sisa tavela amin'ereo avo gny hihery. Nitendreny gny faharava,araky gny fangatakha fahamarigna manafosy. 23 Fa Yaveh Tompo'gny lako, dra eo andala-pagnatateraha gny faharava zay nontendre magnera gny tany. 24 Noho zay Yaveh Tompon'gny lako mizaka ho: " Ry vahoakiko zay mitoby ao Ziona, ka matahopsy reo Asyriana." Hamely an'iha amin'gny sorakazo izy, vo hananga gny tehiny amin'iha, araky zay nataon'ereo Egyptiana. 25 Ka matahosy anazy, fa afaky fotoa fohy dra hihasahy gny fahoriako amin'iha, vo hitariky amin'gny faharavany gny haoriako." 26 Dra Yaveh Tompon'gny lako dra hagnenga karavasy amin'ereo, manahaky gny tamin'gny nandreseny gny Midiana teo ambatolapin'i Oreda. Hagnenga gny rasakazony eo amin'gny ranomasy izy vo hagnenga izay manahaky gny nataony tao Egypta. 27 Amin'zeho andro zeho,gny vesasiny dra hiala laha teo amin'gny sorokin'iha vo gny ziogany laha teo amin'gny vozon'iha. Vo gny zioga dra ho rava nohopn'gny hatevezany. 28 Avy tao Aiata gny fahavalo vo nandalo an'i Migrona; tagny Mikmasy gny nitavina reo vasiny. 29 Nisaky tamin'gny fandalova ereo vo nitoby tao Geba. Nihovisovisy i Rama vo nilefa i Gibean'i saoly. 30 Mikiakiaky fatrasy ry zanaky apelan'i Galima! Aoka ho liana,ry Laisy! Indrisy ry Anatota mizaly. 31 Milefa i Madmena, vo reo ponin'i Gebima dra mihazakazaky ho amin'gny fiarova. 32 Amin'iho andro iho mihisy gny hizano ao Noba izy dra hamoko gny totohondry agny an-tendrombohisy gny zanakapelan'i Ziona, gny havoan'i Jerosalema. 33 Iho, Yaveh Tompon'gny lako hapiezera reo sapa amin'gny fidoboha mapatahosy; ho tapahy reo hazo lava loasy,vo ze abo loasy dra hafohezy. 34 Hamaky reo kirihitr'ala amin'gny famaky izy, vo iLIbanona dra hezera amin'gny fiandrianany.