Toko voalohany
2
"Kyrosy, pazakan'i Persia, dra mizaka ho: Yaveh, Zagnahary gny lagnisy, gny nagnome anahy gny fanzakan'aby amin'gny tany, sady nanendry anahy hagnory tragno agny Jerosalema agny Joda ho Anazy.
3
Ndre ia ndre ia boaky amin'gny vahoakiny (hiahy anazy ra gny Zagnahariny) dra faky miakasy agny Jerosalema dra hagnory tragno ho an'i Yaveh, Zagnaharin'Israely, gny Zagnahary ze agny Jerosalema.
4
Gny olony ze agnatin'gny fanzaka ze hitobian'ireo sisa tavela ao amin'izeho tany zeho dra tokony hagnome anazy reo volafosy vo volamena, fanagna vo biby, vo koa fagnati-sitrapo ho an'gny tragnon'Agnahary agny Jerosalema."
5
Bokeo nisanga reo lohan'ireo razamben'ireo fianakaviam-ben'i Joda vo Benjamina, reo pisoro vo levita, vo gny iaby ze netagnin'Agnahary gny fagnahiny so handeha vo hagnory gny tragnony.
6
Reo nagnodidy andreo dra nanoha gny asan'ereo tamin'gny raha volafosy vo volamena, fanagna, biby, raha soa, vo fagnati-sitrapo.
7
Naboakin'i Kyrosy pazaka avo koa reo raha tao an-tragnon'i Yaveh ze nandesin'i Nebokadnezara lat'agny Jerosalema dra napetrany tao amin'gny tragnon'ireo zagnahariny manoka.
8
Napetrak'i Kyrosy teo an-tagnan'i Mitredata pitavhiry vola, ze nagnisa reo ho an'i Sesbazara, pitariky an'i Joda zeho.
9
Tahokyn gny isan'ireo: koveta volamena telopolo, koveta volafosy arivo, koveta sivy amby ropolo hafa,
10
lasety zobo volamena telopolo, lasety zobo volafosy 410, vo raha hafa arivo fagnapiny.
11
Nisy fanaky 5.400 volamena vo volafosy no atambasy. Nandesin'i Sesbazara reo aby reo nofa nienga lat'agny Babylona nagnagny Jerosalema reo sesitany.