Toko faha 10

1 Bokeo Ahasoerosy pazaka napandoa hetra tamin'gny tany vo tamin'gny moron-siraky gny ranomasy. 2 Gny raha vitany aby nohon'gny heriny vo gny fahefany, nindray tamin'gny fitatara gny fahalabiazan'i Mordekay ze nanadratan'gny pazaka anazy, dra voasorasy ao amin'gny bokin'gny tataran'gny pazakan'i Media vo Persia zeho. 3 Mordekay gny Jiosy gny pazaka faharo tafaran'i Ahasoerosy pazaka. Lahibe teo amin'ireo Jiosy izy dra nalaza teo amin'ireo rahalahin'gny Jiosy maro, akory nitalia gny hagnapia gny vahoakiny izy dra nanogno fiadagna tamin'gny vahoakiny aby.