Toko faha 8

1 Ia gny olon-kendry? Ia gny mahay gny dikan'ireo raha-miseho eo amin'gny fiaigna? Gny fahendre eo amin'gny olo dra mahavy gny tarehiny hho miramira. sady miova gny hafatrasin'gny tarehiny. 2 MAnoro hevisy anao zaho mbo hagneky gny didin'gny pazaka nohon'gny fiainan'Agnahary hiaro anazy. 3 Ka malay amin'gny fagnatreha anazy, vo ka mifikisy amin'gny fanaovan-drasy, akory gny pazaka manao ze iaby iriny. 4 Manzaka gny zakan'gny pazaka, ka ia gny hizaka aminazy ho: "Ino tiky ahinao?" 5 Ndre ia ndre ia mitandry reo lilin'gny pazaka dra misoroky hahoria. Gny fon'olon-kendry dra mgneky gny lalana iombogna vo gny fotoan'gny fihesefa. 6 Misy valiny mary vo fotoa hamalia gny raha aby, akory lahibe reo olan'gny olo. 7 Sy misy mahay ze ho avy magnaraky. Ia gny afaky hizaka aminazy ze ho avy? 8 Sy misy panapaky amin'gny fofon'ainy ka hapizano gny fofon'ay, dra sy misy manan-kery amin'gny andron'gny fahafatesany. Sy misy afaky amin'gny tafiky mandrisy gny aly, vo gny faharasia dra hamonzy reo ze andevon'izay. 9 Nahafatasy anizay iaby zay zaho; napihatry gny foko tamin'gny asa soa aby ze nahy tetiky ambany masoandro zaho. Misy gny fotoa zay apahorian'gny olo gny hafa amin'gny ratran'izay olo zay. 10 Dra hitako gny rasy fagnahy nalevy am-pahibemaso. Nala tamin'gny farisy masy ereo ka nalevy vo nisiririn'ireo ponina tao amin'gny tana zay nanaovan'ereo gny asa rasiny.Zay koa dra sy misy dikany. 11 No sy tateraky malaky gny lilim-pisara hanohisy gny heloky bevava rasy, dra mitao reo fon'olombelo hanao rasy zay. 12 Ndre dra manao rasy in-zato aza gny panota vo mbo velo mandrisy gny fotoa maharisy. dra fatako fa soa ho an'ereo ze magnaza an'Agnahary, zay magnome voninahisy gny fagnatregany mindra amin'ereo zay. 13 Fa sy ho soa ho an'gny olo rasy fagnahy zay; sy haharisy gny fiaignany. Reo androny dra manahaky gny aloky mihely akory sy magnome voninahisy an'Agnahary izy. 14 Mbo misy raha fahatany hafa--- raha hafa vita tetiky ambonin'gny tany. Reo raha mitranga amin'gny olo-mary dra manahaky gny fitrangan'ireo amin'gny olo rasy fagnahy, dra manahaky gny itrangan'ireo raha amin'gny rasy fagnahy gny itrangan'izay amin'gny olo-mary. Ho zaho ho raha-fahatany avo koa zay. 15 Dra mitaky gny hafalia zaho, akory sy misy raha soa azon'gny olo egnyambany masoandro noho gny mihina vo mino vo mifaly. Dra gny hafalia gnyy hagnaraky anazy agny amin'gny asany amin'gny androm-piaignany aby ze nomen'Agnahary anazy ambany masoandro. 16 No nanefy gny foko hahay gny fahendre zaho vo hahafatasy gny asa ze ahy eto ambonin'gny tany, dra vita sy amin-torimaso amin'gny hariva na amin'gny dizera matetiky gny asa, 17 dra nandiniky reo asan'Agnahary aby zaho, vo gny olo dra sy afaky hahatakasy gny asa ze vita teto amabanin'gny masoandro. Ndre akory ndre akory gny hamaron'gny asan'gny olo mbo hahita reo valiny, dra sy hahita anizay ereo. Ndre zay aza gny olon-kendry dra mety hino fa mahay izy, nefa dra sy mahay vatany.