Toko faha 9

1 Nahita gny Tompo nizoro teo agnilan'gny Alitara zaho, dra ho Izy ho: " Zerao gny tendron'ireo andry so hihozo reo fotosy. Torotoro gny egny amin'gny lohany aby egny, dra hamono amin'gny mesa gny sisa tavela amin'ereo Zaho. sy misy raiky hielfa amin'ereo. 2 Ndre handavaky agny amin'gny fiegnan-sy hita aza ereo, dra gny tagnako gny hangalaky andreo agny. Ndre dra hiakasy egny amin'gny lagnisy aza ereo, dra ho andesiko mizoso. 3 Ndre dra mivony agny an-tapon'gny Karmela aza ereo, dra hikaroky sady hangalaky andreo agny Zaho. Ndre dra mivony agny ambanin'gny ranomasy aza ereo, dra hagniraky gny bibilava agny Zaho, dra hagnifasy azdreo zay. 4 Ndre dra mandeha ao amin'gny fahababoa aza ereo, andesin'gny fahvalony eo agnoloan'ereo, dra hagnome beko gny mesa Zaho, dra hamono andreo zay. Hangety andreo avo gny masoko so hanimba fa sy hanao soa andreo." 5 Yaveh Tompon'gny maro dra nikasiky gny tany dra nazary karakay zay; gny iaby ze miay ao amin'izeho dra mandala; hiakasy manahaky gny Ony zeho iaby zeho, dra hiletiky ndraiky manahaky gny onin'i Egypta, 6 Izy gny naganmboasy reo tohany agny an-dagnisy, vo fa nametraky gny andohalambony manera gny tany. Nitoka gny ranon'gny ranomasy Izy, dra nandraraky anizay teo amin'gny velaran-tanin'ereo, Yaveh gny agnarany. 7 Sy manahaky gny vahoakin'i Etiopia ra handrareo ho anahy, ry vaoakin'Israely?--- zay gny fagnambaran'i Yaveh. Sy nanday an'Israely hiboaky an'i Egypta, reo filistina lat'agny Kreta, vo reo Syriana lat'agny Kira ra Zaho? 8 Ingo, eo amin'gny fanzaka panota gny mason'gny Tompo Yaveh, dra hagnombosyanazy sy ho eto ambonin'gny tany zaho, fe sy hamotiky tateraky gny fasangen'i Jakoba zaho--- zay gny fagnambaran'i Yaveh. 9 Ingo, hagnome beko, dra hangozohozo gny zanak'Israely eo amin'gny firene aby Zaho, manahaky gny olo maniva vary amin'gny siva, so sy hilasahan'gny vato keliky amin'gny tany. 10 Gny panota aby lat'amin'gny vahoakiko dra ho faty amin'gny mesa, reo ze mizaka ho: ' Sy hahatrasy na hagnato asika gny loza.' 11 Amin'izeho andro zeho dra hananga gny tragno-lain'i Davida ze nilavo Zaho, sady hagnatampy reo bangany. hasangako reo faharavany, dra hamboariko hanahaky gny tamin'gny andro fa ela zay. 12 So hanagnan'ereo gny sisa tavela an'i Edoma, vo gny firene aby ze nitokavy tamin'gny agnarako--- zay gny fagnambaran'i Yaveh--- nanao anizay Izy. 13 Ingo, ho avy gny andro--- zay gny fagnambaran'i Yaveh--- nofa mahatrasy gny fizinza gny piasa-tany, vo reo pioty voaloboky dra hahatrasy anazy ze namboly gny vihiny. Reo tendrombohisy dra hapiboiboiky divay mamy, vo reo havoa aby dra hikoria mindray amin'izeho. 14 Ho andesiko mihery lat'agny amin'gny fahababoa gny vahoakiko Israely. Hananga reo tana rava ereo dra hitoboky amin'izay, hamboly tanim-boaloboky ereo dra hino gny divain'izay, sady hana zaridaina ereo dra hihina gny vokas'izay. 15 Hamboly anizay eo amin'gny tanin'ereo Zaho, dra sy hiombosy eo amin'gny tany ze nomeko andreo sasy mihisy ereo," ho i Yaveh Zagnaharindrareo.