Toko faha 8

1 Zao gny nasehon'gny Tompo Yaveh taminahy. Ingo, voakazon'gny fahavarasy raiky haro! 2 Ho Izy ho: " Ino gny hitaniha, ry Amosa?" Dra ho zaho ho: " Gny haron'gny voakazo fahavarasy." Dra ho Yaveh taminahy ho: " Fa avy amin'gny Israely vahoakiko gny farany; sy hamindra fo amin'ereo sasy zaho. 3 Hazary fidradradradra gny hiran'gny tepoly. Tamin'izeho andro zeho---zay gny fagnambaran'gny Tompo yaveh. Ho maro reo faty, dra hatorakin'ereo mangingiky egny amin'gny aby egny regny!" 4 Tenoy zao, handrareo ze magnisaky gny ory vo magniliky gny mahnantran'gny tany. 5 Hizaka ereo ho: " Ombia vo ho tapisy gny vola vaovao, so hafahasika mivarosy vary ndraiky? Ombia vo ho tapisy gny andro Sabata, so hahafahansika mivarosy vary? Hahisika keliky gny famara sady hapekary gny vilim-bary, sady hangalasy amin'gny mizana diso sika. 6 Zay dra so hahafahasika mivarosy vary rasy, vilio amin'gny volafosy gny ory, vo gny mahantra amin'gny kapa." 7 Nifata tamin'gny fireharehan'i Jakoba i Yaveh ho: " Vatany sy ho alignoko mandrakizay mihsy gny nahin'ereo." 8 sy hihorohoro noho zay ra gny tany, vo gny olo aby ze mitobpky ho amin'izeho dra mandala? Gny akamaroan'izeho dra hisanga manahaky gny Onin'i Neily, sady hisamboaravoara vo hiletiky ndraiky zay, manahaky gny Onin'gny Egypta. 9 " Dra ho avy zay amin'iho andro iho--- zay gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh--- fa hapiposaky gny masoandro amin'gny mitatao vovogna Zaho, sady hagnamezy gny tany amin'gny dizera. 10 Hamaliky gny firavoravoa ho fandala Zaho vo reo hirandrareo aby ho fitomagnia. Hapanoviko gny akazo fandala aby handrareo aby sady ho sola gnylohan'gny kiraikiraky. Hanao anizay manahaky gny fandala ho an'gny zanaky alahitoka zay, sady andro mafaisy agny amin'gny faran'izay. 11 Ingo, avy gny andro--- zay gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh--- Nofa handefa mosary egny amin'gny tany Zaho, sy mosary mofo, nakoa hetaheta rano, fa ho amin'gny fandregnesa reo zakan'i Yaveh. 12 Hivembe erakin'gny ranomasy ereo; dra hilomay lat'agny avarasy ka hatragny asinagna so hitalia gny zakan'i Yaveh, fe sy hahita anizay ereo. 13 Amin'izeho andro zeho reo viriziny soa tarehy vo reo tovolahy dra ho ketraky gny hetaheta. 14 Reo ze nifata tamin'gny fahotan'i Samaria dra ho lavo ereo sady sy hisanga sasy."