Toko faha 25

1 Dimy amby ropolo tao i Amazia raha nanomboky nazaka; nazaka sivy amby ropolo tao tao Jerosalema izy. Joadana gny agnaran-dreniny, boak'ao Jerosalema. 2 Nanao ze mary teo amason'i Yaveh izy, saiky sy tamigny fony manotolo. 3 Dra nony tafapetraky soa gny fazakany, dra namono reo panopo ze namono gny babany, pazaka izy. 4 Kanefa sy namono reo zanak'ireo panopo izy, fa nanao araky ze voasorasy tao amigny lala, tao amigny bokin'i Mosesy, araky gny nandidian'i Yaveh ho: "Aoky gny rasy ho maty nohonigny zanaky, na gny zanaky maty noho gny babany. Fa koa, tokony ho maty nohonigny otany avo koa gny olo sirairay." 5 Ko dra, navorin'i Amizia niaraky gny Joda, dra nindray asorasy gny agnaran'ereo araky gny taranaky gny razambeny aby, teo ambanin'ireo pifehy gny arivo vo pifehy gny zato__Joda vo Benjamina aby. Nihisahiny nanomboky tamigny ropolo tao miakasy ereo, dra 300.000 reo lelahy voafaty, afaky mandeha agnaly, ze afaky mita lefo vo apinga. 6 Nagnaraky lelahy pialy 100 000boak'amin' Israely avo koa izy tamigny taleta volafosy zato. 7 Fa nisy lelahin'Agnahary raiky avy teo aminazy dra nanao anizahoky ho: "Ry pazaka, ka anga hiaraky aminao gny tafik'Israely, akory Yaveh sy momba gny Israely__na gny vahoakin'i Efraima. 8 Kanefa na dre mandeha vo mahery fo dra mahery agnaly aza hanao, dra handova anao eo agnatrehanigny fahavalonao Zagnahary, akory zagnahary dra mana fahefa hagnapy, vo fahefa handova." 9 Dra hoy Amazia tamigny lelahin'Agnahary ho: "Ko ino zay gny ataonay momba reo taleta zato ze fa nameko ho anigny tafik'Israely?" Gny lelahin'Agnahary namaly ho: "Yaveh dra afaky magnome anao maro mihoasy noho izay." 10 Dra nisoratin'i Amazia gny tafiky boak'aminazy vo gny boak'amin'i Efraima; dra nasany noly ndraiky ereo. Ko nirehisy fatrasy tamin'i Joda gny hasiahan'ereo, dra noly tamin-kasiaha fatrasy ereo. 11 Dra Amazia nana heri-po dra nitariky gny vahokiny niboaky gny Lohasakan-driaky; tao gny nandreseny reo lelahy ray aly boak'agny Seira. 12 Nisambo-belo reo ray aly hafa gny tafik'i Joda. Nandesin'ereo tagny ataponigny haram-bato ereo dra naheriny boak'egny, ba hamotipoteha anereo aby. 13 Fa reo lelahinigny tafiky ze naherin'i Amazia, ba sy handehanan'ereo miaraky aminazy agny agnaly, dra nanafiky reo tanan'i Joda hatragny Samaria dra hatragny Beti-horona. Nandova vahoky telo arivo vo nangalaky babo maro ereo. 14 Dra gny fa tafahery boak'amigny famonoa gny Edomita i Amazia, dra ninday reo zagnahariny gny vahoakin'i Seira, vo nametraky anereo ba ho zagnahariny manoka izy. Niakohoky teo anoloan'ireo izy dra nagnoro liti-kazo magnisy ho an'ireo. 15 Noho zay dra nirehisy tamin'i paminany ho agny aminazy Izy, ze nanao anizahoky ho: :Nagnino hanao gny nitalia reo zagnahariny gny vahoaky ze sy nahavozy reo vahoany teo atagnanao akory?" 16 Dra raha bo nizaka taminazy gny paminany, dra hoy gny pazaka taminazy ho: "Moa ra izahay fa nanao anao ho panolo-sainigny pazakan? Aoky zay! Nagnino hanao gny tokony ho vono?" Dra nizano gny paminany dra nanao anizahoky ho: "Fataro ga nanapa-kevisy gny handrava anao zagnahary akory nanao anizay asa zay hanao dra sy niteno gny toroheviso." 17 Dra nitalia hevisy tamireo panolo-say i Amazia, pazakan'i Joda dra nagniraky pinday hafasy tagny amin'i Joasy zanadahin'i Johaza zanadahin'i Jeho, pazakan'Israely, nanao anizahoky ho: "Avia, aoky isika hifagnatri-tava amigny aly." 18 Kanefa i Joasy pazakan'Israely nagnery reo pinday hafasy ho agny amin'i Amazia pazakan'i Joda, nanao anizahoky ho: "Silo raiky tagny Libanona nandefa hafasy tamina sedera raiky tagny Libanona, nanao anizahoky ho: 'Ameo ho valinigny zanadahiko gny zanakapelanao,' kanefa nisy bibidia raiky avy tagny Libanona nandeha teo dra nagnosihosy gny silo. 19 Hanao fa nanao anizahoky ho: 'Ingo, fa nandavo an'i Adoma zaho,' dra gny fonao gny napirehareha anao. Mireharehava amigny fandresenao, nefa mitoera avo agny atragno, fa nagnino hanao gny tokony hiteraky korota vo fahalavoa, ho anigny vatanao vo Joda miaraky aminao?" 20 Saiky sy niteno Amazia, akory boak'amin'Agnahary zay tranga zay, ba hahafahany manolosy gny vahoakin'i Joda ho eo atagnan'ireo fahavalony, akory fa te hihery boak'amireo zagnaharin'i Edoma ereo. 21 Dra nanafiky i Joasy, pazakan'i Israely; izy vo Amazia, pazakan'i Joda, dra nifagnatri-tava tao Beti-semesy, ze an'i Joda. 22 Lavo teo agnatrehan'Israely gny Joda, dra nienga noly gny lelahy aby. 23 Joasy, pazakan'Israely, dra nanambosy an'i Amazia zanadahin'i Joasy zanadahin'i Ahazia, pazakan'i Joda, tao Beti-semesy. Nandesiny tagny Jerosalema izy dra nandrotiky gny mandan'i Jerosalema hatragny amigny vavahady Efraima dra hatragny amigny Vavahady azorony, ze nielagnelagny efazato hakiho. 24 Nalany avokoa gny volamena vo gny volafosy aby, gny raha aby ze hita tao atragnon'Agnahary niaraky tamin'i Obed-edoma, dra reo raha nanan-daza tao atragnonigny pazaka, niaraky tamireo takalon'ay avo koa, dra nihery tagny Samaria. 25 Amazia zanadahin'i Joasy, pazakan'i Joda, dra niay dimy ambiny folo tao tafaranigny nahafatesan'i Joasy, zanadahin'i Joahaza, pazakan'Israely. 26 Raha gny amireo raharaha hafa mahakasiky an'i Amazia, gny volohany vo gny farany, ingo, moa ra ereo sy fa voasorasy tao agnatinigny bokin'ireo pazakan'i Joda vo Israely? 27 Dra nanomboky tamigny fotoa ze nivilian'i Amazia tamigny fagnaraha an'i yaveh, dra nanomboky nanao tetiky hagnoregna anazy tagny Jerosalema ereo. Nienga tagny Lakisy izy, kanefa ereo nagniraky lelahy nagnaraky anazy tagny Lakisy dra namono anazy tagny. 28 Nandesin'ereo nihery tamigny sovala izy dra nandevy anazy niaraky tamireo razambeny tao atanan'i Joda.