Toko faha 23

1 Tamy tao faha-fito, dra nampiseho gny heriny i Joiada dra nanao fifaneke tamin'ireo mpifehy gny azatony, dra Azaria zanadahin'i Jerohama, Isimaela zanadahin'i Johanana, Azaria zanadahin'i Obeda, Mahaseia zanadahin'i Adaia, dra Elisafata zanadahin'i Zikri. 2 Nagnagny Joda izy reo dra namory reo Levita laha tamin'ireo tananan'i Joda iaby, vo reo loham-pianakavian'Israely, dra avy tao Jerosalema izy reo. 3 Nanao fifaneke tamy Pazaka tao an-tragnon'agnahary gny fiangona iaby. Hoy Joida tamin'ereo ho:Ingo, hazaka gny zanadahiny Pazaka , araky gny nizakan'i Yaveh mahakasiky reo taranak'i Davida. 4 Zao gny sy maisy ataondrareo:gny raiky ampahatelondrareo mpisoro vo Levita zay avy hanompo amy Sabata, dra ho mpiamby eo amin'ereo vatrangara . 5 Gny ampahatelony hafa agny amy tragnony Pazaka, dra ampahatelony hafa agny amy fefiny Fotatra. Gny olo aby dra ho agny ankiazany tragnon'i Yaveh. 6 Ka misy olo anga magnao antragnon'i Yaveh, afa-sy reo mpisoro vo Levita ze manompo.Mahazo milisy izy reo satria voatoka. Fa gny olo hafa aby dra sy maisy mankatoa reo didin'i Yaveh. 7 Sy maisy mihodidy gny mpazaka amy lafiny aby reo Levita, gny olo iaby miaraky amy fitovam-pialiany egny an-tagnany . Na iza na iza milisy ao amy tragno, dra ao izy ho vono. Miaraha amy Pazaka fa gny milisy vo miboaky izy.'' 8 Noho zay reo Levita vo i Joda aby dra nanompo tamy fomba iaby ze nandidian'i Joiada mpisoro.Samy nangalaky reo lelahiny gny Kirairaky, reo ze ho avy hanompo amy Sabata, vo reo zay hiriosy gny fanompoa amy Sabata, satria Joida, mpisoro, dra sy ba nandroaky na iza na iza tamy fizaran'ereo. 9 Laha teo Joiada, mpisoro, ninday lefo ho an'ireo mpifehy vo zanak'apinga masaiky vo lahibe zay an'i Davida Pazaka ze tao antragnon'Agnahary. 10 Nalahasin'i Joiada rep miaramila iaby, gny lelahy kirairaiky samy niaraky tamy fitovam-pialiany tegny an-tagnany, laha teo amy tapany havanany tempoly hatragny amy tapany haviany tempoly , nagnaraky gny alitara vo gny tempoly, nagnodidy gny Pazaka. 11 Dra nandesin'ereo niboaky gny zanadahiny Pazaka, napetraky teo aminazy gny satro-boninahisy, dra nomena anazy gny lalany faneke. Dra nataon'ereo ho Pazaka izy, dra nagnososy anazy i Joiada vo reo zanadahiny. Dra hoy izy reo ho:''Ho ela velo se gny Pazaka.'' 12 Fa gny ren'i Atalia gny tabatabany vahoaky nilomalomay vo nidera gny Pazaka, dra nagnato gny vahoaky tao an-tragnon'i Yaveh izy. 13 Dra nagnety izy, ka ingo, nisanga mariny teo andry teo amy filira gny Pazaka , dra teo agnilany Pazaka reo mpifehy vo reo mpisioky trompetra. Nifaly vo nisioky trompetra gny olony tany iaby, dra nitendry raha magneno vo nitariky gny hira fiderana reo mpihira . Laha teo Atalia naniasy gny ankazony dra nihiaky ho:''Mpamaliky!Mpamaliky!'' 14 Laha teo Joida, mpisoro, ninday niboaky reo mpifehy gny azatony ze teo amy tafiky dra nizaka tamin'ireo ho:Aboaho eo agnelagnelany filahara izy' zay olo magnaraky anazy ao izy ho vono amy sabasy . ''Fa hoy gny mpisoro ho:''Ka vono ao antragnon'i Yaveh izy.'' 15 Noho zay dra nanao lalana ho anazy izy reo, dra nandeha tamy lalany fefy sovala nagnagny amy tragnony Pazaka izy, dra tany gny namonoan'ereo anazy. 16 Laha teo Joiada nanao faneke tamy atany, vo gny olo aby, vo gny Pazaka , fa tokony olon'i Yaveh izy reo. 17 Noho zay dra nilisy tao antragnon'i Bala gny olo iaby dra nandrava anizay. Nitorotoron'ereo gny alitaran'i Bala vo reo sariny, dra nivonon'ereo teo anoloan'ereo alitara reo i Matana, mpisoron'i Bala. 18 Dra Joiada nanendry manam-boninahisy ho agny tragnon'i Yaveh teo ambany fehin'ereo mpisoro, zay Levita, zay nitendren'i Davida ho agny tragnon'i Yaveh, ba hanolosy fagnatisy oroa ho an'i Yaveh, araky gny voasorasy ao amy lalan'i Mosesy, niara-nifaly vo nihira, araky gny torolala nomen'i Davida. 19 Nametraky mpiamby teo am-bavahadiny tragnon'i Yaveh i Joiada, ba sy hisy na raiky naloto tamy fomba maro tokony hilisy. 20 Nandesin'i Joida niaraky taminazy reo mpifehy gny azatony , reo lelahy manan-kaza, reo governorany vahoaky, vo reo olony tany aby. Nandesiny niboaky laha tao amy tragnon'i Yaveh gny Pazaka ;nagnato laha tegny amy vavahady agnabony nagnagny amy tragnony Pazaka gny olo dra nametraky Pazaka ho eo amy seza fiandrianam-pazaka. 21 Koa dra niravoravo gny olo aby tao amy tany, dra nilamy gny tana. Raha gny amin'i Atalia , dra nivonon'ereo tamy lefo izy.