Toko faha 21

1 Nimaty tagny amireo razambeny i Josafata dra nalevy niaraky tamin'ereo tao amigny tanan'i Davida; Jehorama, zanadahiny, gny lasa pazaka nandimby gny toerany. 2 Nana rahalahy i Jehorama, zanak'i Josafata: dra Azaria, Jehiela, Zakaria, Azaria, Mikaela, dra Sefatia. Zanadahin'i Josafata, pazakan'Israely avokoa reo. 3 Nanolosy fagnomeza volafosy, volamena, dra raha sarobily hafa maro dra maro, dra tana mimanda tagny Joda ho anereo avo koa gny babany, siky nameny an'i Jehorama gny seza fiandriana, akory izy gny lahimatoa. 4 Dra gny fa nisanga teo amigny fazakan-drany i Jehorama dra nametraky fatrasy gny vatany ho pazaka, dra nivonony tamigny sabasy reo rahalahiny aby, vo reo pitarik'Israely samihafa avo koa. 5 Ro amby telopolo tao i Jehorama raha nanomboky nazaka, dra nazaka nandrisy gny valo tao tao Jerosalema izy. 6 Nandeha tamigny lalan'ireo pazakan'Israely izy, manahaky gny nataonigny taranak'i Ahaba, fa gny zanadahin'i Ahaba gny valiny, dra nanao rasy teo amason'i yaveh izy. 7 Kanefa, sy nagniry gny handringa gny tarak'i davida i Yaveh, nohonigny amigny fagneke ze nataony tamin'i Davida; fa napanatena gny hagnome fiegna ho anereo taranany lalandava Izy. 8 Tamigny andron'i Jehorama, dra nokomy hiala tamigny fifehezan'i Joda i Edoma, dra nametraky pazaka ho eo amin'ereo. 9 Dra nisaky niaraky tamireo pifehiny vo reo kalesany aby i Jehorama. Andro hariva gny niaingany vo nialiany tamireo Edomita ze nagnodidy anazy vo pifehy gny kalesiny. 10 Ko fa nikomy tamigny fifehezan'i Joda mandrak'amizao i Edoma. Nikomy hiala tamigny fifehezany niaraky tamizay avo koa i Libna, akory Jehorama fa nahafo an'i Yaveh, Zagnaharin'ireo razambeny. 11 Fagnapin'izay, dra nagnory fitoera abo tagny amireo tendrombohis'i Joda avo koa i Jehorama, dra napiay gny ponin'i Jerosalema manahaky gny pivaro-tegna, dra ninday an'i Joda hania. 12 Nisy taratasy boak'amin'i Elia paminany boak'agny amin'i Jehorama. Izao gny talilin'izay: "Izao gny zakan'i Yaveh, gny Zagnaharin'i Davida, razambenao: Akory nandeha tamigny lalan'i Josafata, babanao hanao, na tamireo lalan'i Asa, pazakan'i Joda, 13 fa nandeha tamigny lalan'ireo pazakan'Israely koa, dra nahaavy an'i Joda vo reo ponin'i Jerosalema hiseho manahaky gny pivaro-tegna, manahaky gny nataonigny taranak'i Ahaba__dra akory fa nivononao tamigny sabasy avo koa reo rahalahinao tao amigny fianakavian-dranao, dra reo lelahy soa noho gny vatanao 14 ingo, Yaveh hamely anao, reo zanakao, vo reo valinao, dra gny harenao aby amigny areti-mandringa lahibe. 15 Hanao mihisy gny harary fatrasy nohonigny arety ao amigny sinainao, ambara-pahavoa gny sinainao noho gny arety, isan'andro isan'adro." 16 Dra napieta gny fagnahin'ireo Filistina vo reo Arabo ze nagnariny an'ireo Etiopiana hanohisy an'i Jehorama i Yaveh. 17 Namely an'i Joda ereo, nagnafaky anizay, dra nangalaky reo harena aby ze hita tao atragnonigny pazaka. Nalan'ereo avo koa reo zanadahiny vo reo valiny. Sy nisy zanadahiny tavela ho anazy afa-sy i Jehoaza, zanany faralahy. 18 Tafaran'izay aby zay, dra namely anazy tao amigny sinainy tamigny arety sy hay sitragny i Yaveh. 19 Dra tamigny fotoa voatondro, afaky ro tao, dra lavonigny arety gny sinainy, dra maty nohonigny arety namaivay izy. Sy nandrehisy afo ho voninahiny araky gny nataon'ereo ho anigny razambeny gny vahoany. 20 Nanomboky nazaka gny tamigny faharo amby telo polo taony; nazaka tao Jerosalema nandrisy gny valo tao izy, dra maty sy nisy pitomagny. Nalevin'ereo tao amigny tanan'i Davida, fa st tao amigny lolonigny pazaka.