Toko faha 19

1 Nihery soa ama-sara tagny atragnony tagny Jerosalema i Josafata pazakan'i Joda. 2 Boak'eo Jeho zanadahin'i Hanana, gny pahita, niboaky hiseza anazy dra nizaka tamin'i Josafata pazaka ho: "Tokony hagnapy gny rasy fagnahy ra hanao? Tokony hitia reo ze malaiky an'i Yaveh ra hanao? Noho izay asa izay, dra ao aminao gny hasiaha boak'amin'i Yaveh. 3 Na izay aza, dra bo misy soa hita ao agnatinao, fa nalanao hiala gny tany reo baon'Aseraha, dra fa nanefy gny fonao hitalia an'Agnahary hanao." 4 Nony tao Jerosalema i Josafata; dra niboaky hitety gny vahoaky ndraiky izy hatragny Beriseba dra hatragny amigny tany havoan'i Efraima dra ninday anereo nihery tagny amin'i Yaveh, gny Zagnahary gny razamben'ereo. 5 Nametraky pisara tagny amigny tany nanera reo tana mimanda aby tagny Joda izy, isaky gny tana. 6 Hoy izy tamireo pisara ho: "Hevero ze tokony hataondrareo, akory sy misara ho an'olo handrareo, fa ho an'i Yaveh; momba andrareo Izy amigny asa-pisara. 7 Ko amizao, aoky ho amindrareo gny tahosy an'i Yaveh. Mitandrema gny fa misara handrareo, fa sy ba misy heloky amin'i Yaveh zagnaharisika, na fagnatia tavan'olo na fitakara kolikoly." 8 Ko, nandresy gny ilany tamireo Levita vo reo pisoro, dra gny ilany tamireo pitariky gny tragnon-drazan'Israely tao Jerosalema i Josafata, ho amigny fagnatateraha gny fisara ho an'i Yaveh, dra ho amireo fifandira. Nitoby tao Jerosalema ereo. 9 Napianasy anereo, nanao anizahoky ho: "Tokony hanopo an'i Yaveh apagnaza, apatokia, dra amigny fondrareo manotolo handrareo. 10 Na ombia na ombia avy amindrareo gny fifandira amireo rahalahindrareo ze mony agny amigny tanan'ereo, na makasiky gny fandasahan-dio, na momban'ireo didy aman-dalana, dra apitandremo ereo, ba sy ho lasa ory eo agnatrehan'i Yaveh ereo, raha sy zay dra ho avy amindrareo vo amireo rahalahindrareo gny haoria. Izay gny tokony hataondrareo ba sy ho ory handrareo. 11 Ingo, Amaria pisorom-be gny eo amindrareo amigny raharahan'i Yaveh aby. Zebadia zanadahin'i Ismaela, pitariky gny taranak'i Joda, gny miandrekisy gny raharahanigny pazaka aby. Reo Levita avo koa dra ho mana-pahefa hanopo andrareo. Mahereza dra araho reo torolalandrareo reo, dra Yaveh anie homba an'ireo ze soa."