Toko faha 17

1 Josafata zanadahin'i Asa dra avy Pazaka nandimby anazy.Nampatazaky gny vatany hanohisy an'Israely i Josafata. 2 Nametraky tafiky tamin'ireo tana mifefin'i Joda aby izy, dra nametraky miaramila tagny amin'ereo tanin'i Joda vo tagny amin'ereo tananan'i Efraima, zay nibaboin'i Asa rany. 3 Nomba an'i Josafata i Yaveh satria nandeha tamin'ireo lalan'i Davida rany volohany izy, dra sy nitalia reo Bala. 4 Fa nahatoky any Zagnahary gny rany izy, dra nandeha tamin'ireo didiny, fa sy ba tamy fitondra-tegnan'Isrraely. 5 Dra napetrak'i Yaveh teo an-tagnany gny fanapaha ;nagnome voninahisy an'i Josafata gny joda aby. Nana hanagna vo voninahisy be izy. 6 Gny fony dra natao ho an'ireo lalan'i Yaveh.Nangalaky reo fitoera abo vo baon'Asaraha tagny Joda avo koa izy. 7 Tamy tao fahatelo nazakany dra nagniraky an'i Benaila, Obadia , Zakaria, Netanela dra i Mikaia manam-pahefany izy, ba hampianasy agny amin'ireo tananan'i Joda. 8 Niaraky tamin'ereo koa reo Levita:dra i Semaia, Netania, Zebadia, Asahela, Semiramota, Netania, Adonia, Tobia, dra Tob-adonia;dra niaraky tamin'ireo i Elisama vo Jorama mpisoro. 9 Nampianasy tagny Joda ereo, dra nana gny bokiny lalan'i Yaveh niaraky taminazy. Nandeha nanera gny tanann'i Joda aby ereo dra nampianasy teo amy vahoaky. 10 Nilasaky tamin'ireo fazakany tany aby ze nagnodidy an'i Joda gny horohoro an'i Yaveh, ba sy hiasian'ireo aly amin'i Josafata. 11 Gny Filistina gnilany ninday fagnomeza ho an'i Josafata, vo volafosy ho fagnomezam-boninahisy . Reo Arabo koa dra ninday agn'ondry vo osy ho anazy, agn'ondrilahy 7 700 dra osilahy 7 700. 12 Avy tena nahery i Josafata. Nagnory fiarova fatrasy vo tana fignaza tao Joda izy. 13 Izy dra nana fitova maro tao an-tananan'i Joda, vo miaramila -matazaky, lelahy mahery fo-tagny Jerosalema. 14 Tahoky gny listan'ereo , milahasy araky reo agnarany ankohon-dran'ereo:Laha tagny Joda, reo mpifehy gny agn'arivony;Adna mpifehy , dra niaraky taminazy gny lelahy mpialy 300 000; 15 tao afarany i Johanana mpifehy, dra niaraky taminazy gny lelahy 280 000; 16 tao afarany i Amasia zanadahin'i Yaveh;dra niaraky taminazy gny lelahy mpialy 200 000. 17 Laha tamin'i Benjamina;dra i Eliada lelahy natazaky tamy herim-po , dra niaraky taminazy gny mitam-pialia 200 000 niaraky tamin'ereo sipika vo reo ampianga; 18 magnaraky anazy i Jozzabada, dra niaraky taminazy reo 180 000 vonona ho amy aly. 19 Reo gny nanompo gny Pazaka, ankoasy reo napetraky gny Pazaka tamin'ireo tana mifefy nanerana an'i Joda aby.