Toko faha 15

1 Avy tamin'i Azaria zanadahin'i Odeda gny fagnahin'Agnahary. 2 Niboaky hiseza an'i Asa izy dra nanao taminazy ho: "Tenoy zaho, ry Asa, vo Joda dra gny Benjamina aby: momba andrareo Yaveh, raha miaraky aminazy handrareo. Raha mitalia anazy handrareo, dra ho hitandrareo Izy; fa raha mahafo anazy handrareo, dra hafony. 3 DRa nandrisy gny fotoa naharisy, dra sy nana gny Zagnahary mary gny Israely, sy nana pisoro napianasy, dra sy nana gny lalana. 4 Fa gny fa nitoliky tamin'i Yaveh, gny zagnaharin'Israely ereo tamigny andro-pahorian'ereo, dra nitalia anazy, dra hitan'ereo izy. 5 Tamizay fotoa zay dra sy nisy fedanga ho an'ize nandeha lavisy, na ho an'ize nandeha nagnatiky; fa koa, fikorotagna lahibe gny tamireo poninigny tany aby. 6 Potipotiky ereo, firenena nanohisy firenena, dra tana nanohisy tana, akory napizalin'Agnahary tamireo karaza fizalia aby ereo. 7 Fa mahereza, dra ka anga halemy gny tagnandrareo, fa ho valia soa gny asandrareo." 8 Gny fa ren'i Asa reo zaka reo, gny faminanian'i Odeda paminany, dra nana heri-po izy dra nangalaky anireo raha mahasiravy hiala tamigny zakan'i Joda vo Benjamina aby, dra tamireo tana ze babony boa'amigny tanyhavoan'i Efraima, dra nagnery namboasy gny alitaran'i Yaveh izy, ze teo anoloanigny lavaranginy gny tragnon'i Yaveh. 9 Navory gny Joda vo gny Benjamina aby, vo reo ze nizano niaraky tamin'ereo__olo boak'amin'i Efraima vo Manase, dra boak'amin'i Simeona. Fa maro an'isa ereo gny nagnato anazy vy agny Israely, gny fa hitan'ereo fa nomba anazy Yaveh zagnahariny. 10 Noho izay dra niara-nivory tao Jerosalema ereo tamigny fahatelonigny vola, tamigny faha-dimy ambiny folo tao nazakan'i Asa. 11 Nanao soro ho an'i Yaveh tamigny ilany tamireo babo ze nandesin'ereo tamizay andro zay ereo: agnomby fitozato vo agnondry aman'osy fito arivo. 12 Nanao fifagneke ba hitalia an'i Yaveh, gny Zagnahariny gny razambeny ereo, tamigny fon'ereo manotolo vo tamigny fagnahin'ereo manotolo. 13 Nagneky ereo fa na iza na iza nanda gny hitalia an'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely, dra tokony vono ho maty, na kely na lahibe gny olo, na lelahy na apela. 14 Niania tamin'i Yaveh tamigny feo abo, tamigny kioky, vo tamigny tropetra vo azomara ereo. 15 Niravoravo tamigny fianiana gny Joda aby, akory niania tamigny fony manotolo ereo, dra nitalia fatrasy an'Agnahary, dra hitan'ereo Izy. Namen'i Yaveh fedanga gny magnodidy anereo aby. 16 Nalany sy ho pazaka vavy avo koa Imaka, nenibeny, akory nanao sari-raha mahasiravy tamigny baon'Aseraha izy. Nitapahin'i Asa gny sari-raha mahasiravy, nihisahiny ho vovoky dra noroany teo amigny lohasakan-driaky Kidrona izay. 17 Kanefa reo fitoera abo sy nala tao Israely. Na izay aza, feno fanolora-tegna tateraky gny fon'i Asa tamigny androny aby. 18 Nizaka tao atragnon'i Yaveh reo rahany gny babany vo reo rahany manoka ze an'i Yaveh: Volafosy vo reo raha volamena. 19 Sy nisy aly sasy hatramigny fahadimy amby telo-polo tao nazakan'i Asa.